Bokin'i Jeremia
Toko faha-51
63 Ary rahefa tapitra ny famakiana ity boky ity, dia asio vato mifehy aminy, ka atsipazo any afovoan'i Eofrata any izy,64 sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babilona, sy tsy hifongarany intsony, avy amin'ny loza hahatrako aminy, fa ho lavo lany hery izy. Hatreo no tenin'i Jeremia.
Toko faha-52
1 Iraika amby roapolo taona Sedesiasa, fony izy tonga mpanjaka; ary iraika ambinin'ny folo taona izy, no nanjaka tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amitala, zanakavavin'i Jeremia, avy ao Lobna.2 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, nianatra izay rehetra nataon'i Joakima. 3 Ary noho ny fahatezeran'ny Tompo no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy Jodà, mandra-panariny azy, tsy ho eo anatrehan'ny tavany. Ary Sedesiasa dia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babilona. 4 Tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Sedesiasa, tamin'ny volana fahasivy, tamin'ny andro fahafolon'ny volana, dia tonga hamely an'i Jerosalema Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, mbamin'ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin'ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;
5 ary natao fahirano ny tanàna, hatramin'ny taona faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Sedesiasa. 6 Nony tamin'ny volana fahefatra, andro fahasivin'ny volana, dia efa mafy ny mosary tao an-tanàna, ka tsy nisy intsony izay hanin-ko hanin'ny vahoakan'ny tany; koa tamin'izay, 7 dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin'ny vavahady anelanelan'ny manda roa akaikin'ny sahan'ny mpanjaka; raha ilay voahodidin'ny Kaldeana iny ny tanàna, dia nihazo ny làlan'ny tany lemaka izy. 8 Nenjehin'ny miaramila Kaldeana anefa ny mpanjaka; ka trany teo amin'ny tany lemak'i Jerikao Sedesiasa; dia niparitaka lavitra azy ny miaramilany rehetra. 9 Nosamboriny ny mpanjaka, dia nentina niakatra any amin'ny mpanjakan'i Babilona, tao Rebla, amin'ny tanin'i Hemata, dia namoaka teny fitsarana momba azy izy. 10 Novonoin'ny mpanjakan'i Babilona teo imason-drainy ireo zanakalahin'i Sedesiasa; novonoina tao Rebla koa ny mpanapaka rehetra tamin'i Jodà. 11 Rahefa izany nopotsiriny ny mason'i Sedesiasa, ka nafatony tamin'ny rojo varahana roa izy, ary nentin'ny mpanjakan'i Babilona nankany Babilona izy, sy notanany an-tranomaizina mandra-pahafatiny. 12 Tamin'ny volana fahadimy, andro fahafolon'ny volana, dia izay taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nabokodonozora, no tonga tany Jerosalema Nabozardana, kapitenin'ny mpiambina, izay mpandraharahan'ny mpanjakan'i Babilona;
13 ka nandoro ny tranon'ny Tompo, mbamin'ny tranon'ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin'ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra. 14 Ary noravan'ny miaramila Kaldeana rehetra, nanaraka ny kapitenin'ny mpiambina, ny manda nanodidina an'i Jerosalema. 15 Nentin'i Nabozardana, kapitenin'ny mpiambina, ho babo ny sasany tamin'ny olo-mahantra indrindra, mbamin'ny olona sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ireo efa nitsoaka nanatona ny mpanjakan'i Babilona, ary ny mpanao tao-zavatra sisa.
16 Navelan'i Nabozardana kapitenin'ny mpiambina ihany anefa ny olo-mahantra sasany tamin'ny tany ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany. 17 Novakivavin'ny Kaldeana ny andry varahana amin'ny tranon'ny Tompo, mabamin'ny ranomasina varahana sy ny fanambaniny izay tao an-tranon'ny Tompo, dia nentiny nankany Babilona ny varahana tamin'ireo.
18 nentiny koa ny vilany, ny lapelina, ny antsy, ny vilia kely, ny kaopy, mbamin'ny fanaka varahana rehetra, fitondra manao ny fanompoana. 19 Nentin'ny kapitenin'ny mpiambina koa ny tavin-drano, ny fanembohana, ny vilia kely, ny vilany, ny fanaovan-jiro, ny sotro, ary ny siny, dia izay vita amin'ny volamena sy ny volafotsy. 20 Ny amin'ny andry roa, ny ranomasina, mbamin'ireo omby varahana roa ambin'ny folo nitaingenany sy ny fanambaniny, izay nampanaovin'i Salomona mpanjaka, tao an-tranon'ny Tompo, dia tsy nisy tokony handanjana ny varahana tamin'ireo fanaka rehetra ireo. 21 Ny amin'ny andry dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavon'ny andry iray, ary kofehy roa ambin'ny folo hakiho no nandrefy azy manodidina, ary voatondro efatra ny hateviny, ary poakaty izy. 22 Nisy loha andry varahana ny tampony; dimy hakiho no hahavon'ny loha andry iray; nisy harato sy ampongabendanitra ny manodidina ny loha andry, ary varahana avokoa izany. Torak'izany koa ny andry faharoa, mbamin'ny ampongabendanitra. 23 Ampongabendanitra enina amby sivifolo, no tamin'ny lafiny, ary zato no isan'ny ampongabendanitra rehetra tamin'ny harato, amin'ny manodidina rehetra. 24 Nalain'ny kapitenin'ny mpiambina Saraiasa, mpisorona lehibe, Sofonia, mpisorona amin'ny filaharana manarakaraka, ary ny mpiandry varavarana telo lahy. 25 Ny tao an-tanàna koa, nangalany manamboninahitra ananakiray, mpifehy ny olom-piady, olona fito lahy, anisan'ny mpanolo-tsaina manokan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, miadidy ny fanoratana ny olona amin'ny tany no miaramila, ary ankapobem-bahoaka amin'ny tany enimpolo lahy izay hita tao an-tanàna. 26 Nosamborin'i Nabozardana kapitenin'ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babilona, any Rebla. 27 Novonoin'ny mpanjakan'i Babilona ireo, sy nataony maty tao Rebla, amin'ny tanin'ny Emata. Toy izany no nitondrana an'i Jodà ho babo, lavitry ny taniny. 28 Izao no isan'ny olona nentin'i Nabokodonozora ho babo: Lehilahy avy amin'i Jodà, telo amby roapolo sy telo arivo, tamin'ny taona fahafito;
29 olona tamin'ny mponina tao Jerosalema, roa amby telopolo amby vaonjato, tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nabokodonozora; 30 lehilahy avy amin'i Jodà, dimy amby efapolo sy fiton-jato koa, nentin'i Nabozardana, kapitenin'ny mpiambina, ho babo, tamin'ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan'i Nabokodonozora. Enin-jato sy efatra arivo no tontalin'izy rehetra. 31 Tamin'ny taona fahafito amby telopolo nahababo an'i Joasina, mpanjakan'i Jodà, volana faharoa ambin'ny folo, andro fahadimy amby roaplon'ny volana tamin'ny taona vao nanjakan'i Evil-Merodaka, mpanjakan'i Babilona, dia nampitraka ny lohan'i Joasina tao an-tranomaizina.
32 Nanaovany teny be halemem-panahy; nasandrany ho ambony noho ny seza fipetrahan'ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilona; 33 nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany Joasina, tamin'ny andro rehetra niainany. 34 Ny amin'ny fivelomany, ny fivelomany hatrany hatrany dia ny mpanjakan'i Babilona no niantoka azy isan'andro, mandra-pahafatiny, tamin'ny andro rehetra niainany.
Fitomanian'i Jeremia
Toko voalohany
1 ALEPH Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin'ny firenena! izy izay mpanjakavavy eo amin'ny faritany, natao mpandoa hetra.2 BETH Mitomany amin'alahelo izy, mandritra ny alina; voton-dranomaso ny takolany, tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra; nivadika taminy ireo namany rehetra, ka tonga fahavalony.
3 GHIMEL Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin'ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratran'ireo mpanenjika azy, teo an-kadilanana tery.
4 DALETH Misaona ny làlan'i Siona, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin'ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferin'aina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.
5 HE Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin'ny Tompo, noho ny hamaroan'ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan'ny mpampahory.
6 VAV Afaka amin'ny zanakavavin'i Siona ny voninahiny rehetra; Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa tsy mahita vilona ka mandeha tsy manan-kery, eo anoloan'ny manenjika azy.
7 ZAIN Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andron'ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rahefa lavon'ny tànan'ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.
8 HETH Nampitombo ny fahotany Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.
9 TETH Miseho eo ambany rambon'akanjony ny lotony; tsy nitsapa ny farany izy; ka mahagaga ny nahalavoany; sady tsy misy mampionona azy. Iaveh ô, jereo ity fahantrako, fa mahery ny fahavalo!
10 YOD Nandroso ny tànany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin'ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin'ny fiangonanao izy!
11 KAPH Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy; izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina, izay mampody ny aina ao aminy, jereo Iaveh ô, zahao ity fietrena nilatsahako.
12 LAMED Hianareo rehetra izay mandeha amin'ny làlana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjo ahy izao, dia izaho izay nokapohan'ny Tompo, tamin'ny andron'ny fahatezerany mirehitra.
13 MEM Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelarany fandrika eo anoloan'ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.
14 NUN Ny jiogan'ny fahotako dia voafehy, tao an-tànany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin'ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tànan' izay tsy leoko aho.