Bokin'i Jeremia
Toko faha-35
2 Mandehana hianao mankany amin'ny fianakavian'ny Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon'ny Tompo amin'ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.3 Koa dia nalaiko Jezoniasa, zanak'i Jeremia, zanak'i Habsaniasa, mbamin'ireo rahalahiny sy ireo zanany rehetra ary ny fianakavian'ny Rekabita rehetra;
4 ka nampidiriko tao an-tranon'ny Tompo, tamin'ny efi-tranon'i Hanana, zanak'i Jegdeliasa, olon'Andriamantra, anilan'ny efitranon'ireo loholona sy ao ambonin'ny efitranon'i Maasiasa, zanak'i Seloma mpiandry varavarana. 5 Narosoko teo anoloan'ny zanaky ny fianakavian'ny Rekabita siny feno divay mbamin'ny kapoaka, dia hoy aho taminy: Misotroa divay hianareo. 6 Fa hoy kosa izy ireo: Tsy mba misotro divay izahay; satria izao no didy napetrak'i Jonadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: Aza misy misotro divay, na hianareo na ny zanakareo mandrakizay. 7 ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin'ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin'ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny hianareo. 8 Koa notandremanay ny tenin'i Jonadaba, zana-dRekaba, razanay, tamin'ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy; 9 tsy manao trano hitoerany izahay; tsy manam-tanim-boaloboka, na saha, na tany voafafy, izahay; 10 ary mitoetra an-day izahay; manaiky izahay, ary ny ataonay rehetra dia araka izay nandidian'i Jonadaba, razanay, anay. 11 Nony avy izay nanafihan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona an'izao tany izao, dia hoy izahay: Andeha isika hialoka any Jerosalema, eo anatrehan'ny tafiky ny Kaldeana sy ny tafik'i Siria, ka dia nitoetra teto Jerosalema izahay. 12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'ny Tompo, nanao hoe: 13 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Mandehana hianao milaza amin'ny olona any Jodà, sy amin'ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin'ny fihainoana ny teniko va hianareo? - teny marin'ny Tompo. 14 Voatandrina ny tenin'i Jonadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo, noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandrak'androany; ary izaho niteny taminareo koa, nefa tsy nihaino ahy hianareo! 15 Nirahako tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahako hatramin'ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin'ny làlan-dratsinareo avy hianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin'ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin'ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, hianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina hianareo, na nihaino ahy akory. 16 Eny, ny taranak'i Jonadaba, zana-dRekaba, nitandrina ny didy napetraky ny razany taminy; fa ity vahoaka ity kosa, tsy mba mihaino ahy! 17 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hataoko mihatra amin'i Jodà sy amin'ny mponina rehetra ao Jerosalema, ny loza rehetra voalazako ny amin'izy ireo; satria niteny tamin'izy ireo aho, fa tsy nohenoiny; ary niantso azy aho, fa tsy novaliany. 18 Ary hoy Jeremia tamin'ny fianakavian'ny Rekabita: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Noho hianareo nanaiky ny didin'i Jonadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo,
19 noho izany dia izao no lazain'ny Tompon'ny tafika Andriamanitr'Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanakalahy hitsangana eo anatrehako i Jonadaba, zana-dRekaba.
Toko faha-36
1 Tamin'ny taona fahefatra, nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, dia izao no teny avy any amin'ny Tompo, tonga tamin'i Jeremia:2 Mangalà horonan-taratasy hianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an'Isaely sy Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin'ny andro nitenenako taminao, hatramin'ny andron'i Josiasa ka mandrak'androany. 3 Fa angamba dia hohenoin'ny taranak'i Jodà ny loza rehetra kasaiko hatao aminy, mba hiovany, hialany amin'ny làlan-dratsiny avy, ka hamelako ny helony amam-pahotany. 4 Dia niantso an'i Baròka, zanak'i Nerià, Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain'ny Tompo tamin'i Jeremia, dia nosoratan'i Baròka tamin'ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy. 5 Rahefa izany, nanome didy an'i Baròka Jeremia, nanao hoe; Izaho ity, voasakana, ka tsy afa-mankany an-tranon'ny Tompo. 6 Ka mandehana ary hianao, ary vakio ao amin'ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin'ny Tompo mba ho ren'ny vahoaka ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren'izay rehetra an'i Jodà izay tonga avy any an-tanànany. 7 Angamba ho tonga eo anatrehan'ny Tompo ny fifonany, ary hiova hiala amin'ny làlan-dratsiny avy izy; fa lehibe ny hatezerana amam-pahavinirana nolazain'ny Tompo hahatra amin'ity vahoaka ity. 8 Dia nataon'i Baròka, zanak'i Nerià, avokoa, izay nandidian'i Jeremia mpaminany azy; novakiny tao an-tranon'ny Tompo, tao amin'ny horonan-taratasy ny tenin'ny Tompo. 9 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa mpanjakan'i Jodà, tamin'ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan'ny Tompo hataon'ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin'ny tanànan'i Jodà.
10 Ary novakin'i Baròka tamin'izay, tao amin'ny boky ny tenin'ny Tompo, tao an-tranon'ny Tompo, amin'ny efitranon'i Gamariasa, zanak'i Safana, mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, anoloan'ny vavahady Vaovao amin'ny tranon'ny Tompo, mba ho ren'ny vahoaka rehetra. 11 Nandre ny tenin'ny Tompo rehetra, tao amin'ny boky, Mikea, zanak'i Gamariasa, zanak'i Safana; 12 ka dia nidina nankany an-tranon'ny mpanjaka, tao amin'ny efitranon'ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia Elisama, mpanoratra, Dalaiasa, zanak'i Semeiasa, Elinatana, zanak'i Akobora, Gamariasa, zanak'i Safana, Sedekiasa, sanak'i Hananiasa, mbamin'ny lehibe rehetra. 13 Ary nambaran'i Mikea tamin'izy ireo avokoa, ny teny reny tamin'ny namakian'i Baròka azy tao amin'ny boky ho ren'ny sofin'ny vahoaka. 14 Tamin'izay ireo lehibe rehetra, naniraka an'i Jodì, zanak'i Nataniasa, zanak'i Selemiasa, zanak'i Kosi, ho any amin'i Baròka, hilaza aminy hoe: Raiso ny horonan-taratasy, izay namakianao teny teo an-tsofin'ny vahoaka, ary mankanesa atý hianao. dia norasin'i Baròka zanak'i Nerià ilay horonan-taratasy ka nankany amin'izy ireo izy.
15 Ary hoy ireo taminy: Mipetraha hianao ka vakio izany ho ren'ny sofinay. Dia namaky izany teo an-tsofin'izy ireo Baròka. 16 Nony efa nandre izany teny rehetra izany izy ireo dia nifampijery tamin-tahotra, ka nanao tamin'i Baròka hoe: Tsy maintsy ambaranay amin'ny mpanjaka avokoa izany teny rehetra izany. 17 Ary nanontany an'i Baròka izy ireo, nanao hoe: Lazao aminay izay nanoratanao izany teny rehetra izany avy tamin'ny vavany. 18 Ka hoy Baròka taminy: Nanonona am-bava izany teny rehetra izany izy; ka nosoratako tao amin'ny boky, tamin'ny ranomainty. 19 Dia hoy ireto lehibe tamin'i Baròka: Mandehana miery, hianao sy Jeremia, ka aoka tsy hisy olona hahalala izay misy anareo. 20 Rehefa izany izy ireo, namela ilay horonan-taratasy tao amin'ny efitranon'i Elisama mpanoratra, dia niditra tao amin'ny mpanjaka, tao amin'ny kianja, sy nilaza teo an-tsofin'ny mpanjaka io raharaha rehetra io. 21 Nirahin'ny mpanjaka Jodì haka ilay horonan-taratasy, dia noraisiny tao amin'ny efitranon'i Elisama, mpanoratra, dia novakiny teo an-tsofin'ny mpanjaka sy teo an-tsofin'ny lehibe rehetra nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka. 22 Ny mpanjaka izany nipetraka tao an'efitrano ririnina tamin'ny volana fahasivy; ary voarehitra afo teo anoloany ny fatana. 23 Vao toko telo na efatra no voavakin'i Jodì, dia notapahan'ny mpanjaka tamin'ny antsipikan'ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin'ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon'ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo. 24 Tsy mba natahotra na nandriatra ny fitafiana akory ny mpanjaka sy ireto mpanompony rehetra izay nandre izany teny rehetra izany. 25 Efa nihanta mafy tamin'ny mpanjaka anefa Elnatana sy Dalaiasa, ary Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratay; fa tsy nohenoiny izy ireo. 26 Rahefa izany dia nodidian'ny mpanjaka Jermiely zanak'andriana, sy Saraiasa zanak'i Ezriely, ary Selemiasa zanak'i Abdeely, hisambotra an'i Baròka mpanoratra, sy Jeremia mpaminany, nefa nafenin'ny Tompo izy ireo. 27 Ary natao tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo, taorian'ny nandoran'ny mpanjaka ny horonan-taratasy, mbamin'ny teny nosoratan'i Baròka araka ny nanononan'i Jeremia avy, dia toy izao:
28 Mandehana maka horonan-taratasy hafa indray hianao; ka soraty ao avokoa ireo teny voalohany, tao amin'ilay horonan-taratasy voalohany, nodoran'i Joakima, mpanjakan'i Jodà.
29 Ary lazao amin'i Joakima mpanjakan'i Jodà, hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hianao nandoro iny horonan-taratasy iny, sady nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny fa hoe ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babilona, ka handrava ity tany ity, ary ataony tsy hisy olona na biby intsony eto. 30 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo, ny amin'i Joakima, mpanjakan'i Jodà: Tsy hisy amin'ny fianakaviany na iray aza hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sady hatsipy any ivelany ny fatiny hasian'ny hainandro, amin'ny antoandro, sy ny hatsiaka amin'ny alina. 31 Hafototro hamely azy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony rehetra, ny helony; ary hataoko mihatra aminy, sy amin'ny mponina ao Jerosalema, ary amin'ny olona amin'i Jodà, ny loza rehetra nolazaiko taminy, fa tsy nohainoiny aho. 32 Dia naka horonan-taratasy hafa indray Jeremia, natolony an'i Baròka mpanoratra, zanak'i Neriàsa, ka nosoratan'i Baròka araka ny nanononan'i Jeremia azy ny teny rehetra tamin'ilay boky nodoran'i Joakima mpanjakan'i Jodà tamin'ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.