Bokin'i Jeremia
Toko faha-41
18 nanalavitra ny Kaldeana izay natahorany, noho ny namonoan'Ismaely zanak'i Nataniasa an'i Godoliasa zanak'i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan'i Babilona, ho governoran'ny tany.Toko faha-42
1 Tamin'izay, nanatona an'i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin'i Johanana, zanak'i Kare, Jezoniasa, zanak'i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,2 ka nanao taminy hoe: Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao; mivavaha amin'ny Tompo Andriamanitrao, ho an'izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan'ny masonao izao. 3 Aoka hambaran'ny Tompo Andriamanitrao aminay, izay làlana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay. 4 Ary hoy Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin'ny Tompo Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin'ny Tompo anareo. 5 Dia hoy izy ireo tamin'i Jeremia: Aoka Iaveh no ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin'ny Tompo Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,
6 na ho soa na ho ratsy, mba hihavian'ny soa aminay amin'ny fanekenay ny feon'ny Tompo Andriamanitray. 7 Nony afaka folo andro, tonga tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo,
8 ka nantsoiny Johanana zanak'i Karea, mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe, 9 dia nilazany hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely, izay nanirahanareo ahy hitondra eo anatrehany ny hatakareo: 10 Raha manohy ny fonenana amin'ity tany ity hianareo, dia haoriko, fa tsy horavako, hamboleko, fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babilona, izay atahoranareo; aza matahotra azy - teny marin'ny Tompo, - fa momba anareo aho, hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. 12 Hataoko mahazo famindram-po hianareo, ka hamindra fo aminareo izy, dia hampody anareo amin'ny taninareo. 13 Fa raha hoy kosa hianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay; ka tsy manaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo; 14 raha hoy hianareo: Tsia fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon'anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay; 15 dia henoinareo ny tenin'ny Tompo, ry sisa amin'i Jodà: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Raha mitodi-maso mankany Ejipta hianareo mba ho any ka miditra hitoetra any hianareo, 16 ny sabatra atahoranareo, hahatratra anareo any amin'ny tany Ejipta, ny mosary ahinareo mafy, hanjohy anareo any Ejipta, ary ho faty any hianareo. 17 Izay rehetra mitodi-maso mankany Ejipta mba ho any sy honina any, dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta avokoa, fa tsy misy ho velona sy afa-mandositra ny loza hahatrako aminy. 18 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Toy ny niantefan'ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin'ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan'ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta hianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozonana ary fandatsan'ny olona hianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony. 19 Ry sisa amin'i Jodà ô, izao no lazain'ny Tompo aminareo: Aza miditra any Ejipta hianareo; fantaro tsara fa efa nanariko am-pahibemaso hianareo izao androany. 20 Fa efa naningo-tena hianareo, tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'ny Tompo Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin'ny Tompo Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain'ny Tompo Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahanay avokoa. 21 Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo kosa hianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo. 22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin'ny tianareo aleha honenana hianareo.
Toko faha-43
1 Nony tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin'ny Tompo Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan'ny Tompo Andriamaniny azy ho aminy,2 dia niteny Azariasa zanak'i Osaiasa, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin'i Jeremia hoe: Milaza lainga hianao; Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao. 3 Fa Baròka, zanak'i Neriàsa, no nanome fo anao, mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana, hahafaty anay sy hahalasan-ko babo anay any Babilona. 4 Ka dia tsy nihaino ny feon'ny Tompo nandidy azy hitoetra amin'ny tanin'i Jodà, Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin'ny vahoaka rehetra. 5 Fa nentin'i Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ireo mpifehy miaramila rehetra ihany ny sisan'i Jodà rehetra, ireo izay efa niverina avy any amin'ny firenena rehetra nielezany, honina eo amin'ny tanin'i Jodà, 6 ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanakavavin'ny mpanjaka, mbamin'ny olona rehetra, navelan'i Nabozardana lehiben'ny mpiambina niaraka tamin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna, ary koa Jeremia mpaminany, mbamin'i Baròka, zanak'i Neriàsa. 7 Niditra tany amin'ny tany Ejipta izy ireo, dia tonga hatrany Tafnesa, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo. 8 Ary tonga tamin'i Jeremia tao Tafnesa ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
9 Mitondrà vato lehibe eny an-tànanao, ka afeno eo anatrehan'ny lehilahy amin'i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin'ny ngorodona taila, izay anoloan'ny tranon'i Faraona, ao Tafnesa; 10 dia lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho haniraka haka an'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona mpanompoko, sy hametraka ny seza fiandrianany eo ambonin'ireto vato nafeniko ireto; ary izy hamelatra ny karipetrany eo ambonin'ireo. 11 Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin'ny fahafatesana, matesa; izay ho amin'ny fahababoana, baboy; izay ho amin'ny sabatra, alavoin-tsabatra. 12 Handrehitra afo ao amin'ny tranon'ireo andriamanitr'i Ejipta aho, ka hodorany izany, ary heontiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan'ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy. 13 Ireo tsangam-bato ao an-tranon'ny Masoandro, eo amin'ny tany Ejipta, hotorotoroiny, ary ireo tranon'ny andriamanitr'i Ejipta hodorany.
Toko faha-44
1 Ny teny tonga tamin'i Jeremia, ho an'ny Jodeana rehetra nitoetra tany amin'ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdola, tany Tafnesa, tany Nofa, sy tany amin'ny tany Fatoresa, nanao hoe:2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Efa hitanareo ny loza rehetra nahatrako tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'i Jodà rehetra, fa indreo izy ankehitriny, dia efa tany lao sy tsy misy mponina intsony,
3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra ahy tamin'ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin'izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na hianareo, na ny razanareo. 4 Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo aho, sady naniraka azy hatramin'ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany hianareo. 5 Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin'ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin'izay andriamani-kafa. 6 Ka dia niantefa tamin'izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin'ny tanànan'i Jodà sy ny làlam-ben'i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao. 7 Koa ankehitriny dia izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr'Israely: Nahoana hinareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin'i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory; 8 dia izay hampahatezitra ahy amin'ny asan-tànanareo, amin'ny anateranareo emboka manitra amin'izay andriamani-kafa, eo amin'ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany? 9 Hadinonareo va ny heloky ny razanareo, ny heloky ny mpanjakan'i Jodà, ny heloky ny vehivavy ao Jodà, ny heloky ny tenanareo, amin'ny tanin'i Jodà, sy teny an-dalam-ben'i Jerosalema? 10 Mandrak'androany izy ireo tsy mbola nanenina, tsy mbola nana-tahotra, tsy mbola nandeha araka ny lalàko na ny didy nataoko teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo. 11 Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an'i Jodà rehetra. 12 Halaiko ny sisa amin'i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin'ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon'ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin'ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa. 13 Toy ny namangiako an'i Jerosalema tamin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta no hamangiako an'izay mitoetra eo amin'ny tany Ejipta. 14 Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin'i Jodà, tamin'ireo izay tonga mba honina eto amin'ny tanin'i Ejipta, ka hiverina indray amin'ny tanin'i Jodà, izay irin'ny fony hiverenana mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany.