Bokin'i Jeremia
Toko faha-44
15 Tamin'izay namaly an'i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin'ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin'ny fivoriam-be ary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin'ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe: 16 Tsy mihaino anao izahay amin'ny teny nolazainao taminay, amin'ny anaran'ny Tompo. 17 Fa ny teny rehetra naloaky ny vavanay, dia tsy maintsy tanterahanay tokoa tokoa, amin'ny fanaterana emboka manitra amin'ny Mpanjakavavin'ny lanitra, amin'ny fandrarahana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakanay amam-panapaka anay tany amin'ny tanin'i Jodà sy teny an-dalam-ben'i Jerosalema. Tamin'izany, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza. 18 Fa hatramin'ny nitsaharanay tsy nanatitra emboka manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy, vao tsy nanana na inona na inona izahay, sady levon'ny sabatra ama-mosary. 19 Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an'ny Mpanjakavavin'ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy? 20 Dia niteny tamin'ny vahoaka rehetra Jeremia, namelively ny lehilahy sy ny vehivavy sy ireo namaly azy toy izany, ka nanao taminy hoe:21 Tsy izany indrindra va no tsaroan'ny Tompo sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan'i Jodà, sy teny an-dalam-ben'i Jerosalema, na hianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo amam-panapaka anareo, na ny vahoaka tamin'ny tany? 22 Tsy nahalefitra mihaotra noho izay intsony Iaveh, noho ny haratsian'ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao. 23 Satria hianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin'ny Tompo, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan'izao loza manjo anareo izao hianareo, araka izao hita anio izao. 24 Ka dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra, sy tamin'ny vehivavy rehetra nanao hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo Jodà rehetra atý amin'ny tany Ejipta.
25 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Hianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin'ny vavanareo sy nanatanteraka tamin'ny tànanareo nanao hoe: Ho efainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an'ny Mpanjakavavin'ny lanitra. Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo. 26 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry Jodà rehetra mitoetra atý amin'ny tany Ejipta: Indro aho fa mianiana amin'ny anarako lehibe, hoy Iaveh, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'i Jodà eran'ny tany Ejipta intsony, ny anarako, hatao hoe: Velona Iaveh Tompo. 27 Indro aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin'izy ireo, ka dia ho levon'ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin'i Jodà, mandra-paharingany. 28 Ary izay vitsy kely ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin'ny tanin'i Jodà, avy atý amin'ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr'izay sisa amin'i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay to teny, na izaho, na izy ireo. 29 Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin'ny Tompo, - fa hovangiako eto amin'ity fitoerana ity tokoa hianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy to mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo. 30 Izao no lazain'ny Tompo: Indro aho manolotra an'i Hofra Faraona, mpanjakan'i Ejipta, eo an-tànan'ny fahavalony, sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, tamin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, fahavalony sy nitady ny ainy.
Toko faha-45
1 Ny teny nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Baròka, zanak'i Nierasa, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin'ny taratasy araka ny nanononan'i Jeremia azy, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, toy izao:2 Izao no lazain'ny Tompo mpanjakan'Israely ny aminao, ry Baròka: 3 Hianao nanao hoe: Idiran-doza aho ity! fa tsindrian'ny Tompo alahelo ny fijaliako, reraky ny misento aho, fa tsy mahita fitsaharana. Ka lazao aminy hoe: 4 Izao no lazain'ny Tompo: Indro fa izay efa naoriko ravako, izay efa namboleko ongotako; dia izao teny rehetra izao. 5 Ary hianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin'ny nofo rehetra aho, - teny marin'ny Tompo, - fa hianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin'izay fitoerana rehetra halehanao.
Toko faha-46
1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Jeremia mpaminany, ny amin'ireo firenena mpanompo sampy.2 Ny amin'i Ejipta. Teny mamely ny tafik'i Nekao Faraona mpanjakan'i Ejipta, teo amoron'ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà.
3 Vonony ny ampinga kely aman'ampinga be ka mandrosoa hiady!
4 Ataovy amin'ny kalesa ny soavaly; Miakàra ambony soavaly hianareo mpitaingina azy! Hianareo misatroka fiarovan-doha, milahara! Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.
5 Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo, ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin'ny Tompo.
6 Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra! ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka! Any amin'ny tany avaratra, amoron'ny ony Eofrata, indro izy mivembena dia lavo.
7 Iza izato miakatra hoatra an'i Nila sy misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be?
8 Ejipta izao miakatra hoatra an'i Nila izao, ka misamboaravoara ny onjany hoatran'ny ony be, Hoy izy: Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany, haringako ny tanàna mbamin'ny mponina ao aminy.
9 Mandrosoa, ry soavaly; Mirimorimoa, ry kalesy! Miaingà, ry mpiady! Ry Etiopiana sy Libiana mitanà ampinga, Ry Lidiana, mitanà sy manenjàna tsipìka!
10 Fa andron'ny Tompo Iavehn'ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran'ireny izy; fisoronana ho an'ny Tompo Iavehn'ny tafika izao, any amin'ny tany avaratra amoron'ny ony Eofrata.
11 Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanakavavin'i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana hianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.
12 Ren'ny firenen-tsamihafa ny henatrao; manenika ny tany ny fikiakiakanao; fa ny samy mahery no mifandona; ka samy lavo izy roa tonta.
13 Ny teny nataon'ny Tompo tamin'i Jeremia, mpaminany, ny amin'ny hihavian'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona hamely ny tany Ejipta.
14 Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdola, ampandreneso any Nofa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara hianareo, ka miomana; fa efa mandripaka sahady eny amin'ny manodidina anareo ny sabatra!
15 Hanky! efa lavo ny maherinao, tsy nahajoro izy, satria nazeran'ny Tompo amin'ny tany izy.
16 Hamaroiny ny isan'izay tafintohina, ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe: Mitsangàna isika, miverena any amin'ny firenentsika, sy any amin'ny tany nahaterahantsika, lavitra ny sabatra mahafaty olona.
17 Izao no fiantsoantsony any: Voa Faraona, mpanjakan'i Ejipta: nandiso ny fotoana mety izy!
18 Velona aho, - teny marin'ny Mpanjaka, tompon'ny anarana hoe: Iavehn'ny tafika: Tahaka an'i Tabora eo amin'ny tendrombohitra, tahaka an'i Karmela, eo ambonin'ny ranomasina, dia tamy izy.
19 Fehezo ny entanao, entan-tsambotra, ry mponina zanakavavin'i Ejipta, fa indro Nofa ho zary tany efitra; hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.
20 Ejipta dia ombivavy kely tsara tarehy fatratra, fa misy fihitra tonga avy any avaratra.
21 Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak'omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
22 Ny feony dia hoatra ny sasasasan'ny menarana mandeha; satria marobe izy ireo no tonga, dia tonga eo aminy, mitondra famaky, sahala amin'ny mpikapa hazo.
23 Nokapain'ireo ny alany, - teny marin'ny Tompo, nefa nikitroka efa izaitsizy; satria maro noho ny valala izy ireo, ka efa tsy tambo isaina.
24 Mangaihay ny zanakavavin'i Ejipta; natolotra eo an-tanan'ny firenena any avaratra izy!
25 Hoy Iavehn'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro, hovangiako avokoa Amona any No, sy Faraona sy Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary Faraona mbamin'ireo natoky azy.
26 Ary hatolotra eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy ireo, dia eo an-tanan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, sy eo an-tanan'ny mpanompony. Fa any aorian'izany, vao honenana izy, toy ny tamin'ny andro taloha, - teny marin'ny Tompo.
27 Ary hianao, aza matahotra, ry Jakoba, mpanompoko, aza manam-badi-po, ry Israely. Indro hianao, halaiko avy any an-tany lavitra, ary ny taranakao, avy any amin'ny tany nahababo azy. Ho tafaverina Jakoba, ka hiadana, handry fahizay, tsy misy mpanaitaitra.
28 Aza matahotra hianao, ry Jakoba, mpanompoko, - teny marin'ny Tompo, - fa momba anao aho! Haringako avokoa ny firenena rehetra nandroahako anao. Fa hianao kosa tsy mba haringako. Hofaiziko ara-drariny anefa hianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
Toko faha-47
1 Tenin'ny Tompo, tonga tamin'i Jeremia mpanimany, ny amin'ny Filistina, fony Faraona tsy mbola namely an'i Gazà.