Bokin'i Jeremia

Toko faha-51

13 Ry ilay monina amoron'ny rano be, sady be rakitra ô, tonga ny fiafaranao; tapitra ny fotoana firembenao.

14 Efa nianiana tamin'ny tenany Iavehn'ny tafika, nanao hoe: Hofenoiko olona hoatra ny valala hianao! ary hanao hobim-pandresena eo aminao ireny.

15 Izy no nahary ny tany tamin'ny heriny; nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin'ny fahalalany.

16 Amin'ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra; mampiakatra ny rahona avy amin'ny faran'ny tany izy, mampamirapiratra hela-baratra izay ihavian'ny ranonorana mivatravatra, ary mamoaka ny rivotra avy ao amin'ny fanangonana azy.

17 Kentrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin'ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny, fa tsy misy fofon'aina akory amin'izy ireny.

18 Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin'ny andro fanasaziana.

19 Tsy mba toy izany ny anjaran'i Jakoba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn'ny tafika.

20 Hianao no ataoko fampohaza, ataoko fiadiana: hianao no anorotoroako firenena; hianao no andravako fanjakana;

21 hianao no anorotoroako ny soavaly amam-pitaingina azy; hianao no anorotoroako ny kalesa amam-pitaingina azy.

22 Hianao no anorotoroako ny lehilahy amam-behivavy, hianao no anorotoroako ny anti-dahy sy ny zaza; hianao no anorotoroako ny zatovolahy aman-jatovovavy.

23 Hianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian'ondriny; hianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa; hianao no anorotoroako ny governora amam-panjaka.

24 Nefa hafotitro amin'i Babilona mbamin'ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra nataony tao Siona teo imasonareo, - teny marin'ny Tompo.

25 Indro aho manohitra anao, ry tendrombohitry ny fandravana, - teny marin'ny Tompo, izay mandrava ny tany rehetra; maninjitra ny tanako hamely anao aho, dia manakodia anao avy eny ambony harambato, sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila.

26 Tsy hakana vato fehizoro hianao na vato fanorenana; fa ho zava-drava mandrakizay, - teny marin'ny Tompo.

27 Manangàna saina, amin'ny tany; Mitsofa anjomara, amin'ny firenena; manokàna firenena hamely azy; miantsoa hamely azy ny fanjakan'i Ararata sy Menni ary Askeneza. Manendre ny filohan'ny tafika hamely azy; mandefasa ny soavaly toy ny valala mitsangam-bolo.

28 Manokàna ny firenena hamely azy, dia ireo mpanjakan'i Media, ny kapiteniny amam-panapaka, sy ny tany rehetra izay tapahany.

29 Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitry ny Tompo hamely an'i Babela, mba hanova ny tanin'i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.

30 Ireo lehilahy maherin'i Babela nitsahatra tsy niady; mihiboka ao anaty trano mimanda; lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy; nodorana ny fonenany; notapahana ny hidim-bavahadiny.

31 Mihorakoraka ny tsimandoa hifanena amin'ny tsimandoa, ary ny iraka hifanena amin'ny iraka; hilaza amin'ny mpanjakan'i Babilona, fa afaky ny fahavalo ny tanànany avy hatraiza hatraiza.

32 Ny fintana efa voatana; ny heniheny doroana amin'ny afo, ary ny lehilahy mpiady efa kivy ery!

33 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Ny zanakavavin'i Babela dia toy ny famoloana amin'ny fotoana fanosena azy, ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy, ny andro fararano.

34 Nandany ahy, nandevona ahy, Nabokodonozora, mpanjakan'i Babela; nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana, nitelina ahy, toy ny dragona; nameno ny kibony, tamin'ny nahandroko tsara indrindra, dia nandroaka ahy.

35 Hanody an'i Babela anie ny nofoko rotika! no holazain'ny mponina ao Siona; hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako! no ho tenin'i Jerosalema.

36 Koa izao no lazain'ny Tompo: Indro fa izaho mandray ny adinao hiandraikitra azy, ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao: Ka horitiko ny ranomasiny, hataoko tankina ny loharanony.

37 Ary Babela dia korontam-bato, ho fieren'amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.

38 Indray mierona hoatra ny liona izy reheta; sy mikaonkaona toa zana-diombavy.

39 Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro, ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin'ny fifaliana: dia ho raiki-tory amin'ny torimaso mandrakizay, sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin'ny Tompo.

40 Hampidiniko ho any amin'ny famonoana, toy ny zanak'omby, izy, toy ny ondralahy aman'osilahy.

41 Manao ahoana no nahafahana an'i Sesàka, sy nahazoana an'ilay fireharehan'ny tany rehetra? Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana, Babela, eo amin'ny firenena?

42 Nisondrotan'ny ranomasina Babela, nosaforany tamin'ny onjany mirohondrohona.

43 Ny tanànany zary zavatra fampitahorana, tany lao sy efitra; tany tsy misy zanak'olombelona mandalo akory.

44 Hamangy an'i Bela ao Babela aho: Ka izay nateliny, hotsoahako avy eo am-bavany, ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony. Ny mandan'i Babela aza, nirodana.

45 Mivoaha hiala ao aminy, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo, eo anatrehan'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo.

46 Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra, noho ny tsaho izay ho re honohono amin'ny tany! Fa hisy tsaho hitranga amin'ny taona iray, ary hisy tsaho hafa kosa, amin'ny taona manaraka iray; dia hisy fifamelezana mafy amin'ny tany, mpanapaka manao jadona mifanohitra.

47 Koa indro, avy ny andro, hamangiako ny sampin'i Babela; dia hangaihay ny taniny rehetra, ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.

48 Ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, hanao hobim-kafaliana, noho ny amin'i Babela; satria hiantontan'ireo mpandringana, avy any amin'ny avaratra izy, - teny marin'ny Tompo.

49 Tsy maintsy ho lavo i Babela, ry ilay maty amin'Israely, toy ny nahalavoan'ireo maty eran'ny tany ho an'i Babela.

50 Hianareo nieren'ny sabatra, miaingà, fa aza mijanona! Mahatsiarova an'ny Tompo any an-tany lavitra, ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverena an'i Jerosalema!

51 Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon'ny Tompo.

52 Koa indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hamangiako ny sampiny, ka hitoloko eran'ny taniny rehetra ny vonoina ho faty.

53 Na hisondrotra hatrany an-danitra aza Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan'ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin'ny Tompo.

54 Injany misy horakoraka manako any amin'i Babela any: loza lehibe any amin'ny tanin'ny Kaldeana!

55 Fa mandrava an'i Babela Iaveh, ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka; mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan'izy ireo, dia mandefa ny feon'ny firohondrohony.

56 Satria tonga namely azy ny mpandrava, namely an'i Babela; voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany; fa Andriamanitry ny famaliana Iaveh, dia hamaly marina tokoa izy!

57 Hataoko mamo ny mpanapaka aman'olon-kendriny, ny governora amam-pitsarany, ary ny mpiady maheriny, ka ho raiki-tory amin'ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin'ny Mpanjaka, izay manana anarana hoe: Iavehn'ny tafika.

58 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan'i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran'ny vahoaka, ho an'ny afo no hisasaran'ny firenena, ka lany hery foana amin'izay izy.

59 Didy nomen'i Jeremia, mpaminany, an'i Saraiasa, zanak'i Nerisa, zanak'i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilona, niaraka tamin'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Saraiasa no lehiben'ny tao an-dain'ny mpanjaka.

60 Nosoratan'i Jeremia tamin'ny boky iray, avokoa, ny loza hanjo an'i Babilona, dia ireo teny rehetra voasoratra ny amin'i Babilona ireo.

61 Ary hoy Jeremia tamin'i Saraiasa: Rahefa tonga any Babilona hianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe: 62 Iaveh ô, hianao no nilaza ny amin'ity fitoerana ity fa ho ravana izy ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1592