Bokin'i Ezekiela
Toko faha-28
5 tamin'ny halehiben'ny fahendrenao, tamin'ny varotrao, hampitombo ny harenanao, ka dia nanandra-tena ny fonao azon'ny harenao. -6 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Satria nanao ny fonao ho toy ny fon'Andriamanitra hianao;
7 noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao aho, dia firenena masiaka indrindra amin'ny firenena; hotsoahany ny sabany, hamelezana ny filohan'asan'ny fahendrenao, ary hohamavoiny ny famirapiratanao.
8 Havariny any an-davaka hianao, ka ho faty amin'ny fahafatesan'izay voavono ao anatin'ny ranomasina.
9 Hianao va mbola hilaza hoe: Andriamanitra aho, eo anatrehan'ny mpamono anao; nefa olombelona ihany hianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tànan'izay mamono anao?
10 Toy ny fahafatin'ny tsy voafora no hahafaty anao, amin'ny tanan'ny hafa firenena; fa izaho niteny, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
11 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Ry zanak'olona, manaova falahelovana ny mpanjakan'i Tira;
12 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hianao no tampon-dohan'ny fahalavorariana, feno fahendrena, tapitra ohatra amin'ny hatsaran-tarehy, 13 tany Edena, sahan'Andriamanitra hianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, topaza, diamondra, krisolita, oniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena, nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin'ny andro nahariana anao.
14 Hianao no Kerobima voahosotra hiaro, napetrako tao amin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra; tao hianao; nandeha teo afovoan'ny vato mirehitra.
15 Lavorary hianao tamin'ny làlanao hatramin'ny andro nahariana anao ka hatramin'ny nisian-keloka teo aminao.
16 Tamin'ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota hianao ka nariako hiala teo amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, ary nataoko levona hianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan'ny vato mirehitra.
17 Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao; nosimbanao ny fahendrenao azon'ny famirapiratanao, ka nazerako amin'ny tany hianao, sady natolotro ho fizahan'ny mpanjaka.
18 Noho ny fitomboan'ny helokao, tamin'ny tsy fahamarinan'ny varotrao, dia novetavetainao ny fitoeranao masina, ka namoaka afo teo afovoanao aho, ka izy no nandevona anao; dia nampanjariko lavenona eny ambonin'ny tany hianao, eo imason'izy rehetra nahita anao.
19 Izay rehetra nahalala anao, teo amin'ny firenena, gaga foana noho ny aminao; zary zava-mahatsiravina hianao; ka tsy misy intsony hianao mandrakizay!
20 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
21 Ry zanak'olona, atodiho mankany Sidona ny tavanao, ka maminania ny aminy, 22 ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminao aho, ry Sidona; hanome voninahitra ny tenako eo aminao aho. Ho fantatry ny olona, fa Iaveh aho, rahefa manatanteraka fitsarana momba azy aho, sy manamasina ny tenako eo aminy. 23 Hahatonga pesta hamely azy aho; ary hisy ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eo aminy ireo voavono, matin'ny sabatra izay hamely azy hatraiza hatraiza. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho.
24 Amin'izay tsy hisy intsony, ho an'ny taranak'Israely, izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry eo amin'izay rehetra mifanila aminy ka manao azy ho tsinontsinona; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh aho.
25 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Rahefa manangona ny taranak'Israely, avy any amin'ny firenena nampielezako azy aho, dia hanamasina ny tenako eo amin'izy ireo, eo imason'ny firenena; ka honina eo amin'ny taniny, izay nomeko an'i Jakoba, mpanompoko, izy ireo.
26 Honina ao izy tsy amin'ahiahy; hanorin-trano sy hamboly voaloboka, honina ao tsy amin'ahiahy izy ireo, rahefa vitako ny fitsarana an'izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr'izy ireo aho.
Toko faha-29
1 Tamin'ny taona fahafolo, volana fahafolo, andro faharoa ambin'ny folon'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona, atodiho mankany amin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin'i Ejipta manontolo. 3 Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao aho, ry Faraona, mpanjakan'i Ejipta, hianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan'ireo oninao, sy nanao hoe: Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an'ny tenako. 4 Hanisy farango ny valanoranonao aho, hampiraikitra ny hazandrano ao amin'ny oninao, amin'ny kiranao, ary hampiakatra anao avy ao amin'ny oninao, dia hianao mbamin'ny hazandranon'ny oninao rehetra tafaraikitra amin'ny kiranao.
5 Hatsipiko any an'efitra hianao, mbamin'ny hazandrano rehetra ao amin'ny oninao; dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety, ary tsy hisy hanarina na hanangona, fa efa nomeko ho hanin'ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.
6 Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Iaveh aho: - satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Israely izy ireo.
7 Raisiny amin'ny tànana hianao, dia tapaka, sady mandrotidrotika ny sorony rehetra; mitehina aminao indray izy, dia folaka hianao, ataonao tafatehina amin'ny valahany avokoa.
8 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;
9 ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho. Noho i Faraona nanao hoe: Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy;
10 noho izany dia indro aho ho avy ao aminao sy ny oninao; ka ataoko zary zavatra rava sady foana no nidiran-doza ny tany Ejipta, hatrany Migdola ka hatrany Siena, ary hatrany amin'ny sisin'ny tanin'i Etiopia.
11 Tsy hodiavin-tongotr'olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.
12 Ejipta, hataoko tany foana eo amin'ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan'ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin'ny firenena ny Ejipsiana, ary hahahako any amin'ny tany samihafa izy.
13 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Rahefa tapitra ny efapolo taona, hangoniko ny Ejipsiana avy any amin'ny firenena nielezany,
14 haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin'ny tany Patrosa, any amin'ny nihaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.
15 Ho fanjakana ambany Ejipta, raha samy fanjakana, ary tsy hisandratra ho ambonin'ny firenena, hohavitsiko ny isany, mba tsy hanapahany ny firenena.
16 Tsy ho fitokian'ny taranak'Israely intsony izy; hampahatsiaroviny azy ny heloka nataony, tamin'ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh aho.
17 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo, volana voalohany, andro voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an'i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin'i Tira, na ho an'ny tenany na ho an'ny miaramilany tamin'ny fanompoana nataony, namelezany azy.
19 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro omeko an'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an'ny tafiny.
20 Ho valin'ny asa nataony namelezany an'i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho ahy izy ireo - teny marin'ny Tompo Iaveh.
21 Amin'izany andro izany, hampaniriako tandroka ny taranak'Israely, ary hampiloa-bava anao aho eo amin'izy ireo; ka ho fantany fa Iaveh aho.
Toko faha-30
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Ry zanak'olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Midradradradrà hianareo! Endrey! izao andro izao! 3 Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an'ny Tompo! Andron-drahona! Io no fotoanan'ny firenena!
4 Hisy sabatra ho tonga hamely an'i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiopia, rahefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rahefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.
5 Ny Etiopiana, ny Libiana, ny Lidiana, ny hafa firenena isan-karazany, Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.
6 Izao no lazain'ny Tompo: Ho lavo ry zareo niankinan'i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan'ny heriny: Hatrany Migdola ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
7 Ho lao eo amin'ny tany lao izy; ary ho rava eo amin'ny tanàna rava ny tanànany.