Fitomanian'i Jeremia
Toko faha-4
5 HE Ireo nihinam-kanim-py fahizay, dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe; mandamaka eny amin'ny zezika ireo nolanjaina mipetraka amin'ny jaky.6 VAV Fa ny heloky ny zanakavavin'ny vahoakako tafahoatra noho ny fahotan'i Sodoma, izay noravana indray mihelina monja, nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.
7 ZAIN Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy, fotsy noho ny ronono; mena noho ny voahangy ny tenany; vato safira ny tarehiny.
8 HETH Ny tavany, mainty noho ny fahamaizinana, ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalambe, ny hodiny, miraikitra amin'ny taolany, maina tahaka ny hazo.
9 TETH Sambatra ireo matin-tsabatra, noho iretsy matin'ny hanoanana, izay mihareraka tsikelikely, maratra, noho ny tsy fisian'ny vokatry ny tany!
10 YOD Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tànany no nahandro ny zanany, dia nataony hanina izany, tamin'ny fandringanana ny zanakavavin'ny vahoakako.
11 KAPH Nanampatra hatramin'ny fara fahatezerany Iaveh, nandefa ny fahatezerany mirehitra; dia nandrehitra afo tao Siona izy, ka levon'izany ny fanorenany.
12 LAMED Tsy mba nino ireo mpanjakan'ny tany, na ny mponina rehetra tamin'izao tontolo izao, fa ny mpandrafy, ny fahavalo dia ho tafiditra ny vavahadin'i Jerosalema.
13 MEM Izany no tonga dia noho ny fahotan'ny mpaminaniny, sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka tao anatin'ny mandany ny ran'ny marina.
14 NUN Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo, sady nihosin-dra, hany ka tsy azo nokasihina akory ny fitafiany.
15 SAMECH Mitanilà! Maloto e! hoy ny antsoantson'ny olona, Mitanilà hianareo! Mitanilà hianareo! Aza mikasika azy. Nirenireny atsy sy arý, ka hoy ny olona any amin'ny firenena: Aoka tsy hitoetra atý ireny!
16 PHE Ny tavan'ny Tompo vinitra nampihataka azy; tsy mijery ireny intsony izy. Ny mpisorona, tsy nasian'ny fahavalo hajany; ny anti-panahy, tsy nananany antra.
17 AIN Ary isika, nihavizaka ny masontsika, mbola miandry izay vonjy foana; eny an-tampon'ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo, izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.
18 TSADE Nitsikilo ny diantsika izy, nisakana antsika tsy handeha eny amin'ny kianjantsika. Manantomotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika; eny, efa tonga ny fiafarantsika!
19 KOPH Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an'efitra.
20 RESCH Ilay fofon'aintsika, ilay voahosotry ny Tompo, voasambotra tao an-davak'izy ireo, dia ilay nataontsika hoe: Eo ambanin'ny alokalony, no ho velona any amin'ny firenena isika.
21 SCHIN Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma, izay monina any amin'ny tanin'i Hosa! Horosoana ny kapoaka koa hianao; ka himamo dia hitanjaka.
22 THAV Lasan'izay ny helokao, ry zanakavavin'i Siona, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanakavavin'i Edoma, asehony miharihary ny fahotanao.
Toko faha-5
1 Tsarovy ny nanjo anay, ry Iaveh ô, jereo sy diniho ity fahafaham-barakanay.2 Ny lovanay, lasan'ny hafa firenena, ny tranonay, lasan'ny olon-tsy fantatra.
3 Kamboty tsy manan-dray izahay, toy ny mpitondratena ny reninay.
4 Mividy vola izahay vao misotro ny ranonay, mikarama vao mahazo kitay.
5 Ny mpanenjika anay mandodona anay avy ao aoriana; ka reraka, tsy mahita hiainana izahay.
6 Mananty tànana amin'i Ejipta sy amin'i Asiria izahay, hivoky mofo.
7 Nanota ny razanay, tsy eo intsony anefa izy, ka izahay ity no mivesatra ny helony.
8 Andevo no manapaka anay, tsy misy olona manafaka anay amin'ny tànan'ireo.
9 Manao vy very ny ainay hahazoanay hanina eo anoloan'ny sabatry ny efitra.
10 Mahamay, hoatra ny lafaoro, ny hoditray, noho ny hamafin'ny hanoanana.
11 Nosavihin'izy ireo ny vehivavy tao Siona, mbamin'ny virjiny tamin'ny tanànan'i Joda.
12 Misy mpanapaka nahanton'ny tànan'izy ireo, ny tavan'ny anti-panahy tsy nasiany hajany,
13 ny zatovo nitondra ny fikosohom-bary; ny ankizy nivembena, mivesatra hazo.
14 Ny loholona nitsahatra tsy nankeny am-bavahady intsony; ary ny zatovo tsy nitendry ny valihany intsony.
15 Nitsahatra ny fifalian'ny fonay; niova ho fisaonana ny dihinay.
16 Nianjera ny satro-boninahitry ny lohanay; eny, loza ho anay, fa nanota izahay!
17 Izao no antony raha marary ny fonay, izao no antony raha nihamaizina ny masonay,
18 dia satria lao ny tendrombohitra Siona, ka ny amboadia no mikarenjy ao.
19 Hianao, ry Iaveh, dia ao amin'ny fiketrahanao mandrakizay; ny seza fiandriananao maharitra amin'ny taona mifandimby!
20 Ahoana no dia hanadinoanao anay mandrakizay, dia handao anay amin'ny andro lava toy izao?
21 Ampivereno aminao izahay, ry Iaveh, dia hiverina, havaozy ny andronay toy ny fahiny indray.
22 Fa dia narianao tokoa va izahay, sy ho tezitra tsy an'erany aminay va hianao?
Bokin'i Baroka
Toko voalohany
1 Izao no teny ao amin'ny boky nosoratan'i Baròka, zanak'i Neriasa, zanak'i Maasiasa, zanak'i Sedekiasa, zanak'i Sedeì, zanak'i Helkiasa, tany Babilona,2 tamin'ny taona fahadimy, andro fahafiton'ny volana, tamin'ny andro nahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema sy nandoroany azy. 3 Ny teny amin'ity boky ity dia novakin'i Baròka tamin'ny sofin'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny sofin'ny vahoaka rehetra izay tonga hihaino izany boky izany; 4 tamin'ny sofin'ireo lehibe sy ireo zanak'andriana, ary tamin'ny sofin'ny loholona sy tamin'ny sofin'ny vahoaka rehetra hatramin'ny kely indrindra, ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia izay rehetra nitoetra tany Babilona akaikin'ny ony Sodì. 5 Nitomany sy nifady hanina ary nivavaka tamin'ny Tompo izy ireo, nandre izany. 6 Nanangom-bola izy ireo araka izay zakany afoy avy, samy araka ny toe-pananany; 7 dia nampitondrainy ho any Jerosalema amin'i Joakima, zanak'i Helkiasa, zanak'i Saloma, mpisorona, sy amin'ny mpisorona sasany mbamin'ny vahoaka rehetra niara-nitoetra taminy tany Jerosalema. 8 Azon'i Baròka indray tamin'izay ny fanaky ny tranon'ny Tompo, nentina avy any amin'ny tempoly, ka nalefany ho any amin'ny tanin'i Jodà, tamin'ny andro fahafolon'ny volana Sivana, dia ireo fanaka volafotsy nataon'i Sedesiasa zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà; 9 nony efa nalain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, tao Jerosalema Jekoniasa, ny mpanapaka, ny antoka, ny lehibe mbamin'ny sarambabem-bahoaka amin'ny tany, ka nentiny ho any Babilona. 10 Hoy izy ireo: Indro, mampitondra vola ho anareo izahay; izany vola izany ividiano izay hanaovana sorona dorana, sorona fanonerana, emboka manitra; manaova fanatitra koa, ary atolory eo ambonin'ny otelin'ny Tompo Andriamanitsika.