Fitomanian'i Jeremia
Toko voalohany
15 SAMECH Nalain'ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy izy, hanorotoro ny zatovolahiko; nohosihosen'ny Tompo, toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanakavavin'i Jodà.16 AIN Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
17 PHE Mananty tanan-droa Siona, ... Tsy misy mampionona azy! Nantsoin'ny Tompo hamely an'i Jakoba, ny fahavalony ka manarona azy izy. Eo afovoan'izy ireo Jerosalema, dia zary toa zava-maloto.
18 TSADE Tena marina Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa hianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.
19 KOPH Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahany; ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna, tamin'ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy.
20 RESCH Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin'ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!
21 SCHIN Ren'ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjo ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa hianao. Hampiavy ny andro voalazanao hianao; ka ho tonga toa ahy koa ireo!
22 THAV Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian'ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!
Toko faha-2
1 ALEPH Ahoana re no nanaronan'ny Tompo rahona, noho ny fahatezerany ny zanakavavin'i Siona? Navariny aman-tany avy any an-danitra, ny hatsarana kanton'Israely, tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony, tamin'ny andro fahatezerany rehetra.2 BETH Noravan'ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan'i Jakoba rehetra. Narodany tamin'ny hatezerany ny mandan'ny zanakavavin'i Jodà. Nazerany amin'ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana amam-panjaka.
3 GHIMEL Noho ny fahatezerany mirehitra notapahany avokoa ny herin'Israely; ny tànany ankavanana, nahemony teo anoloan'ny fahavalony; toy ny afo midedadeda no narehiny tao amin'i Jakoba, mandevona ny manodidina rehetra.
4 DALETH Nanenja-tsipìka toy ny ataon'ny fahavalo izy ary naninjitra ny tànany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra; ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso; tamin'ny lain'ny zanakavavin'i Siona naidiny toy ny afo ny fahatezerany.
5 HE Nanao toy ny fahavalo ny Tompo: Israely noravany; ny lapany noravany avokoa; ny mandany narodany; ny fijalian'ny zanakavavin'i Siona notongoaviny fijaliana.
6 VAV Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly; noravany ny fitoerany masina. Nataon'ny Tompo nitsahatra tao Siona ny fety aman-tsabata; tamin'ny firehetan'ny hatezerany dia nariany amim-panesoana ny mpanjaka amam-pisorona.
7 ZAIN Nanjary sosotra amin'ny oteliny ny Tompo sy madikidiky amin'ny fitoerany masina. Natolony ho eo an-tanan'ny fahavalo ny mandan'ny lapany; dia nisy nihorakoraka toy ny amin'ny andro fety tao an-tranon'ny Tompo.
8 HETH Nosainin'ny Tompo ny handravana ny mandan'ny zanakavavin'i Siona, dia nohenjaniny ny famolaina, tsy nahemony tsy handrava, ny tànany; nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany, niara-nitsingidina amin'alahelo ireo.
9 TETH Ny vavahadiny tafalentika amin'ny tany, novakiny, notapahany ny hidiny, ny mpanjakany amam-panapaka efa any amin'ny firenena, tsy misy intsony ny lalàna, ny mpaminany aza tsy mandray fahitana avy amin'ny Tompo intsony.
10 YOD Mipetraka mangina amin'ny tany, ny loholon'ny zanakavavin'i Siona; nasiany vovoka ny lohany; mitafy lasàka mitanondri-doha amin'ny tany, ny virjinin'i Jerosalema.
11 KAPH Levona azon'ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin'ny tany ny atiko, noho ny ratran'ny zanakavavin'ny vahoakako, raha ilay toran'ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin'ny kianjan'ny tanàna.
12 LAMED Hoy izy amin-dreniny: Aiza no misy mofo sy divay? dia lavo toy ny voan'ny sabatra izy; eny amin'ny kianjan'ny tanàna, ary miala aina eny an-trotroan'ny reniny.
13 MEM Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanakavavin'i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanakavavin'i Siona? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?
14 NUN Ny hitan'ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.
15 SAMECH Miteha-tànana avokoa ny amin'ny momba anao, izay rehetra mandeha amin'ny làlana; misitrisitry sy mihifikifi-doha amin'ny zanakavavin'i Jerosalema. Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary fifalian'ny tany rehetra?
16 PHE Misanasana vava mamely anao ny fahavalonao rehetra; misitrisitry mikitro-nify, manao hoe: Nolevonintsika izy! Ity no ilay andro nandrasantsika, tratrantsika izy, hitantsika izy!
17 AIN Nataon'ny Tompo izay nokasainy; notanterahany ny teniny izay efa nolazainy hatramin'ny andro taloha; nandrava izy fa tsy niantra, nampifaly ny fahavalo noho ny aminao izy; nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao izy.
18 TSADE Mitaraina amin'ny Tompo ny fon'izy ireo! Ry mandan'ny zanakavavin'i Siona ô! Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao, andro aman'alina; aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao! Aza mety mijanona akory.
19 KOPH Mitsangàna, miantsoantsoa mandritra ny alina, hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo! Manandrata tànana aminy, ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay lavo toran'ny hanoanana, eny an-joron-dàlana rehetra eny.
20 RESCH Iaveh ô, jereo ka diniho: Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana? Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve? Dia ny zanany madinika izay malalany? Endrey! Mba efa vonoina eo amin'ny fitoerana masin'ny Tompo, na ny mpisorona na ny mpaminany!
21 SCHIN Miampatrampatra amin'ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon'ny sabatra; namono tamin'ny andron'ny fahatezeranao hianao; namono tsy nanana antra hianao!
22 THAV Nantsoinao, hoatra ny amin'ny andro fety, ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza; tamin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo, tsy nisy afa-nidify na nandositra: naringan'ny fahavaloko izay notiaviko sy nobeaziko!
Toko faha-3
1 ALEPH Izaho no ilay olona nahita ny fahoriana tamin'ny tsora-kazon'ny fahatezerany.2 Nentiny sy nampandehaniny aho tamin'ny aizina fa tsy tamin'ny mazava.
3 Izaho irery no asiany dia asian' ny tànany mandritra ny andro.
4 BETH Ny nofo aman-koditro, nataony korotika; ny taolako notapatapahany.
5 Nanorina izay hamelezany ahy izy; notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.
6 Nampitoeriny amin'ny maizina, toy ny efa maty fahagola aho.
7 GHIMEL Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka; novesarany gadra vy.
8 Na mitaraina sy miangavy aza aho, tampenany avokoa ny fidiran'ny fivavahako.
9 Notampenany vato voapaika ny làlako; nakorokorony ny sakeli-dalako.
10 DALETH Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika sy ny liona manotrika iny.
11 Naviliny ny làlako, dia noviravirainy aho, ka nataony fandao!
12 Nanenjana ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany hokendreny amin'ny zana-tsipìkany.
13 HE Natanterany ny valahako ny zanaky ny tranon-jana-tsipìkany;
14 efa fihomehezan'ny vahoakako rehetra aho, ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Novokisany zava-mangidy aho, nobobohany absinta.
16 VAV Nampikosohiny fasika ny nifiko; nasitriny tao anaty lavenona aho.
17 Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana, ny fifaliana efa hadinoko,
18 ka hoy aho: Very ny heriko, mbamin'ny fanantenako an'ny Tompo.
19 ZAIN Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako, ny absinta aman'afero!
20 Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko, ka reraka ato anatiko izy.