Bokin'i Ezekiela

Toko faha-16

50 Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy. 51 Samaria koa, tsy nahavita antsasaky ny fahotanao akory, fa nampitombo ny fahotanao mihoatra ny azy hianao; ka nanamarina ny rahavavinao hianao, tamin'ny fahavetavetanao rehetra. 52 Aoka hianao koa hitondra ny hanatrao, izay nailikao tamin'ny rahavavinao, noho ny fahotanao izay nampitomboanao ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, fa marina noho hianao izy. Aoka ho safo-kenatra sy hitondra latsa koa hianao, fa efa nanamarina ny rahavavinao. 53 Hampodiko ny lasan-ko babo tamin'izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin'i Sodoma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin'i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anao lasan-ko babo koa eo amin'ny azy,

54 mba hitondranao ny hanatrao, sy hampangaihay anao noho ny nataonao rehetra hampionona azy. 55 Sodoma rahavavinao sy ny zanany vavy, hody amin'ny toetrany taloha; Samaria sy ny zanany vavy, hody amin'ny toetrany taloha; hianao sy ireo zanakao vavy koa, hody amin'ny toetranareo taloha. 56 Sodoma, rahavavinao tsy mba notononin'ny vavanao akory, tamin'ny andro niavonavonanao, 57 fony mbola tsy naharihary ny haratsianao; toy ny fony hianao nolatsain'ny zanakavavin'i Siria mbamin'ny manodidina rehetra, sy novingavingain'ny zanakavavin'ny Filistina nanodidina anao. 58 Efa nitondra ny valin'ny heloka amam-pahavetavetanao hianao - teny marin'ny Tompo. 59 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, hianao ilay nanatsinontsinona ny fianiananao, tamin'ny nivadihanao ny fanekena.

60 Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andron'ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao. 61 Hahatsiaro ny fitondran-tenanao hianao ka ho menatra, raha avy izay handraisanao ireo rahavavinao, na ny lehibe noho hianao na ny kely noho hianao, sy hanomezako an'ireo ho zanakao vavy, fa tsy noho ny fanekena taminao akory anefa. 62 Hanorina ny fanekena aminao aho, ka ho fantatrao fa Iaveh aho, 63 mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra hianao, rahefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

Toko faha-17

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Israely; milazà hoe:

3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tonga tao Libàna ny voromahery lehibe, manana elatra lehibe, ka malalaka be ny fivelatry ny elany, ary rakotra volo samihafa soratra izy, ka nalainy ny tendron'ny sedera.

4 Notsoahany ny rantsany avo indrindra, nentiny ho any amin'ny tany Kanaana anankiray, nataony tao an-tanànan'ny mpandranto anankiray. 5 Rahefa izany dia nangalany koa ny zava-maniry tamin'ny tany nataony teo amin'ny tany lonaka, nataony teo amoron'ny rano be, namboleny toy ny famboly hazomalahelo. 6 Naniry io, tonga foto-boaloboka nisandrahaka, ivaiva ihany, nitodika nankany amin'ilay voromahery ny rantsany, ary tao ambaniny koa ny fakany; tonga voaloboka izy, ka sady nanaroka no nandrantsana. 7 Nisy voromahery makadiry hafa koa, sady be elatra no matevim-bolo; ary indro fa ity voaloboka dia maimay handefa ny fakany mankany aminy, ary nanatsotra ny rantsany mankany aminy, avy eo amin'ny kisahasaha nambolena azy, mba hotondrahany.

8 Ny nambolena azy dia teo amin'ny tany tsara, amoron'ny rano be, mba handravina sy hamoa izy, ary ho tonga voaloboka tsara indrindra. 9 Lazao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ka hahintsana koa ny voany, mba hahamaina azy? Halazo ny raviny tanora rehetra nitsimoka taminy. Tsy ilàna sandry mahery na olona maro akory ny hamongotra azy amin'ny fakany. 10 Efa voavoly izy, fa moa ho vanona va? Tsy halazo va izy, raha vao tsofin'ny rivotra avy atsinanana? Halazo eo amin'ny kisahasaha naniriany izy. 11 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Lazao amin'ny taranaka miodina hoe:

12 Tsy fantatreo va ny hevitr'izany? Lazao hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babilona, ka naka ny mpanjakany amam-panapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babilona. 13 Rahefa izany dia naka ny anankiray tamin'ny taranak'andriana izy, ka nanao fanekena taminy sy nampianiana azy. 14 Ny lehilahy mahery amin'ny tany dia efa nalainy hietren'ny fanjakana, tsy ho afa-miarina, ary hitana ny fanekeny mba haharitra. 15 Niodina tamin'io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va, izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve! 16 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: dia any amin'ny tanànan'ilay mpanjaka nampanjaka azy nanamavoany ny fihavanany, nivadihany fanekena, any amin'io any Babilona no hahafatesany. 17 Ary rahefa avy ny ady, ka hanandratana tovon-tany sy hanorenana manda handringanana olona maro dia tsy hiasa hanampy azy amin'ny tafika lehibe sy vahoaka maro Faraona. 18 Nanamavo ny fianianana izy, tamin'ny nivadihany ny fanekena, nefa efa nanolo-tànana; efa nanao izany rehetra izany izy, ka tsy ho afa-mandositra. 19 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Velona aho, dia ny fianianana tamiko no nohamavoiny ary ny fanekeko no nivadihany, ka hantsingeriko eo an-dohany izany.

20 Hovelariko eo amboniny ny fandrika haratoko, ka ho voa ao amin'ny haratoko izy; hoentiko any Babilona izy, ka hotsaraiko any, noho ny nivadihany fitokiana tamiko. 21 Ny mpandositra rehetra tamin'ny miaramilany rehetra ho lavon'ny sabatra; ary ny sisa kosa, haely amin'ny vazan-tany rehetra; dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh no niteny. 22 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron'ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin'ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina.

23 Eo amin'ny tendrombohitra avon'Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan'izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny, honenan'ny vorona rehetra eo amin'ny alokaloky ny rantsany. 24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh, no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.

Toko faha-18

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Ahoana ange no anontononanareo ohabolana ity, ny amin'ny tanin'Israely ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify!

3 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin'Israely. 4 Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin'ny ray, na ny fanahin'ny zanaka, samy ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty. 5 Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,

6 tsy mihinana eny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso amin'izay sampin-dozan'ny taranak'Israely, tsy manala baraka ny vadin'ny namany, tsy mandeha amin'ny vehivavy izay mbola ao anatin'ny fahalotoany, 7 tsy mampahory olona, mamerina amin'ny mpitrosa ny nataony antoka, tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka, 8 tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tànany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy, 9 ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalako ka tsy mivadika amin'izany, dia olo-marina io ka ho velona izy, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 10 Fa izany olona izany miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra, ka manao amin'ny rahalahiny ny iray amin'ireo zavatra ireo,

11 - fa ny tenany kosa tsy nanao ireo zavatra ireo, - mihinana eny an-tendrombohitra, manala baraka ny vadin'ny namany, 12 mampahory ny mahantra sy ny malahelo, manao halatra, tsy mamerina ny natao antoka, manandra-maso amin'ny sampy, manao fahavetavetana,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1542