Bokin'i Jeremia

Toko faha-37

1 Sedesiasa zanak'i Josiasa no nanjaka nandimby an'i Jekoniasa zanak'i Joakima; Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona no nanangana azy ho mpanjaka amin'ny tanin'i Jodà.

2 Kanefa na izy, na ny mpanompony, na ny ankapobem-bahoaka tao amin'ny tany, dia samy tsy nihaino ny tenin'ny Tompo izay notononiny tamin'ny alàlan'i Jeremia mpaminany. 3 Nirahin'i Sedesiasa, mpanjaka, Jokaly zanak'i Selmiasa, sy Sofoniasa zanak'i Maasiasa mpisorona, ho any amin'i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: Mba mifonà ho anay amin'ny Tompo Andriamanitsika.

4 Jeremia nifanerasera teo afovoan'ny vahoaka ihany, ary mbola tsy natao an-tranomaizina. 5 Ny tafik'i Faraona kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeana nanao fahirano an'i Jerosalema. 6 Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely: 7 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Izao no teny hataonareo amin'ny mpanjakan'i Jodà, naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik'i Faraona izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin'ny taniny any Ejipta indray; 8 ary ny Kaldeana kosa hiverina atý ary hiady amin'ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy. 9 Izao no lazain'ny Tompo: Aza mamita-tena foana hianareo, ka manao hoe: Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeana; 10 fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia ho resenareo ny tafiky ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo. 11 Tamin'ny nialan'ny tafiky ny Kaldeana tao Jerosalema noho ny amin'ny tafik'i Faraona, 12 dia nivoaka avy ao Jerosalema koa Jeremia, hankany amin'ny tanin'i Benjamina, mba handray ao izay anjarany eo amin'ny vahoaka. 13 Kanjo nony mby teo am-bavahadin'i Benjamina izy, indro ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jeriasa, zanak'i Selemiasa, zanak'i Hananiasa, nisambotra an'i Jeremia mpaminany, nanao hoe: Miandany amin'ny Kaldeana hianao. 14 Fa hoy Jeremia: Tsy marina izany; tsy miandany amin'ny Kaldeana aho. Tsy nihaino izany akory anefa Jeriasa, fa nosamboriny ihany Jeremia, dia nentiny nankany amin'ny lehibe. 15 Ary nisafoaka tamin'i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy iry ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany. 16 Nony efa tafiditra tao an-davaka ambanin'ny andoholambo Jeremia, sady efa nitoetra tao andro maro Jeremia,

17 vao nanirahan'i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontaniany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: Moa misy teny avy amin'ny Tompo? Ka hoy ny navalin'i Jeremia: Eny! sady nampiany hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babilona hianao. 18 Hoy koa Jeremia tamin'i Sedesiasa mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao na tamin'ity vahoaka ity, no dia nalatsakareo an-tranomaizina aho? 19 Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babilona, 20 koa ankehitriny, masìna hianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon'i Jonatana mpanoratra aho, ho faty any. 21 Dia nanome teny Sedesiasa mpanjaka, hitana an'i Jeremia ao an-kianjan'ny tranomaizina sy hanome azy mofo iray lehibe isan'andro avy any amin'ny araben'ny Mpanao mofo, mandra-pahalanin'ny mofo rehetra ao an-tanàna. Izany no nitoeran'i Jeremia tao amin'ny kianjan'ny tranomaizina.

Toko faha-38

1 Tamin'izay Safatiasa zanak'i Matana, Gedeliasa zanak'i Fasora, ary Jokaly zanak'i Selemiasa, ary Fasora zanak'i Melkiasa, dia nandre ny teny nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompo: Izay hitoetra amin'ity tanàna ity, ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeana kosa, ho velon'aina sy hahazo ny aina ho babony, ka ho velona. 3 Izao no lazain'ny Tompo: Hatolotra ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona ity tanàna ity, ka ho afany. 4 Dia hoy ny lehibe tamin'ny mpanjaka: Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tànana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin'ny vahoaka rehetra izy, amin'ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.

5 Ka hoy Sedesiasa mpanjaka: Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo. 6 Dia noraisin'izy ireo Jeremia, ka nampidininy tao an-davak'i Melkiasa, zanak'andriana, ao an-kianjan'ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an'i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka Jeremia. 7 Ren'i Abdemeleka etiopiana eonoka tao an-tranon'ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka Jeremia, nipetraka teo am-bavahadin'i Benjamina ny mpanjaka tamin'izay;

8 dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka Abdemeleka, ka niteny tamin'ny mpanjaka nanao hoe: 9 Ry mpanjaka tompoko ô, ratsy izany nataon'ireo olona ireo tamin'ny nitondrany toy izany an'i Jeremia mpaminany, fa nampidininy ao an-davaka izy; ho faty mosary ao ihany izy, satria tsy misy mofo intsony eto an-tanàna. 10 Dia nanome teny an'i Abdemeleka etiopiana ny mpanjaka nanao hoe: Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy. 11 Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy Abdemeleka, dia niditra tao amin'ny tranon'ny mpanjaka ao ambanin'ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin'ny tady izany ho ao amin'i Jeremia ao an-davaka. 12 Dia hoy Abdemeleka etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy ao ambany helikao ireny lamba tonta amam-borodamba ireny eo ambanin'ny tady. Nataon'i Jeremia izany. 13 Ka nosintonin'izy ireo tamin'ny tady izy, dia nampakariny avy ao an-davaka. Ary Jeremia nitoetra teo an-kianjan'ny fiambenana. 14 Tamin'izay dia naniraka haka an'i Jeremia Sedesiasa mpanjaka mba ho ao aminy, ao amin'ny fidirana fahatelo, amin'ny tranon'ny Tompo. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Misy zavatra hanontaniako anao, ka aza anafenana aho. 15 Ary hoy Jeremia tamin'i Sedesiasa: MOa tsy hamono ahy tokoa va hianao, raha ilazako izany. Ary raha omeko hevitra hianao, tsy hihaino ahy. 16 Dia nianiana mangingina amin'i Jeremia Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: Velona Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin'ireo olona mitady ny ainao ireo. 17 Ka hoy Jeremia tamin'i Sedesiasa: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Raha mivoaka hanaiky ny lehiben'ny mpanjakan'i Babilona hianao, dia ho velon'aina hianao sy ny mpianakavinao. 18 Fa raha tsy mivoaka hanatona ny lehiben'ny mpanjakan'i Babilona kosa hianao: ity tanàna ity hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana, ka hodorany; hianao kosa tsy ho afa-mandositra azy ireo. 19 Dia hoy Sedesiasa mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra an'ireo Jodeana efa nanatona ny Kaldeana aho; dia hatolotry ny olona an'ireo aho ka hataon'ireo fihomehezana. 20 Fa hoy ny navalin'i Jeremia: Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon'ny Tompo amin'izay ambarako aminao, dia hahita soa amin'izay hianao ary ho voavonjy ny ainao. 21 Fa raha mandà tsy hivoaka hianao dia izao no nambaran'ny Tompo tamiko: 22 Indro fa ny vehivavy sisa rehetra amin'ny akohonan'ny mpanjakan'i Jodà, hoentina ao amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona, ka hanao aminao hoe: Sodokan'ny sakaizanao hianao, ka resiny; nihitsoka anaty fotaka ny tongotrao dia nidify kosa izy ireo. 23 Ny vady aman-janakao rehetra hoentina ao amin'ny Kaldeana, hianao koa tsy ho afa-mandositra azy ireo, fa ho azon'ny mpanjakan'i Babilona, ary hianao no nandoro ity tanàna ity. 24 Dia hoy Sedesiasa tamin'i Jeremia: Aoka tsy hisy olona hahare na inona na inona amin'izao resaka izao, dia tsy ho faty hianao. 25 Raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ka tonga aminao izy manao hoe: Ambarao anay izay nolazainao tamin'ny mpanjaka sy nolazain'ny mpanjaka taminao; aza misy afenina aminay, dia tsy hamono anao izahay; dia izao no avalio azy: 26 Nanatitra ny fitarainako tamin'ny mpanjaka aho, mba tsy haveriny any an-tranon'i Jonatana izay hahafatesako, aho. 27 Dia tonga tao amin'i Jeremia tokoa ny mpanapaka rehetra, ka nanontany azy, ka novaliany araka ireo teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy indrindra, ka dia navelany tsy nosahiraniny izy; satria tsy nisy re ny resaka.

28 Dia nipetraka tao an-kianja fiambenana Jeremia mandra-pahafaka an'i Jerosalema; ka dia tao ihany izy, nony azo Jerosalema.

Toko faha-39

1 Tamin'ny volana fahafolo, amin'ny taona fahasivy nanjakan'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, dia tonga teo anoloan'i Jerosalema Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, mbamin'ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1603