Fitomanian'i Jeremia
Toko faha-3
21 Izao no hotsarovako ato anatin'ny foko, ka dia izany no mba hanantenako.22 HETH Famindram-pon'ny Tompo no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.
23 Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
24 Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko, koa izy no hanantenako.
25 TETH Tsara fo Iaveh amin'izay manantena azy, amin'ny fanahy mitady azy.
26 Tsara ny miandry amim-pahanginana, ny famonjen'ny Tompo.
27 Tsara ho an'ny olona ny mitondra ny jioga hatramin' ny fahatanorany.
28 YOD Aoka hitoetra irery amim-pahanginana izy, raha ampitondrain'Andriamanitra an'izany.
29 Aoka hanohoka ny vavany amin'ny vovoka izy; angamba misy hantenaina!
30 Aoka hanolotra ny takolany amin'izay mamely azy izy; aoka hivoky latsa izy!
31 KAPH Satria ny Tompo tsy manary mandrakizay;
32 fa raha mampahory izy, dia mangoraka, araka ny famindram-pony lehibe ;
33 Ary tsy satriny ny manetry, na mampahory ny zanak'olombelona.
34 LAMED Raha hitsakitsahin'ny olona amin'ny tongony, ny babo rehetra amin'ny tany;
35 raha ny manana ny rariny no ampandeferin'ny olona, eo anatrehan'ny Avo indrindra;
36 raha misy mampidi-doza ny olona amin'ny adiny, moa tsy ho hitan'ny Tompo va izany?
37 MEM Iza moa no niteny, dia tanteraka izany, raha tsy efa voadidin'ny Tompo?
38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no mivoaka ny soa sy ny loza?
39 Ka ahoana no itarainan'ny olombelona raha mbola velona izy? Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!
40 NUN Aoka isika samy handinika ny làlany sy hamantatra azy, ka hiverina amin'ny Tompo,
41 amin'Andriamanitra any an-danitra: Asondroty ny fontsika mbamin'ny tanantsika.
42 Izahay dia efa nanota, efa niodina; hianao tsy namela heloka.
43 SAMECH Nisarona ny fahatezeranao hianao, dia nenjehinao izahay, novonoinao tsy nanananao antra:
44 Nisarona rahona hianao, tsy hisy hidiran'ny fivavahana.
45 Nataonao fakofako amam-paikan-javatra eo afovoan'ny firenena izahay.
46 PHE Misanasana vava aminay avokoa ny fahavalonay rehetra;
47 ny tahotra aman-davaka no anjaranay, sy ny fandravana amam-pandringanana.
48 Ranomaso mandriaka no mijononoka amin'ny masoko, noho ny fandravana ny zanakavavin'ny vahoakako.
49 AIN Mitomany tsy mijanona ny masoko, satria tsy misy hiainana,
50 mandra-pitsinjony sy ijeren' Iaveh any an-tampon'ny lanitra.
51 Mampidi-pahoriana amin'ny fanahiko ny masoko, noho ny amin'ireto zanakavavin'ny tanànako rehetra.
52 TSADE Manenjika ahy, hoatra ny fanenjika fody, ireo mpankahala ahy tsy ahoana tsy ahoana.
53 Nitady hamono ny aiko tao anatin'ny lavaka izy ireo, dia efa nandatsaka vato hanindry ahy.
54 Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano, ka hoy aho: Maty aho!
55 KOPH Iaveh ô, niantso ny anaranao tany anaty lavaka lalina aho.
56 Renao ny feoko: Aza manentsin-tadìny, amin'ny fisentoako, amin'ny fitarainako!
57 Tamin'ny andro niantsoako anao, nanatona hianao, dia nanao hoe: Aza matahotra!
58 RESCH Tompo ô, niandraikitra ny adiko hianao, namonjy ny aiko.
59 Hitanao, ry Iaveh, ny anaovany an-keriny amiko, omeo ny rariny aho!
60 Hitanao avokoa ny lolom-pony sy ny fiokoan'izy rehetra hamely ahy.
61 SCHIN Renao avokoa, ry Iaveh, ny latsa ataony, ny fiokoan'izy rehetra hamely ahy,
62 ny resaky ny fahavaloko mbamin'ny fisainany hamely ahy mandritra ny andro.
63 Jereo, fa na mipetraka izy ireo na mitsangana, dia izaho no ataony an-kira.
64 Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô! araka ny asan'ny tànany,
65 ataovy jamba ny fony; atokano ho azy ny ozonao.
66 Enjeho an-katezerana izy, ary fongory, tsy ho ety ambanin'ny lanitry ny Tompo!
Toko faha-4
1 ALEPH Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, nieli-patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.2 BETH Ireo zanakalahin'i Siona, miendrik'andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asa-tànan'ny mpanefy vilany?
3 GHIMEL Ny amboadia aza manolotra nono amin'ny zanany, ka mampinono azy; fa ny zanakavavin'ny vahoakako kosa nanjary masiaka, hoatra ny ostritsa any an'efitra.
4 DALETH Ny lelan'ny zaza minono tafaraikitra amin'ny lanilaniny, azon'ny hetaheta; mangataka hanina ny ankizy madinika, nefa tsy nisy olona manome azy.