Bokin'i Baroka

Toko faha-4

16 tsy mahalala manaja ny anti-panahy, na mangoraka ny ankizy madinika, fa nifaoka ny malalan'ny mpitondratena, sady namela ahy ho irery voasaraka tamin'ny zanako vavy.

17 Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo?

18 Ilay nahatonga izany loza izany taminareo, dia izy ihany no hanafaka anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo.

19 Mandehana, anaka, mandehana, fa izaho tafajanona irery!

20 Nesoriko ny akanjo fitondra amin'ny andro firavoravoana, fa ny lasakan'ny fifonako no nitafiako; hitaraina amin'ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako.

21 Matokia, anaka miantsoa ny Tompo, ary izy hanafaka anareo amin'ny fahefana sy amin'ny tanan'ny fahavalonareo.

22 Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo, ka tonga amiko ny hafaliana avy amin'ilay Masina, noho ny famindram-po hataon'ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo.

23 Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana; fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana sy amim-piravoravoana ho mandrakizay.

24 Toy ny nahitan'ireo mifanolo-body rindrina amin'i Siona ny fahababoanareo no hahitany faingana ny famonjena anareo, amin'Andriamanitra, izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe, sy amin-daza mamirapiratra ho an'ilay Mandrakizay.

25 Anaka, lefero amim-paharetana ny fahatezeran'Andriamanitra tonga aminareo. Ny fahavalonareo nanenjika anareo; fa vetivety dia hianareo kosa indray no hahita ny faharavany, sy hanitsaka ny hatony, amin'ny tongotrareo.

26 Nandia làlana maraorao ny zanako malemilemy indrindra; notsoahana toy ny andian'ondry norobain'ny fahavalo izy ireo.

27 Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo; fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.

28 Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an'Andriamanitra no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny rahefa tafaverina aminy hianareo.

29 Satria ilay nahatonga loza taminareo, dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin'ny famonjeny anareo.

30 Matokia, ry Jerosalema, fa hampionona anao ilay nanome anao ny anarany.

31 Loza ho an'izay manisy ratsy anao, sy nifaly tamin'ny fahalavoanao!

32 Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanakao! Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo!

33 Toy ny nifaliany tamin'ny faharavanao, sy nihobiany tamin'ny fahalavoanao, no halahelovany amin'ny faharinganany.

34 Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan'ny mponina ao aminy, dia hiova ho fisaonana ny reharehany.

35 Hisy afo avy amin'ilay Mandrakizay, ho tonga aminy ho amin'ny andro lava, ary mandritra ny andro ela dia ho fonenan'ny fanahy ratsy izy.

36 Mijere miantsinanana, ry Jerosalema, ka jereo ity hafaliana tonga aminao avy amin'Andriamanitra.

37 Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha, tonga izy, tafavory hatrany atsinananaka hatrany andrefana amin'ny feon'Ilay Masina, miravoravo amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

Toko faha-5

1 Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema; fa ny fanamiam-boninahitra avy amin'Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.

2 Mihodidina ny kapaotim-pahamarinana avy amin'Andriamanitra, ataovy eo an-dohanao ny hamaman'ny voninahitr'ilay Mandrakizay.

3 Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao, amin'ny tany rehetra, ambanin'ny lanitra.

4 Hotononin'Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao; Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.

5 Mitsangàna ry Jerosalema, mijoroa eo amin'ny havoanao, mitazàna miantsinanana, ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin'ilay Masina, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, miravoravo noho ny nahatsiarovan'Andriamanitra azy ireo.

6 Mandeha an-tongotra no nandaozany anao, nobaboin'ny fahavalo; fa entina amim-boninahitra no amerenan'Andriamanitra azy aminao, hoatra ny seza fiandrianan'ny mpanjaka.

7 Satria nasain'Andriamanitra hietry avokoa rahefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola, ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany, mba handehanan'Israely tsy voasembantsembana, ho an'ny voninahitr'Andriamanitra.

8 Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza, nanome ny alokalony ho an'Israely avokoa noho ny didin'Andriamanitra.

9 Fa ho entin'Andriamanitra amin-kafaliana Israely, amin'ny fahazavan'ny voninahiny, hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

Toko faha-6

1 (Kopian'ny taratasy nampitondrain'i Jeremia an'ireo ho entin'ny mpanjakan'ny Babilonia ho babo any Babilona, milaza amin'izy ireo ny nasain'Andriamanitra hambara aminy.) Noho ny fahotana nataonareo teo anatrehan'Andriamanitra, dia heontin'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona ho babo any Babilona hianareo.

2 Ka rahefa tonga any Babilona hianareo, dia hitoetra any taona maro amam-potoana lava, hatramin'ny taranaka fahafito; fa rahefa afaka izany, no hitondra anareo mivoaka avy any amim-piadanana aho. 3 Ary any Babilona hianareo dia hahita andriamanitra volafotsy na volamena na hazo, izay entin'ny olona an-tsoroka, sady maharaiki-tahotra ny firenena. 4 Koa mitandrema fa aza mba tahaka an'ireo hafa firenena hianareo, na mba mety ho azon-tahotra an'izany andriamanitra izany. 5 Fa rahefa mahita ny vahoaka be mifanizina eo aloha na avy eo aoriana sy manome voninahitra an'ireny hianareo, dia izao no lazao ao am-ponareo: Hianao, ry Tompo, no tsy maintsy hotsaohina! 6 Fa momba anareo ny anjeliko, ka izy no miahy ny ainareo. 7 Fa ny lelan'ireo andriamanitra ireo, nolamboin'ny mpanao taozavatra; petahana volamena sy volafotsy; nefa fitaka ihany izy, fa tsy mahateny akory.

8 Hoatra ny atao amin'ny zazavavy tia haingo, noraisin'olona ny volamena, dia nanamboarany fehiloha hatao eo an-dohan'ireo andriamanitra ireo. 9 Ny mpisorona aza, sahy maka volamena amam-bolafotsy amin'ny andriamaniny, dia entiny ataony amin'izay ilany azy; 10 ny vehivavy janga ao an-tranony aza hanomezany. Ravahan'izy ireo amin'ny fitafiana sarobidy, hoatra ny olona, ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo; 11 nefa tsy maharo tena amin'ny harafesina na ny olitra akory. 12 Rahefa avy notafiana akanjo jaky izy ireny, dia tsy maintsy fafana koa ny tavany, noho ny vovoka ao an-tranony fa mandrakotra azy matevina be. 13 Indro, misy anankiray mitana tehim-panjakana, mova tsy ilay mpanapaka amin'ny faritany iny; nefa tsy hahavono izay nanisy ratsy azy. 14 Misy anankiray hafa koa, mitan-tsabatra na famaky amin'ny tànany; nefa tsy mahay miaro tena amin'izay fahavalo amam-pangalatra velively! Hita mazava amin'izany fa tsy andriamanitra akory ireny; 15 ka aza matahotra azy. Tahaka ny vilany ananan'olona, rahefa vaky dia zary tsinontsinona; toy izany koa ny andriamanitr'izy ireo. 16 Raha apetrakareo ao an-trano izy ireny, dia fenon'ny vovoka avy amin'ny tongotr'izay miditra ao ny masony. 17 Toy ny fanidy tsara ny varavaran'ny trano maizina, izay asiana ny olona nanisy ratsy ny mpanjaka, na ny olona efa ho entin-kovonoina, no fiaron'ny mpisorona ny tranon'ireo andriamaniny, amin'ny varavarana mafy, amin'ny hidim-baravarana aman-karetsaka, fandrao robain'ny mpangalatra ireny. 18 Mandrehitra lalampy izy ireo, sady ataony maro be noho ny ho an'ny tenany, nefa iretsy andriamaniny tsy afa-mahita iray amin'izany akory. 19 Toy ny anankiray amin'ny sakamandimbin-trano izy ireo, ka ny olona milaza fa ny atiny efa lanin'ny bibikely, mivoaka avy amin'ny tany sy mandevona azy mbamin'ny fitafiany, nefa izy tsy mahatsiaro izany akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1602