Ny Jenezy

Toko faha-8

17 Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin'ny tany: aoka hiely amin'ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin'ny tany. 18 Dia nivoaka Noe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny. 19 Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin'ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin'ny tany izao, samy araka ny karazany avy. 20 Ary Noe dia nanorina otely ho an'ny Tompo, ka naka tamin'ny biby madio rehetra mbamin'ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony otely.

21 Dia nandre hanitra mahafinaritra Iaveh ka Iaveh nanao anakampo hoe: Tsy hanozona intsony ny tany aho noho ny olona; fa ratsy hatramin'ny fahatanorany ny fisainan'ny fon'ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manan'aina rehetra toy izay nataoko izay intsony aho. 22 Amin'izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.

Toko faha-9

1 Dia nitso-drano an'i Noe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.

2 Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin'ny tany rehetra, ny vorona eny amin'ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin'ny tany, mbamin'ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tànanareo ireny. 3 Ho fihinana ho anareo avokoa rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso. 4 Kanefa ny nofo aza haninareo miaraka amin'ny aina, izany hoe ny rany. 5 Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tànan'olombelona, ny tànan'olombelona izay mpirahalahy no hampamoahiko ny ain'ny olombelona. 6 Ka na zovy na zovy handatsaka ran'olona, dia mba halatsak'olona koa ny rany, satria nataon'Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona. 7 Ka dia miteraha maro hianareo, mihabetsaha hianareo, mieleza eran'ny tany, ka mihabetsaha eny. 8 Hoy koa Andriamanitra tamin'i Noe sy ny zanany niaraka taminy:

9 Ary izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin'ny taranaka mandimby anareo, 10 amin'ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin'ny tany rehetra, hatramin'izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin'ny biby rehetra ambonin'ny tany. 11 Manao fanekem-pihavanana aminareo aho: tsy hisy levon'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony. 12 Dia hoy Andriamanitra: Ity no famantaran'ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin'ny taranaka ho avy rehetra: 13 Nataoko eo amin'ny rahona ny avako, ka ho tonga famantaran'ny fanekena amiko sy amin'ny tany. 14 Ka rahefa hampiangona rahona ambonin'ny tany aho, dia hiseho eo amin'ny rahona ny avana. 15 Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin'ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony. 16 Ho eo amin'ny rahona ny avana, ka ny fijerena azy dia hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay amin'Andriamanitra sy amin'ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ambonin'ny tany. 17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noe: Inona àry no famantaran'ny fanekena naoriko amiko sy amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 18 Ny zanak'i Noe nivoaka tao an-tsambo fiara dia Sema sy Kama ary Jafeta; ary Kama no rain'i Kanaana.

19 Izy telo lahy ireo no zanak'i Noe, ary avy amin'izy ireo ny olo-monina amin'ny tany rehetra. 20 Mpiasa tany Noe, ka nanomboka namboly voaloboka izy.

21 Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy. 22 Nahita ny fitanjahan-drainy Kama, rain'i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin'izy roa lahy rahalahiny. 23 Fa noraisin'i Sema sy Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin'ny sorony, dia nanao dia mianotra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. 24 Niamboho ny tavan'izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin'ny hamamoany Noe dia nahare izay nataon-janany farahaly taminy, 25 ka hoy izy: Ho voaozona anie Kanaana, Ho andevon'ny andevo izy, amin'ny rahalahiny. 26 Hoy indray izy: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'i Sema, Ary aoka ho andevony Kanaana.

27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta. Aoka izy honina ao an-dain'i Sema. Ary aoka ho andevony Kanaana. 28 Mbola velona dimam-polo sy telon-jato taona Noe taorian'ny safo-drano.

29 Ary dimam-polo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan'i Noe, dia maty izy.

Toko faha-10

1 Izao no taranak'i Sema sy Kama ary Jafeta, zanak'i Noe. Nitera-dahy izy ireo taorian'ny safo-drano.

2 Zanak'i Jafeta: Gomera, Magoga, Maday, Javàna, Tobala, Mosòka, ary Tirasa.

3 Zanak'i Gomera: Aseneza, Rifata, ary Togorma. 4 Zanak'i Javàna: Elisà sy Tarsisa ary Setima sy Dodanima. 5 Avy tamin'ireo no ihavian'ny vahoaka miely amin'ny nosim-pirenena any amin'ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy. 6 Zanak'i Kama: Kosy, Mesraima, Fota, ary Kanaana.

7 Zanak'i Kosy: Sabà, Hevilà, Sabatà, Regmà ary Sabatakà. Zanak'i Regma: Sabà sy Dadàna. 8 Kosy niteraka an'i Nemroda, izay voalohan'olona manam-pahefana tamin'ny tany. 9 Mpihaza mahery teo anatrehan'ny Tompo izy, ka izany no anaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nemroda mpihaza mahery eo anatrehan'ny Tompo. 10 Ny niandohan'ny fanjakany dia Babela, Aràka, Akada, ary Kalane any amin'ny tany Senaara. 11 Avy ao amin'io tany io izy dia nankany Asora, ka nanorina an'i Niniva, Rekobota-Ira, Kale, 12 ary Resena anelanelan'i Niniva sy Kale; io no ilay tanàna lehibe. 13 Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftoima, 14 ny Fetrosima, ny Kasloima, izay ihavian'ny Filistina ary ny Faftorima. 15 Kanaana niteraka an'i Sidòna lahimatoany, sy Heta;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1495