Bokin'i Ezekiela

Toko faha-11

7 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan'ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa hianareo kosa havoaka hiala eto. 8 Mataho-tsabatra hianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, - teny marin'ny Tompo Tompo. 9 Havoakako hiala eto an-tanàna hianareo, ka hatolotro eo an-tànan'ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsarako aho. 10 Ho lavon-tsabatra hianareo, ary hotsaraiko any amin'ny sisin-tanin'Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. 11 Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; hianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin'Israely no hitsarako anareo. 12 Ka ho fantatrareo fa izaho no Iaveh izay tsy narahanareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo. 13 Mbola naminany teo aho, dia maty Feltiasa, zanak'i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina taminy feo avo nanao hoe: Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin'Israely.

14 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

15 Ry zanak'olona, ireo rahalahinao, ireo rahalahinao, olona anisan'ny fianakavianao, sy ny taranak'Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan'ny mponina ao Jerosalema hoe: Mijanòna any lavitra an'ny Tompo hianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana. 16 Koa lazao amin'ireto hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin'ny firenena ireny; naeliko any amin'ny tany hafa izy; nefa izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin'ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy. 17 Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Hangoniko avy any amin'ny firenena hianareo; hovoriko avy any amin'ny tany nampielezana anareo hianareo; ary homeko anareo ny tanin'Israely. 18 Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra. 19 Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy; 20 mba hizorany amin'ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary izaho, ho Andriamaniny. 21 Fa ry zareo manana ny fon-tsampiny vetaveta kosa, dia hatsingeriko amin'ny lohany, izay nataony, - teny marin'ny Tompo Tompo. 22 Tamin'izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr'Israely dia teo ambonin'izy ireo.

23 Ary nisondrotra avy teo ambonin'ny afovoan-tanàna, ny voninahitry ny Tompo, ka nijanona teo an-tampon'ilay tendrombohitra eo atsinanan'ny tanàna. 24 Ary naingain'ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin'ireo babo any Kaldea, tamin'ny fahitana, tamin'ny fanahin'Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;

25 ary notantaraiko tamin'ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan'ny Tompo ahy.

Toko faha-12

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, manao hoe:

2 Ry zanak'olona, hianao monina eto amin'ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo. 3 Koa mifeheza entana hianao, ry zanak'olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason'izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin'izay itoeranao, ho any amin'ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin'izany, fa taranaka miodina izy. 4 Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan'ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony, hianao, hoatra ny fiaingan'ny olona mifindra tany honenana. 5 Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao; 6 ataovy an-tsoroka eo imasony izany dia ento rahefa ilay maizimaizina iny; sarony ny tavanao, ataovy amin'izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an'ny taranak'Israely hianao. 7 Dia nataoko izay, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan'ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin'ny tànako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rahefa ilay maizimaizina iny dia nolanjaiko teo imason'izy ireo. 8 Nony maraina, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

9 Ry zanak'olona, moa ny taranak'Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: Inona ity ataonao? Lazao aminy hoe: 10 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ity teny faminaniana ity, dia ho an'ny andriana ao Jerosalema, mbamin'ny taranak'Israely rehetra, ao amin'izany tanàna izany.

11 Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho; tahaka izay nataoko, no hatao amin'izy ireo; hasesi-tany izy, ho any amin'ny fahababoana.

12 Ny andriana eo aminy, hanao an-tsoroka ny entany, rahefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga; hogorobahan'ny olona ny manda, hamoahana azy; hosaronany ny tavany, ka tsy hahita maso ny tany izy.

13 Hamela-pandrika harato aminy aho, ka ho voan'ny fandrika izy; hoentiko any Babilona izy, any amin'ny tanin'ny Kaldeana; nefa tsy hahita izany izy, ary ho faty any.

14 Izay rehetra manotrona azy, ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra, dia haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra, sady henjehiko amin'ny sabatra voatsoaka.

15 Dia ho fantany fa Iaveh aho, rahefa naeliko any amin'ny firenena izy, sy nahahako any amin'ny tany hafa.

16 Hisy olona vitsivitsy amin'izy ireo anefa, havelako, ho afaka amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, mba hitantara ny fahavetavetana nataony, any amin'ny firenena halehany any, dia ho fantany fa Iaveh aho.

17 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

18 Ry zanak'olona, hihinana amin-korohoro ny haninao hianao, ary hisotro amin-tebiteby sy amin'ahiahy ny ranonao.

19 Ary hilaza amin'ny vahoakan'ny tany hianao hanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ny amin'ny tanin'Israely: Amin'ahiahy no hihinanan'izy ireo ny haniny, ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony, fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin'ny tany, noho ny fampahoriana afitsok'izay rehetra monina eo aminy.

20 Ny tanàna nonenana ho lao; ny tany, ho foana; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

21 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

22 Ry zanak'olona, inona ity fitenenana ataonareo fiteny eo amin'ny tanin'Israely hoe: Mihalava ny andro; tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra?

23 Koa lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hotononina eo amin'Israely intsony izany. Fa izao kosa no lazao amin'izy ireo: Antomotra ny fotoana; mbamin'ny fahatanterahan'ny tenin'ny fahitana rehetra.

24 Fa tsy hisy intsony ny fahitana fitaka, na ny faminaniana sandoka, eo amin'ny taranak'Israely.

25 Fa izaho Iaveh, hiteny, ary ny teny holazaiko, ho tanteraka; tsy hanaovana ampitso lava. Eny, amin'izao andronareo izao, ry taranaka miodina, no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy. - Teny marin'ny Tompo Iaveh.

26 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

27 Ry zanak'olona, indro ny taranak'Israely manao hoe: Ny fahitana izay hitan'ilay io mbola ho amin'ny andro lavitra, ary ho amin'ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.

28 Koa lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko; fa efa ho tanteraka ny teny ataoko. - Teny marin'ny Tompo Iaveh.

Toko faha-13

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, maminania mamely an'ireo mpaminanin'Israely izay maminany; ka lazao amin'ireo izay maminany, avy amin'ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo:

3 Izao no tenin'ny Tompo Tompo: Loza ho an'ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2003