Bokin'i Ezekiela
Toko faha-33
32 Hianao izany dia mpihira mahafinaritra ho azy ireo, tsara feo sy mahay mitendry ny zava-maneno eo an-tànany; izy ireo kosa, mandre ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany akory. 33 Rahefa ho tonga izany zavatra izany, - sady indro efa tonga tokoa izany - dia ho fantatr'izy ireo, fa efa nisy mpaminany teo aminy.Toko faha-34
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona, maminania ny amin'ny mpiandry an'Israely. Maminania, ka lazao aminy, dia amin'ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ny mpiandry an'Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan'izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan'ny mpiandry?
3 Nohaninareo ny taviny, notafinareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry hianareo:
4 tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!
5 Ka niely izy, fa tsy nisy mpiandry; zary rembin'izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.
6 Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny, ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin'ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahin'ny olona akory, na mba misy lasa nitady azy.
7 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo, ry mpiandry ondry:
8 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: Noho ny ondriko navela hobaboina, noho ny ondriko zary remby ho an'ny biby dia rehetra, fa tsy nisy mpiandry, sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko, fa ny tenany ihany no fahanan'ireo mpiandry ireo, ary ny ondriko tsy mba nofahanany;
9 noho izany dia mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo, ry mpiandry ondry.
10 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin'ny mpiandry ondry aho; hotadiaviko ao amin'ny tànany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahako eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.
11 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro izaho dia izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy.
12 Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin'ny andro hitsanganany eo amin'ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hesoriko izy ireo, hiala any amin'ny tany rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy manjombona.
13 Hoentiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy, ary hangoniko avy any amin'ny tany samihafa, hampodiko eo amin'ny tena taniny izy, dia handrasako eny amin'ny tendrombohitr'Israely, eny an-dohasaha aman-toerana rehetra onenana amin'ny tany.
14 Amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon'Israely no ho valany; any izy no handry amin'ny valan'ondry tsara, sy hihinana amin'ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr'Israely.
15 Izaho no hiandry ny ondriko, izaho ho hampandry azy; - teny marin'ny Tompo Iaveh.
16 Ny very, hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra, hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahako; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa, haringako; handrasako ara-drariny, izy ireo.
17 Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho, hitsara, manavaka ny reniondry sy ny reniondry; manavaka ny ondralahy sy ny osilahy.
18 Mbola tsy ampy anareo ve ny mihinana ahitra tsara, no dia mbola hosihosen'ny tongotrareo indray ny ahitrareo sisa; sy ny misotro ny rano madio, no dia mbola kobanin'ny tongotrareo koa ny sisa?
19 Hany ka ny voahosihosin'ny tongotrareo no tsy maintsy hanin'ny ondriko; ary ny voakoban'ny tongotrareo, no hosotroiny?
20 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho handeha hitsara ny adin'ny ondry matavy sy ny ondry mahia:
21 satria hianareo nanosika tamin'ny tehezanareo aman-tsorokareo, sady nanoto ny ondry osa rehetra tamin'ny tandrokareo, mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany:
22 dia hovonjeko ny ondriko, ka tsy hatao fandroba intsony; ary hitsara aho manavaka ny ondry amin'ny ondry.
23 Mpiandry iray ihany no hatsangako ho azy; - ary izy no hamahana azy ireo, - izy no hamahana azy ireo dia Davida mpanompoko; ary izy no ho tena mpiandry ho azy ireo.
24 Izaho Iaveh no ho Andriamanitr'izy ireo; ary Davida mpanompoko no ho mpanapaka eo aminy; izaho Iaveh no niteny.
25 Hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo aho; hofoanako tsy hisy amin'ny tany, ny biby masiaka; handry fahizay izy any an'efitra; ary hatory any anaty ala.
26 Hataoko fitahiana izy sy ny manodidina ny havoanako; halatsako amin'ny fotoanany ny ranonorana, dia ho ranonoram-pitahiana izany.
27 Ny hazo any an-tsaha, hamoa; ny tany koa hahavokatra, ary izy ireo, handry fahizay amin'ny taniny, dia ho fantany fa Iaveh aho rahefa voatapako ny baran'ny jiogany ary afako tamin'ny tanan'ireo nampanompo azy izy.
28 Ny firenena tsy hambabo azy intsony; ny bibin'ny tany tsy hihinana azy intsony ary handry fahizay, tsy hisy hanaitaitra azy izy.
29 Hampaniry voly tsara laza ho azy aho; ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny firenena.
30 Dia ho fantany fa izaho Iaveh Andriamaniny no momba azy, ary izy taranak'Israely no vahoakako, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
31 Ary hianareo, ry ondriko, ondry andrasako: dia olombelona hianareo; ary izaho dia Andriamanitrareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
Toko faha-35
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona atodiho mankany amin'ny tendrombohitr'i Seira ny tavanao, ka maminania ny hanjo azy, manaova hoe:
3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho, ry tendrombohitra Seira ho avy ao aminao, haninjitra ny tànako hamely anao.
4 Hataoko rava ny tanànanao; ho tonga lao hianao; dia ho fantatrao fa Iaveh aho.
5 Noho hianao manao lolom-po tsy misy farany, sy nanolotra ny zanak'Israely ho an'ny sabatra, tamin'ny andro nahitany loza, tamin'ny andron'ny faharatsiana farany,
6 noho izany dia velona aho; - teny marin'ny Tompo Iaveh: Hataoko feno ra mandriaka hianao, ary ny ra hanenjika anao. Noho hianao tsy nankahala ny ra, dia hoenjehin'ny ra hianao.
7 Ny tendrombohitra Seira hataoko lao sy zary efitra, ary ny mandroso sy miverina eo, hataoko tsy misy intsony.
8 Hofenoiko ny maratra ho faty aminy ny tendrombohiny; eny amin'ny havoananao, sy eny amin'ny lohasaha aman-dohasahan-driakanao, dia ho lavo ny olona voavonon'ny sabatra.
9 Hataoko lao mandrakizay hianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.
10 Noho hianao nanao hoe: Ho ahy avokoa ny firenena roa sy ny tany roa, ka hahazo azy ho fanananay izahay! - ary teo kosa Iaveh - noho izany, velona aho,
11 - teny marin'ny Tompo Iaveh: dia hanao aho araka ny hatezeranao sy ny fialonanao, izay nasehonao noho ny fankahalanao azy ireo, ary hampahafantariko eo aminy ny tenako, rahefa hitsara anao aho.
12 Ary ho fantatrao fa izaho Iaveh, dia nandre ny fanaratsianao rehetra, izay notononinao tamin'ny tendrombohitr'Israely, nanao hoe: Efa rava ireny, ka natolotra anay, ho remby hohaninay!
13 Nihaika ahy hianareo tamin'ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely ahy. Izaho kosa efa nandre izany!
14 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Amin'ny hafalian'ny tany rehetra, hianao kosa hataoko lao.
15 Toy ny nifalianao, ny amin'ny lovan'ny taranak'Israely tamin'ny faharavany, toy izany no hataoko aminao: ho rava hianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin'Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho.
Toko faha-36
1 Ary hianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitr'Israely ka ataovy hoe: Ry tendrombohitr'Israely, mihainoa ny tenin'ny Tompo:2 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho ny fahavalo nilaza ny aminareo hoe: Hia! Hia! lasanay ho fanananay ny havoana fahagola!