Bokin'i Jeremia
Toko faha-39
2 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Sedesiasa, volana fahefatra, andro fahasivin'ny volana, dia nisy voabanga ny tanàna; 3 ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona, ary naka toerana mafy teo amin'ny vavahady afovoany, dia Nergaly-Seresera, mpiambina ny trano firaketana, Nabo-Sarsakima, lehiben'ny eonoka, Nergaly-Seresera, lehiben'ny majy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona. 4 Nony nahita azy ireo Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny lehilahy mpiady5 Nenjehin'ny tafiky ny Kaldeana anefa izy ireo, ary tratrany teo amin'ny tany lemak'i Jerikao Sedesiasa. Dia noraisin'izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, tao Rebla, amin'ny tanin'i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy. 6 Ireo zanakalahin'i Sedesiasa novonoin'ny mpanjakan'i Babilona teo imasony, tao Rebla; ny lehibe rehetra tamin'i Jodà, novonoin'ny mpanjakan'i Babilona koa.
7 Rahefa izany dia nopotsiriny ny mason'i Sedesiasa, ary nafatony tamin'ny rojo varahana roa izy hoentiny any Babilona. 8 Rahefa izany, dia nodoran'ny Kaldeana ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny tranon'ny vahoaka, ary noravany ny mandan'i Jerosalema. Ny vahoaka sisa izay tafajanona tao an-tanàna, mbamin'ireo mpilefa nitolo-tena nanaiky azy; 9 ary ny vahoaka sisa tamin'ny tany izay tafajanona teo, dia nentin'i Nabozardana lehiben'ny mpiambina, ho babo any Babilona. 10 Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan'i Nabokodonozora, lehiben'ny mpiambina, teo amin'ny tanin'i Jodà, sady nomeny tanim-boaloboka aman-tanimboly tamin'izay andro izay izy ireo. 11 Nisy didy nomen'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, an'i Nabozardana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia, nataony hoe:
12 Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy. 13 Ary Nabozardana, lehiben'ny mpiambina, Nabosezibana, lehiben'ny eonoka, sy Nergaly-Seresera, lehiben'ny majy, mbamin'izy rehetra mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona, 14 naniraka haka an'i Jeremia, tao an-kianjan'ny fiambenana; dia napetrany tamin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin'ny vahoaka izy. 15 Fony Jeremia mbola voafahy tao an-kianjan'ny fiambenana, dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
16 Mandehana hianao milaza amin'i Abdemeleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr'izay ihany izany. 17 Hovonjeko anefa hianao amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, - fa tsy ho voatolotra eo an-tànan'ny olona atahoranao. 18 Hataoko afaka tokoa hianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky ahy hianao, - teny marin'ny Tompo.
Toko faha-40
1 Ny teny natao tamin'i Jeremia avy amin'ny Tompo taorian'ny nandefasan'i Nabozardana, lehiben'ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin'ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilona.2 Nentin'ny lehiben'ny mpiambina Jeremia, ka nilazany hoe: Iaveh Andriamanitrao efa nanambara izao loza izao amin'ity tanàna ity, ka nahatonga azy izy. 3 Notanterahan'ny Tompo izay efa voalazany, satria nanota tamin'ny Tompo hianareo sy tsy nihaino ny feony, ka dia tonga taminareo izao zavatra izao. 4 Ary hianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin'ny tànanao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilona, dia andeha, fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilona, dia aoka tsy ho hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin'izay heverinao ho tsara sy mety. 5 Raha mbola nijanonjanona teo, tsy nandeha Jeremia: Miverena ary, hoy izy, any amin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay natangan'ny mpanjakan'i Babilona hanapaka ny tanànan'i Jodà, ka miaraha mitoetra aminy, eo amin'ny vahoaka; na mandehana any amin'izay tianao haleha, na aiza na aiza. Dia nomen'ity lehiben'ny mpiambina vatsy amam-panomezana izy, vao nalefany handeha. 6 Nankany amin'i Godoliasa, tany Masfà, Jeremia, ka niara-nonina taminy, teo amin'ny vahoaka sisa navela teo amin'ny tany.
7 Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra any ambanivohitra mbamin'ireo olom-peheziny, fa hoe: Godoliasa zanak'i Ahikama no natsangan'ny mpanjakan'i Babilona ho governora amin'ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin'ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilona,
8 dia nanatona an'i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe, Ismaely, zanak'i Nataniasa, Johanana sy Honatana, zanak'i Karea, Seraiasa, zanak'i Tanehometa ireo zanak'i Efoì, sy Netofà, ary Jezoniasa, zanak'ilay Moahatiana, dia ireo mbamin'ny olom-peheziny avy. 9 Dia izao no nolazain'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna tamin'izy ireo sy tamin'ireo olom-peheziny: Aza matahotra ny hanompo ny Kaldeana hianareo; monena amin'ny tany, manompoa ny mpanjakan'i Babilona, dia hahita soa hianareo. 10 Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan'ny Kaldeana, tonga atý aminareo; ary hianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin'ny fasiana azy, dia monena amin'izay tanànareo, izay hipetrahanareo. 11 Ny Jodeana rehetra izay tany amin'ny tanin'i Moaba ao amin'ny taranak'i Ammona, sy tany Edoma, nony efa nandre tao amin'izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan'i Jodà navelan'ny mpanjakan'i Babilona, ary Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna, no napetrany ho governeran'izy ireo,
12 dia tamin'izay ny Jodeana rehetra no niverina avy any amin'ny tany rehetra nandroahana azy avokoa, ka nankao amin'ny tanin'i Jodà, nanatona an'i Godoliasa, tany Masfà, ary nanangona divay amam-boankazo be dia be. 13 Fa Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny mpifehy miaramila tany ambanivohitra rehetra kosa, tonga tany amin'i Godoliasa tany Masfà,
14 ka nanao taminy hoe: Fantatrao va, fa Baalisa mpanjakan'ny taranak'i Ammona, efa naniraka an'Ismaely, zanak'i Nataniasa, hamono anao? 15 Tsy nino azy anefa Godoliasa zanak'i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin'i Godoliasa tany Masfà Johanana, zanak'i Karea nanao hoe: Aoka ary aho handeha hamono an'Ismaely zanak'i Nataniasa, hatao tsy fantatr'olona velively. Fa nahoana no lany ringana ny sisan'i Jodà? 16 Fa izao no nolazain'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany, fa tsy marina akory izay lazainao momba an'Ismaely.
Toko faha-41
1 Nony tamin'ny volana fahafito, tonga tao amin'i Godoliasa zanak'i Ahikama tao Masfà, Ismaely zanak'i Nataniasa zanak'i Elisama, taranak'andriana, nomban'ireo andriambaventin'ny mpanjaka sy olona folo lahy koa dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.2 Ary nitsangana Ismaely, zanak'i Nataniasa, mbamin'ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan'i Babilona ho governora amin'ny tany,
3 mbamin'ny Jodeana rehetra, izay tao aminy, dia tao amin'i Godoliasa, tao Masfà; novonoin'Ismaely koa ny Kaldeana sendra tao, dia ny olona mpiady. 4 Nony afak'ampitson'ny andro namonoana an'i Godoliasa, raha mbola tsy nisy olona nahalala izany akory,
5 nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volom-bavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman'emboka manitra, haterina ao an-tranon'ny Tompo. 6 Nivoaka avy ao Masfà Ismaely, zanak'i Nataniasa, hitsena azy ireo, sady nitomany ka nony tafahaona taminy, dia nanao tamin'izy ireo hoe: Andeha hianareo ho any amin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama. 7 Kanjo vao tonga teo afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Ismaely, zanak'i Nataniasa sy iretsy olona niaraka taminy, ka natsipiny tao afovoan'ny lava-drano. 8 Nisy folo lahy tamin'izy ireo anefa, nilaza tamin'Ismaely hoe: Aza mba vonoina izahay, fa manam-pitaovana miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha, orja, diloilo, sy tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono an'ireo teo afovoan'iretsy rahalahiny.
9 Ny lava-drano nanarian'Ismaely ny fatin'ireo olona novonoiny noho ny amin'i Godoliasa, dia ilay nataon'i Asa, mpanjaka, noho ny amin'i Baasa, mpanjakan'Israely, io no nofenoin'Ismaely, zanak'i Nataniasa, faty. 10 Dia nentin'Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanakavanin'ny mpanjaka mbamin'ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen'i Nabozardana lehiben'ny mpiambina an'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, ho filohany; nentin'Ismaely zanak'i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin'ny taranak'i Ammona izy.
11 Nony ren'i Johanana zanak'i Karea mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy ny ratsy rehetra nataon'Ismaely zanak'i Nataniasa,
12 dia nitondra ny miaramilany rehetra izy ka niainga hiady amin'Ismaely zanak'i Nataniasa; tratrany tao akaikin'ny kamory lehibe ao Gabaona io. 13 Faly ireo vahoaka rehetra teo amin'Ismaely, nony nahita an'i Johanana zanak'i Karea, mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra niaraka taminy, 14 ka niverina nandeha nikambana tamin'i Johanana, zanak'i Karea, avokoa ny vahoaka rehetra nentin'Ismaely ho babo avy any Masfà. 15 Fa Ismaely zanak'i Nataniasa no afa-nandositra teo anatrehan'i Johanana ka nankany amin'ny taranak'i Ammona, nomban'ny olona valo lahy. 16 Noraisin'i Johanana, zanak'i Karea mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin'Ismaely zanak'i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an'i Godoliasa, zanak'i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonoka, ka nentiny niverina avy any Gabaona izy ireo. 17 Dia nandeha izy ireo, ka teo amin'ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin'i Betleema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta,