Bokin'i Ezekiela
Toko faha-5
16 - Izaho Iaveh no milaza - rahefa alefako amin'izy ireo ny zana-tsipìka mandozan'ny mosary, izay entim-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahako ny tehana mofo ho anareo. 17 Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo aho, izay hanesotra aminao ny zanako; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; izaho Iaveh no miteny.Toko faha-6
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Ry zanak'olona, atodiho mankany amin'ny tendrombohitr'Israely ny tavanao, ka maminania ny hamelezana azy. Lazao hoe: 3 Ry tendrombohitr'Israely, Mihainoa ny tenin'ny Tompo Tompo. Izao no lazain'ny Tompo Tompo amin'ny tendrombohitra aman-kavoana, sy amin'ny hadin-driaka aman-dohasaha: Indro aho hahatonga sabatra hamely anareo; ary ny fitoerana avonareo horavako.
4 ny otelinareo ho voarava, ny andrinareo ho an'ny masoandro, hotapahana; ny lehilahinareo hataoko mitsingidina, voan'ny fahafatesana, eo anoloan'ny sampinareo;
5 Ny fatin'ny zanak'Israely hataoko eo anoloan'ny sampiny. Ary ny taolanareo haeliko, manodidina ny otelinareo.
6 Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavana; mba ho rava sy lao koa ny otelinareo; ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an'ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.
7 Hiampatrampatra eo aminareo, ny maratra ho faty; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.
8 Havelako hisy sisa ihany anefa aminareo; dia izay afaka amin'ny sabatra, any amin'ny firenena, rahefa haely any amin'ny tany samihafa.
9 Ka ireo afaka ireo dia hahatsiaro ahy eny amin'ny firenena, izay hitondrako azy ho babo; nony efa notorotoroiko ny fony mpisintaka izay nivily niala tamiko, sy ny masony mpisintaka izay nitodika nankany amin'ny sampiny; ka haharikoriko azy ny tenany, noho ny ratsy nataony, tamin'ny fahavetavetana rehetra vitany.
10 Dia ho fantany fa Iaveh aho, ka tsy mba foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy aho.
11 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Mitehafa tànana hianao ary mitotoa tongotra, ka manaova hoe: Indrisy! amin'ny fahavetavetana ratsy rehetra, nataon'ny taranak'Israely, izay efa ho levon'ny sabatra, sy ny mosary ary ny pesta.
12 Ny lavitra ho fatin'ny pesta; ny akaiky ho lavon'ny sabatra; izay sisa tavela voatahiry, ho fatin'ny hanoanana; ka hampariko amin'izy ireo ny fahatezerako.
13 Dia ho fantatrareo fa Iaveh aho; rahefa hiampantrampatra eny afovoan'ny sampiny ny maty amin'izy ireo manodidina ny oteliny, eny amin'ny havoana avo rehetra, eny an-tampon-tendrombohitra rehetra; eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, eny ambanin'ny oaka be ravina rehetra, amin'ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra, tamin'ny sampiny rehetra.
14 Haninji-tànana hamely azy ireo, aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin'ny efitra ka hatrany Diblah, amin'izay rehetra onenany; dia ho fantany fa Iaveh aho.
Toko faha-7
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Ary hianao, ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Tompo, amin'ny tanin'Israely: Ny fiafarana! Tamy ny farany amin'ny vazan-tany efatra! 3 Ankehitriny tamy aminao ny farany; efa hampanarana ny hatezerako hamely anao aho; hitsara anao araka ny asanao; hampitambesatra ny fahavetavetanao rehetra aminao.
4 Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo aho, fa hatambesatro aminao ny asanao; ary ho eo afovoanao ny fahavetavetanao; dia ho fantatrao fa Iaveh aho.
5 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Loza safatsiroa! Loza! Injay izy tamy!
6 Injay tamy ny farany! Tonga ny farany! Mifoha hamely anao izy; injay izy tamy!
7 Tamy ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany tonga ny fotoana, akaiky ny andro ! Fitabatabana !...fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.
8 Ankehitriny aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra ny hatezerako aminao; hanala fo ny fahavinirako aminao; hitsara anao araka ny asanao aho, ary hampitambesatra aminao, ny fahavetavetanao rehetra.
9 Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo aho, hitambesatra aminao ny asanao; ho eo afovoanao ny fahavetavetanao. Dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh no mamely!
10 Indro ny andro, tamy izy; tonga ny anjaranao; mamony ny tsorakazo mivelatra ny avonavona;
11 mitsangana ny fanaovana an-keriny, mba ho tsorakazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana. Tsy hisy aminy ho voavela, na amin'ny hamaroany, na amin'ny fihahohahoany, tsy ho maresaka intsony.
12 Tonga ny fotoana, antomotra ny andro! Ny mpividy, aoka tsy hifaly; ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo, fa efa hipoahan'ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.
13 Ny mpivarotra tsy ho tonga tompon'izay efa lafony indray, na mbola ho isan'ny velona aza izy; fa ny fahitana an'izay hanjo ny ankamaroany rehetra, tsy mba ho foanana, ary tsy misy maharo ny ainy, na iray aza, amin'ny helony.
14 Velona ny trompetra, ary vonona ny zavatra rehetra; nefa tsy misy mandroso hiady ny olona, satria iharan'ny hatezerako avokoa ny ankamaroany.
15 Ny sabatra, eny ivelany; ny pesta sy mosary, ao anatiny; ny any an-tsaha, ho fatin'ny sabatra, ary ny eo an-tanàna, ho levon'ny mosary sy ny pesta.
16 Na misy ho afa-mandositra aza, amin'izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.
17 Samy miraviravy tànana daholo, ary samy mitsonika ny lohalika rehetra ho rano.
18 Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy; henatra no ho amin'ny tava rehetra, ary mibory ny loha rehetra.
19 Hariany eny an-dàlambe ny volafotsiny, hataony hoatra ny zezika ny volamenany; tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany, amin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo; tsy hamoky ny fanahiny amin'izany izy, na hameno ny kibony amin'izany akory, fa izany indrindra no nahalavo azy tamin'ny faharatsiana.
20 Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;
21 ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena, ho rembin'ny tsy tia fivavahana amin'ny tany; - ka holotoiny.
22 Haviliko tsy hijery azy ny tavako ka holotoin'olona ny rakitro, fa hidiran'ny olona mpanao an-keriny, ka holotoiny.
23 Omano ny gadra; fa feno heloka ny tany; ary feno fanaovana an-keriny ny tanàna.
24 Hasaiko avy ny ratsy fanahy indrindra amin'ny firenena, haka ny tranon'izy ireo, hampitsahatra ny avonavon'ny mahery; ary ny fitoerany masina dia ho voaloto.
25 Mby akaiky ny fandravana; hitady fiadanana izy ireo, fa tsy hisy izany.
26 Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin'ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin'ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin'ny loholona.
27 Ny mpanjaka, ho rafitra misaona; ny mpanapaka, hitafy falahelovana; ary ny tànan'ny vahoakan'ny tany hangovitra; fa hasiako araka ny asany izy; ary hotsaraiko araka ny tandrifin'azy, dia ho fantany fa Iaveh aho.
Toko faha-8
1 Tamin'ny taona fahenina, andro fahadimin'ny volana, volana fahenina, raha ilay nipetraka tao an-tranoko iny aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'i Jodà, dia nilatsaka tamiko ny tànan'ny Tompo Tompo.2 Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin'afo; ka ny hatramin'izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin'ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy. 3 Nisy tarehan-tànana natsotrany, dia noraisiny tamin'ny volon-dohako miolikolika aho, ka naingain'ny Fanahy ho eny anelanelan'ny tany aman-dranitra, sy nentiny, tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan'ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin'ny fialonana, mamelona fialonana. 4 Ary indro teo ny voninahitr'Andriamanitr'Israely; ary ny fijery azy dia tahaka ilay nahitako azy, tany amin'ny lohasaha. 5 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazo mianavaratra ny masonao. Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin'ny otely, eo amin'ny fidirana, nisy ilay sampin'ny fialonana io.
6 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va ny ataon'izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon'ny taranak'Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa hianao. 7 Dia nentiny ho eo am-bavahadin'ny kianja aho, ka nahatazana aho: ary indro nisy loaka anankiray teo amin'ny rindrina.