Bokin'i Ezekiela
Toko faha-3
10 Hoy koa izy tamiko: Ry zanak'olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin'ny sofinao, izy.11 Mandehana hianao mankany amin'ireo lasan-ko babo, dia any amin'ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo, na hihaino izy ireo na tsy hihaino. 12 Dia nofaohin'ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafy reko tao ivohoko, nanao hoe: Hankalazaina anie ny voninahitry ny Tompo ao amin'ny fitoerana fonenany.
13 Reko ny fikopakopaky ny elatr'ireo zava-manan'aina, nifandona, sy ny firohondrohon'ny kodiarana teo anilany, ary nisy feon-javatra nikotrokotroka mafy. 14 Nofaohin'ny Fanahy sy entiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin'ny fanahiko; ary ny tànan'ny Tompo nihazona ahy mafy. 15 Dia tonga tany Tel-Abida aho, tany amin'ireo babo, nonina teo amoron'ny ony Kobara, sy tany amin'ny tany nonenany; ka nandritra ny hafitoana aho, dia ankona foana teo afovoan'izy ireo. 16 Nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
17 Ry zanak'olona, tendreko ho mpitily eo amin'ny taranak'Israely hianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako hianao; ary hananatra azy ireo amin'ny anarako. 18 Raha izaho milaza amin'ny ratsy fanahy hoe: Ho faty tokoa hianao; nefa hianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy amin'ny làlan-dratsiny, mba hahavelona azy, dia ho faty amin'ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tànanao ny rany. 19 Fa rahefa nananatra an'ilay ratsy ihany kosa hianao, fa izy no tsy nety niala amin'ny haratsiany aman-dàlan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin'ny helony; fa hianao kosa dia efa namonjy ny fanahinao. 20 Raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho hianao tsy nananatra azy dia ho faty amin'ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony tsy ho tsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin'ny tànanao. 21 Fa tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary hianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao. 22 Teo amiko ny tànan'ny Tompo, ary hoy izy tamiko: Mitsangàna hianao, mankanesa any an-tany lemaka, fa any no hitenenako aminao.
23 Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitry ny Tompo, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin'ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terý aho. 24 Niditra tato anatiko ny Fanahy, ka nataony mijoro amin'ny tongotro aho; ary niteny tamiko Iaveh nanao hoe: Mandehana mirindrin-trano ao aminao. 25 Fa indro hianao, ry zanak'olona, hasiana tady hafatotra, ary tsy ho afa-mivoaka ho any amin'izy ireo. 26 Haraikitro amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana hianao, dia tsy ho mpaniny azy ireo, satria taranaka miodina izy. 27 Rahefa hiteny aminao aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin'izy ireo hianao hanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.
Toko faha-4
1 Ary hianao, ry zanak'olona, makà biriky anankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin'i Jerosalema.2 Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandràta tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy. 3 Ary hianao makà lapoaly vy; atoavy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy. Aoka ho famantarana ho an'ny taranak'Israely izany. 4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak'Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok'izy ireo.
5 Ary araka ny isan'ny andro no nanisako ny taonan'ny helok'izy ireo ho anao; ka dia sivifolo sy telon-jato andro no hitondranao ny heloky ny taranak'Israely. 6 Rahefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak'i Jodà kosa hianao, efapolo andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao. 7 Dia hitodika hanandrina an'i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy hianao. 8 Ary indro, efa nopetahako tady hianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao. 9 Makà fromenta, orja, kalamaka, voanemba, ampemba ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan'ny andro handrinao amin'ny ilanao, sivifolo sy telon-jato andro no hihinananao azy. 10 Roapolo sikla no lanjan'ny haninkohaninao amin'ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy. 11 Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina, asio elanelany ny fisotro azy. 12 Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason'izy ireo.
13 Dia hoy Iaveh tamiko: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Israely ny mofony voaloto, any amin'ny firenena handroahako azy. 14 Ka hoy aho: Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin'ny fahatanorako ka mandrak'ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena maloto. 15 Dia hoy izy tamiko: Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin'izany no hanendasanao ny mofonao. 16 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, indro hotapahako ny tehana mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan'izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano. 17 Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany.
Toko faha-5
1 Ary hianao, ry zanak'olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan'ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; rahefa izany, makà mizàna fandanjana, ka zarao izay voatapakao.2 Ny ampahatelony, dory amin'ny afo, eo afovoan'ny tanàna, rahefa tapitra ny andron'ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin'ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriany aho. 3 Ary hakao vitsivitsy izy, fonosy amin'ny sisin-dambanao; 4 ka io sisa io indray, analao, ka hatsipinao ao anaty afo, ka hodoranao amin'ny afo. Avy eo no hivoahan'ny afo ho amin'ny taranak'Israely rehetra. 5 Izao no lazain'ny Tompo, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan'ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.
6 Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy; satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny lalàko. 7 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Satria hianareo niodina mihoatra noho ny firenena manodidina anareo, tsy nandeha araka ny lalàko, tsy nanaraka ny didiko, ary tsy nanao araka ny fomba fanaon'ireo firenena manodidina anareo; 8 noho izany, izao no lazain'ny Tompo Tompo: Indro kosa aho izao tamy hamely anao, izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason'ireo firenena; 9 ary noho ny fahavetavetanao rehetra, dia zavatra tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko intsony koa, no hataoko aminao; 10 noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao aho, ary haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra, izay sisa eo aminao. 11 Koa amin'izany, velona aho - teny marin'ny Tompo Tompo; - noho hianao nandoto ny fitoerako masina tamin'ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo aho.
12 Ny ampahatelon'ny zanakao, ho fatin'ny pesta na ho levon'ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon'ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana. 13 Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po aho, ary izy kosa hahalala, rahefa nampanaraniko mamely azy ireo ny fahatezerako, fa tamin'ny fahasarota-piaroko no efa nitenenako izaho Iaveh. 14 Hatolotro halàm-baraka sy hampahorina any amin'ny firenena manodidina anao hianao, eo imason'ny mpandalo rehetra. 15 Rahefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan'ny fahavinirako, hianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an'ny firenena manodidina anao;