Ny Jenezy

Toko faha-10

16 ary koa ny Jeboseana, ny Amoreana, ny Jerijeseana, 17 ny Heveana, ny Araseana, ny Sineana, 18 ny Aradiana, ny Semareana, ary ny Amateana. Ary nony taty aoriana niely ny fokon'ny Kananeana. 19 Ka ny faritanin'ny Kananeana tafapaka hatrany Sidòna amin'ny tandrifin'ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin'ny tandrifin'i Sodoma, Gomora, Adama ary Seoima, dia hatrany Lesà. 20 Ireo no taranak'i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin'ny taniny sy any amin'ny fireneny avy. 21 Dia nitera-dahy koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra, sy zokin'i Jafeta.

22 Zanak'i Sema: Elama, Asora, Arfaksada, Loda, ary Arama. 23 Zanak'i Arama: Osa, Hola, Getera, ary Mesa. 24 Arfaksada niteraka an'i Sale, ary Sale niteraka an'i Ebera. 25 Roa lahy no zanak'i Ebera, ka Falega no anaran'ny anankiray, fa tamin'ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran'ny rahalahiny. 26 Jektàna niteraka an'i Elmodada, Salefa, Asarmota, Jare, 27 Adorama, Ozala, Deklà, 28 Ebala, Amimaèla, Sabà, 29 Ofira, Hevilà, ary Jobaba. 30 Izy rehetra ireo dia zanak'i Jektàna. Ny tany nonenan'izy ireo dia ny tendrombohitra atsinanana hatrany Mesà manitsy an'i Sefara. 31 Ireo no taranak'i Sema, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny, any amin'ny taniny avy, araka ny fireneny avy. 32 Ireo no fianakavian'ny zanak'i Noe, araka ny taranany, any amin'ny fireneny avy. Avy amin'ireo ny firenena niely teto ambonin'ny tany, aorian'ny safo-drano.

Toko faha-11

1 Iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra.

2 Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin'ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo. 3 Dia nifampilaza izy nanao hoe: Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin'ny afo. Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra. 4 Hoy koa izy: Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin'ny tany rehetra isika. 5 Fa nidina kosa Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon'ny zanak'olombelona. 6 Dia hoy Iaveh: Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan'izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan'izay tiany hatao; amin'izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao. 7 Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy. 8 Dia napariak'Iaveh avy eo izy ireo ho any ambonin'ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony. 9 Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan'ny Tompo ny fitenin'ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan'ny Tompo azy ireo ho any ambonin'ny tany rehetra. 10 Izao no tantaran'i Sema: Efa zato taona Sema, vao niteraka an'i Arfaksada, roa taona taorian'ny safo-drano.

11 Mbola velona diman-jato taona Sema taorian'ny niterahany an'i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 12 Rahefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arfaksada, dia niteraka an'i Sale izy. 13 Ary mbola velona telo amby efa-jato taona Arfaksada, taorian'ny niterahany an'i Sale, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 14 Rahefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sale dia niteraka an'i Ebera izy. 15 Ary mbola velona telo amby efa-jato taona Sale taorian'ny niterahany an'i Ebera, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 16 Rahefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera dia niteraka an'i Falega izy. 17 Ary mbola velona telo-polo sy efa-jato taona Ebera, taorian'ny niterahany an'i Falega, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 18 Rahefa telo-polo taona ny andro niainan'i Falega dia niteraka an'i Reo izy. 19 Ary mbola velona sivy amby roan-jato taona Falega taorian'ny niterahany an-dReo, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

20 Rahefa roa amby telo-polo taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Saroga izy. 21 Ary mbola velona fito sy roan-jato taona Reo, taorian'ny niterahany an'i Saroga, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 22 Rahefa telo-polo taona ny andro niainan'i Saroga dia niteraka an'i Nakora izy. 23 Ary mbola velona roan-jato taona Saroga, taorian'ny niterahany an'i Nakora, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 24 Rahefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nakora, dia niteraka an'i Tare izy. 25 Ary mbola velona sivy ambin'ny folo amby zato taona Nakora taorian'ny niterahany an'i Tare, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 26 Rahefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tare, dia niteraka an'i Abrama sy Nakora ary Aràna izy. 27 Izao no tantaran'i Tare: Tare niteraka an'i Abrama sy Nakora ary Aràna. Aràna niteraka an'i Lota.

28 Ary Aràna maty teo anatrehan'i Tare rainy, tany amin'ny tany nahaterahany, any Ora any Kaldea. 29 Abrama sy Nakora samy naka vady avy; ka ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray, ary ny anaran'ny vadin'i Nakora dia Meldà, zanak'i Aràna, rain'i Melkà sy rain'i Jeskà. 30 Ary Saray dia momba; tsy niteraka izy. 31 Ary nentin'i Tare Abrama zanany mbamin'i Lota zafiny, zanak'i Aràna, ary Saray, vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin'ny Kaldeana, mba ho any amin'ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.

32 Dimy amby roan-jato taona no andro niainan'i Tare, dia maty tao Haràna izy.

Toko faha-12

1 Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Mialà amin'ny taninao sy amin'ny fianakavianao ary amin'ny tranon-drainao mba ho any amin'ny tany hasehoko anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2521