Bokin'i Ezekiela
Toko faha-21
23 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:24 Manorita hianao, làlan-droa halehan'ny sabatry ny mpanjakan'i Babilona, ry zanak'olona; ataovy avy amin'ny tany iray ihany izy roa ireo; ary manoritra famantarana, ka eo an-dohan'ny làlan'ny tanàna anankiray no sorito izany.
25 Manorita làlana halehan'ny sabatra ho any Rabata, renivohitry ny taranak'i Amona, na ho any amin'i Jodà, hamely an'i Jerosalema, tanàna mimanda. 26 Fa ny mpanjakan'i Babilona, nijanona teo an-tsampanan-dàlana, eo an-dohan'ny làlan-droa, mba hanao sikidy: ka manetsiketsika ny zana-tsipìka, manontany amin'ny terafima, mizaha amin'ny atikena. 27 Eo an-tànany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin'ny banga, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda. 28 Faminaniana lainga ihany izany, eo imason'izy ireo; manana ny faminaniana masina indrindra hiaro azy izy ireo; nefa hampahatsiaroviny azy ny helony taloha, rahefa voasambotra izy. 29 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin'ny nampihariharianareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovana anareo, dia nosamborin-tànana hianareo.
30 Ary hianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin'Israely, efa tonga ny andronao, amin'izao ipahan'ny fotoanan'ny faharatsiana; 31 ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ny hamama halàna; ny satro-boninahitra, hesorina; hakorontana izao rehetra izao; ny iva, hasandratra, ny avo, haetry. 32 Hataoko rava dia rava dia rava izany; tsy ho eo intsony izany, mandra-pihavin'ilay Tompon'ny fitsarana, izay hametrahako sy homeko an'izany. 33 Ary hianao, ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh mamely ny taranak'i Amona, sy ny amin'ny faniratsirany. Lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voatsoaka handringana: voafotsy izy handevona sy handefa tselatra, 34 - dia ny mbola ahitana zava-poana hianao, sy fambara mamitaka, hampiraisana toerana anao amin'ny fatin'ny ratsy fanahy voatolotra ho an'ny sabatra, fa efa tonga ny androny amin'izao ipahan'ny fotoanan'ny faharatsiana.
35 Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa eo amin'ny toerana nahariana anao, eo amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
36 Hampidiniko aminao ny havinirako; hotsofiko aminao ny afom-pahatezerako; ary hatolotro eo an-tànan'ny olona adala hianao, sy amin'ny mpanao fandringanana.
37 Hohanin'ny afo hianao, ny rànao dia ho eo afovoan'ny tany, ary hianao tsy hotsarovan'ny olona; fa izaho Iaveh no niteny.
Toko faha-22
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Ary hianao, ry zanak'olona, moa hitsara va hianao, moa hitsara ny tànana mpandatsa-dra va hianao? Ampahafantaro azy avokoa ny fahavetavetany; 3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ry tanàna mpandatsa-dra ao anatiny, hahatonga ny fotoanany sy mivongika sampy vetaveta hahaloto azy. 4 Tonga meloka hianao, tamin'ny ra nalatsakao; nandoto tena, tamin'ny sampy vetaveta nataonao; ary nanafaingana ny andronao tamin'izany ka tonga amin'ny fara taonanao; izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny firenena amma-pihomehezan'ny tany rehetra. 5 Na ny akaiky, na ny lavitra, samy hanebaka anao, voaloto anarana sy be tabataba. 6 Indreto ny lehiben'Israely, eo aminao, fa samy mikezaka ny handatsa-dra, araka ny heriny avy.
7 Ao aminao, ny ray aman-dreny, tsiratsiraina; ao anatinao, ny vahiny, levilevena; ao aminao ny kamboty amam-pitondra-tena, ampahoriana. 8 Ny fitoerako masina, hamavoinao; ny sabatako, tevatevainao. 9 Ao aminao, misy olona manendrikendrika, mba handatsa-dra; ao aminao, misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao anatinao, misy manao heloka be vava. 10 Ao aminao, misy manokatra ny fitanjahan-drainy; ao aminao, misy manao an-keriny amin'ny mararin'ny fadimbolany. 11 Ny iray, manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; ny iray hafa, mifototra mandoto ny vinantovaviny ao aminao; ary misy koa mametaveta ny anabaviny zanakavavin-drainy. 12 Ao aminao, misy mandray kolikoly handatsa-dra; manao zana-bola be loatra hianao, sady maka zana-bola, sy miharaka ny haren'ny namanao; ary izaho hadinonao, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 13 Indro aho miteha-tànana, noho ny tombony azonao tsy an-drariny, sy noho ny ra izay eo aminao.
14 Moa hahazaka va ny fonao ary hahatoha ihany va ny tànanao, amin'ny andro hiasako hamely anao? Izaho Iaveh no nilaza ka hanatanteraka. 15 Haeliko any amin'ny firenena hianao, sy hahahako any amin'ny tany samihafa, ary hesoriko ho afaka aminao ny lotonao rehetra; 16 ka eo aminao hianao ho voaloto eto imason'ny firenena, dia ho fantatrao fa Iaveh aho. 17 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, amiko ny taranak'Israely, dia efa niova ho tain-drendrika; izy rehetra dia varahana, fira-potsy, vy, ary fira-mainty ao anatin'ny memy; zary taim-bolafotsy izy. 19 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianareo rehetra tonga taim-bolafotsy, noho izany, dia indro, hangoniko eo afovoan'i Jerosalema, hianareo. 20 Toy ny fanangon'ny olona volafotsy, varahana, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan'ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin'ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao hianareo ary hataoko rendrika. 21 Hanangona sy hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako aho, ka ho voarendrika ao afovoan'i Jerosalema hianareo. 22 Toy ny fandrendrehana volafotsy ao anaty memy no hahavoarendrika anareo ao afovoany, dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh, nampidina ny fahatezerako taminareo. 23 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
24 Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Tany tsy voadio hianao, tsy voasasan'ny ranonorana, tamin'ny andron'ny fahatezerana.
25 Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fahany izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitombo isa ny mpitondratenany eo afovoany. 26 Ny mpisorony, nandika ny lalàko, nandoto ny fitoerako masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina; tsy mampianatra ny maha-samihafa ny maloto sy ny madio, mamily maso tsy hijery ny sabatako; ary tsiratsiraina aho, eo afovoan'izy ireo. 27 Ny lehibeny, eo afovoany, toy ny amboadia mamiravira haza, dia mandatsa-dra, mahavery fanahy hahazoana tombony. 28 Ny mpaminaniny manarontsarona izany heloka rehetra izany, mahita fahitana zava-poana amam-paminaniana lainga, milaza ahoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh, nefa Iaveh tsy niteny tsinona. 29 Ny vahoaka amin'ny tany manao an-keriny, mandroba lava, manitsakitsaka ny ory sy ny mahantra, ary mampahory tsy an-drariny ny vahiny. 30 Nitady aho, raha misy olona eo aminy, manao manda sy mitsangana eo amin'ny banga, eo anatrehako, hiaro ny tany mba tsy handravako azy, nefa tsy nahita aho. 31 Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin'ny afon'ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
Toko faha-23
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona, nisy vehivavy anankiroa, zanaky ny reny anankiray.
3 Izy ireo dia nijangajanga tany Ejipta, nijangajanga tamin'ny andro fahatanorany; tany no namihinana ny nonony, tany no nanindriana ny tratran'ny fahavirijiniany.
4 Izao no anaran'izy ireo: Oollà, ny zokiny, ary Oolibà, ny rahavaviny. Ahy izy ireo teo aloha, ary niteraka zazalahy aman-jazavavy. Ny amin'ny anarany dia izao: Samaria, no Oollà; Jerosalema, no Oolibà.