Bokin'i Ezekiela
Toko faha-8
8 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, gorobahy ny rindrina. Dia nogorobahako ny rindrina, ka indro nisy varavarana teo. 9 Ary hoy izy tamiko: Avia, jereo ireto fahavetavetana mahatsiravina ataony eto. 10 Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin'ny biby mandady amam-biby maloto isan-karazany, mbamin'ny fahavetavetan'ny taranak'Israely rehetra. 11 Ary nisy fitopolo lahy, amin'ny loholon'ny taranak'Israely, ka anisan'ireo Jezoniasa, zanak'i Safana, ary nitsangana teo anoloan'izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tànany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo. 12 Dia hoy izy tamiko: Hitanao va, ry zanak'olona, ity ataon'ny loholon'ny taranak'Israely ao amin'ny maizina, samy anatin'ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika Iaveh; efa nandao ny tany Iaveh. 13 Ary hoy koa izy tamiko: Mbola ho hitanao ny fahavetavetana lehibe hafa, ataon'izy ireo. 14 Dia nentiny aho, ho eo anoloan'ny vavahady, mitodika mianavaratra, amin'ny tranon'ny Tompo, ka indreo, ny vehivavy nipetraka teo, mitomany an'i Tammoza.15 Ary hoy izy tamiko: Efa hitanao va, ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana hafa lehibe noho izany hianao. 16 Tamin'izay, nentiny aho, ho ao amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny Tompo, ary indro fa teo amin'ny fidirana ho ao amin'ny tranon'ny Tompo ao anelanelan'ny alo-baravarana sy ny otely, nisy lehilahy sahabo ho dimy amby roapolo, niamboho ny tempolin'ny Tompo, nitodika niantsinanana teo anoloan'ny masoandro.
17 Ka hoy izy tamiko: Efa hitanao va, ry zanak'olona? Mbola tsy ampy ihany va ho an'ny taranak'i Jodà ny manao izao fahavetavetana ataony eto izao, no mbola fenoiny fampahoriana koa ny tany; ka hiverenany hatao lalandava izay hampahatezitra ahy? Indro izy ireo manainga ny rantsan-kazo ho eo amin'ny orony. 18 Ary izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra foa aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.
Toko faha-9
1 Dia niantso mafy teo an-tsofiko izy nanao hoe: Manatòna hianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tànany avy.2 Ka indreo, avy tamin'ny làlan'ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tànany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan'izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan'ny mpanoratra, teo amin'ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan'ny otely varahana. 3 Ary ny voninahitry ny Andriamanitr'Israely, niakatra avy teo ambonin'ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran'ny trano. Ary Iaveh niantso an'ilay lehilahy nitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin'ny fehinkibony,
4 ka hoy Iaveh taminy hoe: Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an'i Jerosalema, ka asio marika Thau ny handrin'ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao. 5 Dia hoy koa izy tamin'iretsy sasany, teo an-tsofiko: Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, hianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo hianareo. 6 Na antidahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Thau ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin'ny fitoerako masina, manomboka. Dia manomboka tamin'ny antidahy teo anoloan'ny trano izy ireo. 7 Ary hoy izy taminy: Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha hianareo! Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo. 8 Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin'Israely, amin'izao ampidinanao ny hatezeranao amin'i Jerosalema izao? 9 Ary hoy izy tamiko: Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak'Israely sy Jodà. Feno ran'olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna; fa hoy izy ireo: Afoin'ny Tompo ny tany; tsy mahita na inona na inona Iaveh. 10 Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo aho; hatsingeriko amin'ny lohany, izay nataony. 11 Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin'ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: Vitako izay nandidinao ahy.
Toko faha-10
1 Ary nahita aho, ka indro teo ambonin'ilay andohalambo, tambonin'ireo lohan'ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin'ireo.2 Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: Mandehana ho ao anelanelan'ny kodiarana, ambanin'ny Kerobima; fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny Kerobima ny tànan-droanao, ka afafazo amin'ny tànana izany. Dia nankao izy teo imasoko. 3 Nijanona teo an-kavanan'ny trano ny Kerobima, raha nankao ilay lehilahy, ka nahafeno ny kianja anatiny ny rahona.
4 Ary ny voninahitry ny Tompo nisondrotra niala teo amin'ny Kerobima nankeo amin'ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan'ny voninahitry ny Tompo ny kianja. 5 Re hatrany amin'ny kianja ivelany, ny fikopakopaky ny elatry ny Kerobima hoatra ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny izy. 6 Nony nandidy an-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika izy, nanao hoe: Makà afo ao anelanelan'ny kodiarana, anelanelan'ny Kerobima, dia nandroso ho eo anilan'ny kodiarana izy. 7 Ary ny Kerobima naninjitra ny tànany eo anelanelan'ny Kerobima ho ao amin'ny afo izay eo anelanelan'ny Kerobima, dia nalainy ka nataony teo an-tanan-dralehilahy mitafy rogony fotsy madinika, izay nandray izany, dia nivoaka. 8 Fa nisy endri-tànan'olona, hita teo ambany elatr'ireo Kerobima.
9 Ary nahita aho, ka indreo, nisy kodiarana efatra, teo anilan'ireo Kerobima, kodiarana iray avy no teo anilan'ny isan-Kerobima; ary ny endriky ny kodiarana dia toy ny an'ny vaton'i Tarsisa.
10 Ary araka ny fijery azy ireo, dia sahala izy efatra; dia hoatra ny kodiarana itsofohan'ny kodiarana eo afovoany. 11 Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin'ny lafiny efatra, tsy miherika eny am-pandehanany, fa izay fitoerana itodihan'ny lohany no alehany, tsy miherika eny am-pandehanany. 12 Ary feno maso avokoa ny manodidina ny tenan'ny Kerobima, ny lamosiny, ny tànany, ny elany, mbamin'ny kodiarana; samy nanana ny kodiarany avy izy efatra. 13 Ny kodiarana dia mailaka no anarana fiantsoana azy. 14 Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin'ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin'ny faharoa, tarehin'olona; ny an'ny fahatelo, tarehin'ombalahy; ary ny an'ny fahefatra, tarehim-boromahery. 15 Dia niakatra ny Kerobima, dia izany no ilay zava-manan'aina hitako tany amin'ny ony Kobara. 16 Raha nandeha ny Kerobima, nandeha teo anilany koa ny kodiarana, ary raha nanainga elatra hisondrotra avy amin'ny tany ny Kerobima, dia tsy nivily koa ireo kodiarana; tsy niala teo anilan'ireo. 17 Raha nijanona izy, nijanona koa ireo; raha nisondrotra izy, niara-nisondrotra taminy koa ireo; satria tao amin'izy ireo ny Fanahin'ny zava-manan'aina. 18 Niala teo ambonin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ny voninahitry ny Tompo, dia nijanona teo ambonin'ny Kerobima.
19 Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin'ny tany teo imasoko, ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana. Nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'ny Tompo izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitr'Israely dia teo aminy, teo amboniny. 20 Izany no ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitr'Israely, teo amin'ny ony Kobara; ary nahalala aho fa Kerobima izany.
21 Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy; ary nisy endri-tanan'olona, teo ambany elany. 22 Ary ny amin'ny fijery ny tavany dia ireo tava hitako teo amoron'ny ony Kobara ihany; sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany. Samy nandeha tamin'izay hitsiny avy izy.
Toko faha-11
1 Naingain'ny Fanahy aho dia nentiny nankeo ambavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinana amin'ny tranon'ny Tompo; ka indro, teo anoloan'ny vavahady nisy olona dimy amby roapolo lahy; ary hitako teo amin'izy ireo, Jezoniasa, zanak'i Azora sy Feltiasa, zanak'i Banaiasa, lehiben'ny vahoaka.2 Dia hoy Iaveh tamiko: Ry zanak'olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin'ity tanàna ity, manao hoe: 3 Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena. 4 Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak'olona. 5 Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin'ny Tompo; ka hoy izy tamiko: Mitenena hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Izany no teneninareo, ry taranak'Israely! Fantatro ny mby ao an-tsainareo.
6 Nohamaroinareo ny vonoan'olona tamin'ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny làlambeny.