Bokin'i Ezekiela
Toko faha-20
17 Nefa niantra tsy te-handringana azy ny masoko,ka dia tsy nolevoniko tany an'efitra izy ireo. 18 Hoy aho tamin'ny zanak'izy ireo tany an'efitra: Aoka hianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin'ny sampin-dozany.19 Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo: araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ka tanteraho; 20 ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 21 Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahany, tsy notandremany tamin'ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako, notevatevainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin'izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an'efitra. 22 Nefa naviliko ny tànako, nanao ny ataoko noho ny anarako, mba tsy ho voatevateva izany eo imason'ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. 23 Efa nanainga ny tànako hamely azy aza aho tany an'efitra, nianiana tamin'izy ireo fa hampiparitaka azy amin'ny firenena, ary hampiely azy any amin'ny tany samihafa, 24 noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan'ny razany. 25 Ary nomeko azy aza izay lalàna tsy tsara, aman-didy tsy mety ahavelomany; 26 sady nolotoiko tamin'ny fanatiny, tamin'ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa izaho no Iaveh. 27 Koa mitenena amin'ny taranak'Israely, ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tamin'izao koa no nanamavoan'ny razanareo ahy, fa nivadihany tamiko.
28 Nony efa tafiditra teo amin'ny tany nianianako sady nananganako tanàna homena azy izy ireo, rahefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny nampahatezitra ahy; nentiny teny koa ny zava-manitra mamerovero mahafinaritra, sady nararany teny ny fanatitra araraka. 29 Ka hoy aho tamin'izy ireo: Inona ange ny fitoerana avo alehanareo? Dia natao hoe fitoerana avo mandrak'androany no anarany. 30 Koa lazao amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Adre! mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo hianareo; ary mitolo-tena hanaraka ny fahavetavetany hianareo.
31 Mandoto tena amin'ny sampin-dozanareo rehetra mandrak'androany hianareo, amin'ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry zanak'Israely? Velona aho - teny marin'ny Tompo Iaveh: tsy hety hanontanianareo aho. 32 Ary tsy ho tanteraka akory ny hevitra mby ao an-tsainareo manao hoe: Ho tahaka ny firenena izahay, ho tahaka ny fokontany hafa manompo hazo amam-bato izahay. 33 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: tànana mahery aman-tsandry ahinjitra ary hatezerana amparina, no hanjakako aminareo. 34 Hoentiko mivoaka avy amin'ireo firenena hianareo; dia hovoriko avy any amin'ny tany nampielezana anareo, amin'ny tànana mahery aman-tsandry ahinjitra, ary hatezerana amparina. 35 Hoentiko ho any an'efitry ny firenena hianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika. 36 Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an'efitry ny tany Ejipta, no hifandaharako aminareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 37 Hampandehaniko eo ambany tehim-piandry ondry hianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena hianareo. 38 Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin'ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin'ny tanin'Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. 39 Ary ny aminareo, ry taranak'Israely, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy! Any aorian'izany anefa, hihaino ahy tokoa hianareo, ka tsy hanevateva ny anarako masina amin'ny fanatitrareo amam-tsampin-dozanareo intsony. 40 Fa any an-tendrombohitro masina, any an-tendrombohitra avon'Israely - teny marin'ny Tompo Iaveh - hanompo ahy avokoa ny taranak'Israely rehetra, izay rehetra amin'ny tany. Any aho no hankasitraka azy ireo; any no hilàko ny fanatitrareo, mbamin'ny santatry ny fanomezanareo, amin'izay rehetra atokanareo ho ahy. 41 Hianareo ankasitrahako toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rahefa nentiko nivoaka avy any amin'ny firenena sy novoriko avy any amin'ny tany nanelezana anareo; ary hianareo no hanamasinako ny tenako eo imason'ny firenena. 42 Ary ho fantatrareo fa Iaveh aho, rahefa tongako any amin'ny tanin'Israely hianareo, dia any amin'ny tany efa nananganako tanàna homena ny razanareo. 43 Ho tsaroanareo, rahefa mby any, ny lalànareo mbamin'ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo. 44 Ary ho fantatreo fa Iaveh aho, rahefa hanao ny ataoko aminareo aho noho ny anarako, fa tsy araka ny làlan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
Toko faha-21
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona, atodiho mankany Temana ny tavanao; ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao, ary manaova faminaniana manohitra ny alan'ny tany atsimo,
3 lazao amin'ny ala atsimo hoe: Henoy ny tenin'ny Tompo! Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho handrehitra afo eo afovoanao, ary dia handevona ny hazo maitso rehetra eo aminao, mbamin'ny hazo maina rehetra: tsy ho faty ny lelafo mahamay, ka ho levona avokoa izay rehetra eo amin'ny vohon'ny tany, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
4 Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Iaveh no nandrehitra izany, ka tsy ho faty izy.
5 Ary hoy aho: Indrisy, ry Tompo Iaveh ô, hoy ny filazan'izy ireo ahy: Tsy manao fanoharana va izy?
6 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: 7 Ry zanak'olona, atodiho mankany Jerosalema ny tànanao; ary ataovy mijojo mankamin'ny fitoerana masina ny teninao; ary manaova faminaniana manohitra ny tanin'Israely;
8 lazao amin'ny tanin'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro aho tonga ho aty aminao; hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
9 Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao aho, noho izany dia hitsoaka avy amin'ny tranony ny sabatro hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
10 Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Iaveh no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; ka tsy hiditra ao intsony izy.
11 Ary hianao, ry zanak'olona, midridridridria; mandra-pahatapa-balahana anao amim-pangidiana, midridridridria eo imasony.
12 Ary rahefa hilaza aminao izy ireo hanao hoe; Nahoana no midridridridry hianao: Valio hoe: Noho ny zava-baovao ho avy; fa hivarahontsana ny fo rehetra; hiraviravy ny tanana rehetra; ho velon'ahiahy ny saina rehetra; hilefaka toy ny rano, ny lohalika rehetra. Indro, avy izany, ka efa tanteraka, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
13 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
14 Ry zanak'olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voaranitra sady voafotsy: 15 Voaranitra izy, handringanana; voafotsy izy, mba handefa tselatra manjopelaka. Sa hifaly va isika, hanao hoe: Vingavingain'ny tehim-panjakan'ny zanako, ny hazo rehetra?
16 Nomena hofotsiana izy, mba horaisin-tànana; sabatra voaranitra izany, sabatra voafotsy izany, mba hatolotra eo an-tànan'ny mpamono.
17 Mikiakiaha sy midradradradrà, ry zanak'olona, fa ho amin'ny vahoakako izany sabatra izany, ho amin'ny lehibe rehetra, eo amin'Israely. Voatolotra ho an'ny sabatra izy ireo, mbamin'ny vahoakako; koa dony ny fenao.
18 Fa efa vita ny fizahan-toetra; ka ahoana indray? Na mbola mamingavinga ihany aza izany tehim-panjakana izany, koa tsy hahatanterahan'ny fandrahonako va izany? - teny marin'ny Tompo Iaveh!
19 Ary maminania hianao, ry zanak'olona, ka mitehafa tànana: Aoka ho avo roa heny, telo heny aza, ny famelezan'ny sabatra! Dia ny sabatra famonoana, ny sabatra famonoam-be no manodidina azy.
20 Mba hahareraka ny fo, sy hahamaro ny hovonoina, dia ny vavahady rehetra no nametrahako ny sabatra mamono.
21 Hodin-kavanana! Hodin-kavia! Atrika, atsy, arý!
22 Izaho koa, hiteha-tànana, sy hanarana ny hatezerako. Izaho Iaveh, no efa niteny.