Bokin'i Ezekiela

Toko faha-18

13 manao zana-bola be loatra, maka zana-bola, ka dia ho velona va io?... Tsy ho velona izy; efa nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy, tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany. 14 Fa indro kosa, misy lehilahy anankiray niteraka zazalahy anankiray, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy; nahita izany izy nefa tsy mba nanao zavatra toy izany akory.

15 Tsy nihinana teny an-tendrombohitra, tsy nanandra-maso tamin'ny sampin-dozan'ny taranak'Israely, tsy nanala baraka ny vadin'ny namany, 16 tsy nampahory olona, tsy naka antoka, tsy nanao halatra fa nanome hanina ho an'ny noana, nanafy lamba ny mitanjaka; 17 tsy nanao zanabola be loatra na naka zana-bola; nitandrina ny lalàko izy ary nanaraka ny didiko; tsy ho faty noh ny rainy izy fa ho velona tokoa. 18 Ny rainy izay nanao an-keriny matatika loatra, nandroba ny rahalahiny, sy nanao izay ratsy eo afovoan'ny fireneny, io izy io dia ho faty noho ny helony. 19 Ary hianareo kosa manao hoe: Nahoana ny zanaka no tsy mba mitondra ny heloky ny rainy? Nefa ny zanaka nanaraka ny hitsiny sy ny rariny, nitandrina ny didiko sy nanatanteraka azy, ka ho velona tokoa izy. 20 Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian'ny ratsy dia ho aminy ihany. 21 Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin'ny fahotana rehetra nataony ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny, ho velona izy, fa tsy ho faty.

22 Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina. 23 Moa ny hahafatesan'ny ratsy fanahy ve no sitrako, - teny marin'ny Tompo Iaveh, fa tsy ny hialany amin'ny helony rehetra ka ho velona izy? 24 Ary raha miala amin'ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon'ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy ho tsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahany; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.

25 Hianareo manao hoe: Tsy marina ny làlan'ny Tompo! Mihainoa àry, ry taranak'Israely: Moa ny làlako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny làlanareo va no tsy mahitsy?

26 Raha miala amin'ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin'izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. 27 Fa raha miala amin'ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. 28 Raha sokafany ny masony, ka miala amin'ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. 29 Lazain'ny taranak'Israely anefa fa tsy marina ny lalan'ny Tompo! Moa ny lalako va no tsy mahitsy, ry taranak'Israely? Moa tsy ny làlanareo no tsy mahitsy? 30 Koa hotsaraiko araky ny làlanareo avy hianareo, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo Iaveh. Miverena ka mibebaha amin'ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.

31 Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty hianareo, ry taranak'Israely. 32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, - teny marin'ny Tompo Iaveh; koa mibebaha hianareo ka aoka ho velona.

Toko faha-19

1 Ary hianao, manaova fitomaniana an'ireo mpanapaka an'Israely, ka ataovy hoe:

2 nahoana ity reninao, no nandry toy ny liom-bavy, eo amin'ireo lion-dahy? Eo afovoan'ireo liona tanora dia namelona ny zanany izy.

3 Nobeaziny ny iray amin'ireo zanany, ka tonga liona tanora; nianatra hamiravira ny hazany io; dia nihinana olona.

4 Nandre ny lazany ireo firenena, ka voasambotra tao an-davany izy. Nitondra azy rahefa nasiany faraingo ny vavany, ho any amin'ny tany Ejipta.

5 Hitan'ity liom-bavy fa miandry foana izy fa very ny fanantenany, dia naka iray hafa tamin'ireo zanany indray izy, ka nataony tonga liona io.

6 Nandeha teo amin'ireo liona io, ka tonga liona tanora. Nianatra hamiravira ny hazany izy, dia nihinana olona.

7 Nahalala ny mpitondra tena eo aminy izy, nandrava ny tanànany; nivadi-po ny tany mbamin'izay rehetra teo aminy, noho ny fitreron'ny fierony.

8 Tamin'izany ny firenena amin'ny tany manodidina nanainga hamely azy sy namela-pandrika harato teo amboniny, dia azony tao an-davany izy,

9 ka nalatsany amin'ny fonja, nasiany faraingo ny vavany, nentiny ho amin'ny mpanjakan'i Babilona, nentiny ho any amin'ny trano mimanda, mba tsy handrenesana ny feony intsony, eny an-tendrombohitr'Israely.

10 Toy ny voaloboka ny reninao tamin'ny andro nanambinana anao, voavoly teo amoron-drano izy, namoa sady nandravina, noho ny habetsahan'ny rano.

11 Nanan-drantsana mafy izy, hatao tehin'ny mpanapaka, ary nisondrotra ho avo izy eo afovoan'ny sampana milobolobo; ka niseho tamim-boninahitra izy, mbamin'ireo rantsany maro.

12 Kanjo, nongotana tamin-katezerana ka nazera amin'ny tany, ary ny rivotra avy atsinanana nanamaina ny voany: voafolaka ka nihamaina ny rantsany mafy, dia levon'ny afo izy.

13 Ary ankehitriny, indro izy nambolena any an'efitra, amin'ny tany maina sy karankaina.

14 Nisy afo nivoaka avy amin'ny sampany anankiray, ka nandevona ny voany; tsy manan-tsampana mahery intsony izy, na tehina fanapahany. Fitomaniana izany, sady ho tonga fitomaniana.

Toko faha-20

1 Tamin'ny taona fahafito, volana fahadimy, andro fahafolon'ny volana, tonga tao amiko, mba hanontany amin'ny Tompo, ny sasany amin'ny loholon'Israely, ka nipetraka teo anatrehako;

2 dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: 3 Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'Israely ireo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hanontany amiko va no nahatongavanareo? Velona aho, ka tsy hety hanontanianareo - teny marin'ny Tompo Iaveh.

4 Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak'olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan'ny razany; 5 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tamin'ny andro nifidianako an'Israely sy nananganako tanana homba ny taranak'i Jakoba, sy nanaovako izay hahalalany ahy tany amin'ny tany Ejipta, ary nananganako tànana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; 6 tamin'izany andro izany, nanangan-tànana homba azy ireo aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, ho any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin'ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo. 7 Ary hoy aho tamin'izy ireo: Samia hianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin'ny fahavetavetan'i Ejipta; Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 8 Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin'ny fahavetavetan'i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin'izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin'ny tany Ejipta. 9 Nefa nanao ny ataoko aho, noho ny anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason'ireo firenena nitoerany; sady teo imason'ireo koa no nanaovako izay hahafantarany ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta. 10 Nentiko nivoaka ny tany Ejipta izy, ary notarihiko ho any an'efitra.

11 Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman'ny olona manaraka azy. 12 Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin'izy ireo, mba hahalalany fa izaho no Iaveh manamasina azy. 13 Nivadika tamiko anefa ny taranak'Israely, tany an'efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman'ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. 14 Nefa nanao ny ataoko aho noho ny anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason'ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta. 15 Efa nanainga ny tanako hamely azy aho tany an'efitra, nianiana tamin'izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely, efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin'ny tany rehetra, - 16 noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1668