Bokin'i Ezekiela
Toko faha-32
14 Amin'izany ny ranony hampandriko, ary ny oniny hampandehaniko hoatra ny diloilo; - teny marin'ny Tompo Iaveh.15 Rahefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin'ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr'izy ireo fa Iaveh aho.
16 Izany no hira fitomaniana, ka hotononin'ny olona io, hotononin'ny zanakavavin'ny firenena; hotononiny momba an'i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; - teny marin'ny Tompo Iaveh.
17 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, midridridridria momba ny vahoakaben'i Ejipta; ampidino izy, mbamin'ny zanakavavin'ireo firenena malaza, ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
19 Iza no nihoaranao hatsaran-tarehy? ...Midìna, ka miampara ao akaikin'ireo tsy voafora!
20 Hiampatrampatra eo afovoan'ny voatrobaky ny sabatra izy ireo! Efa voatolotra ny sabatra; tariho Ejipta, mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
21 Hiteny aminy ny mahery indrindra amin'ireo lehilahy mahery fo, mbamin'ny mpanampy azy ao afovoan'ny seoly, hanao hoe: Tafidina sy miampatra, ireo tsy voafora voatrobaky ny sabatra!
22 Ao Asora, mbamin'ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon'ny sabatra avokoa izy.
23 Natao any am-paravody lavaka, ny fasan'izy ireo: voalahatra manodidina ny fasany ny vahoakany; voatrobaka avokoa, lavon'ny sabatra avokoa izy ireo, izay naharaiki-tahotra teny amin'ny tanin'ny velona.
24 Ao ry Elama, mbamin'ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon'ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin'ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin'ny tanin'ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'izay nidina any an-davaka.
25 Teo amin'ireo voatrobaka no anamboarana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy voatrobaky ny sabatra avokoa izy ireo, fa niely ny fahatahorana azy teny amin'ny tanin'ny velona, ary nitondra ny fahafaham-barakany izy, miaraka amin'izay midina any an-davaka; napetraka teo amin'ireo voavono izy.
26 Ao ry Mosòka, Tobala, mbamin'ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy lavon'ny sabatra avokoa izy, fa nampiely fahatahorana teny amin'ny tanin'ny velona.
27 Izy ireo tsy mba hiara-miampatra amin'ny mahery, izay lavo isan'ny tsy voafora, sy nidina any amin'ny seoly nitondra ny fiadiany, sy nopetrahana ny sabany eo ambonin'ny lohany; fa eo ambonin'ny taolany ny helony, satria nampatahotra ny mahery izy, teny amin'ny tanin'ny velona.
28 Hianao koa ho torotoro, eo afovoan'ny tsy voafora; sy hiara-miampatra amin'izay voatrobaky ny sabatra.
29 Ao ry Edoma, mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo na dia be aza ny heriny dia natao teo amin'ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin'ny tsy voafora koa izy, sy amin'izay nidina any an-davaka.
30 Ao ny andrian'ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin'ny Sidoniana rehetra; niara-nidina tamin'ny voatrobaka izy ireo,na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin'izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin'ny midina any an-davaka.
31 Hahita azy Faraona, ka hanonon-tena, ny amin'ny vahoakany maro be. Niara-voatrobaky ny sabatra, Faraona sy ny miaramilany rehetra, - teny marin'ny Tompo Iaveh!.
32 Fa efa nanely ny fahatahorana azy aho teny amin'ny tanin'ny velona; ary indro izy miara-miampatra amin'ny tsy voafora, miaraka amin'izay voatrobaky ny sabatra, izy Faraona sy ny vahoakany rehetra alinalina; - teny marin'ny Tompo Iaveh.
Toko faha-33
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mandefa sabatra hamely ny tany anankiray aho, ary ny mponina amin'izany tany izany kosa mandray ny anankiray amin'ireo mpitily, 3 ka mitsoka anjomara hanaitra ny vahoaka ralehilahy, nony mahita ny sabatra tamy hamely ny tany; 4 nefa ohatra ka misy tsy mety miraika akory, izay mandre ny feon'anjomara, ary tonga ny sabatra ka mahavoa azy tampoka, dia ho eo amin'ny lohany ihany ny rany; 5 nandre ny feon'anjomara izy, saingy tsy niraika, ka dia ho eo aminy ihany ny rany; fa raha miraika izy, dia hahavonjy ny ainy. 6 Raha ilay mpitily kosa no mahita ny sabatra tamy, nefa tsy mitsoka ny anjomara, ka tsy voataitra ny vahoaka, koa tonga ny sabatra, sady mahavoa tampoka olona iray amin'izy ireo, dia ho faty eo amin'ny helony ihany, izany olona izany, nefa hadiniko amin'ilay mpitily ny rany. 7 Koa hianao, ry zanak'olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an'ny taranak'Israely, ary rahefa mandre teny aloaky ny vavako hianao dia hanaitra azy amin'ny anarako.
8 Raha niteny aho nilaza tamin'ny ratsy fanahy hoe: Ho faty marina hianao, ry ilay ratsy fanahy, ka tsy miteny hianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany. 9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa hianao, hialany amin'ny làlany, fa izy no tsy mety miala amin'ny làlany, dia ho faty ao amin'ny helony, fa hianao kosa hahavonjy ny fanahinao. 10 Ary hianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Israely hoe: Indreto hianareo miteny manao hoe: Ny hadisoanay amam-pahotanay, dia momba anay; ka mihalevona izahay noho izany, ka ahoana indray no hahavelona anay?
11 Lazao aminy hoe: Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: tsy ny fahafatesan'ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny làlany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin'ny làlan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty hianareo, ry taranak'Israely? 12 Ary hianao, ry zanak'olona, milazà amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy amin'ny andron'ny fahadisoany; ary ny ratsy fanahy tsy ho lavo noho ny haratsiany, amin'ny andro hialany amin'ny haratsiany; toy ny tsy hahazoan'ny marina ho velona amin'ny fahamarinany, amin'ny andro anotany.
13 Na efa nilaza tamin'ny marina aza aho, fa ho velona marina izy; raha sendra mitoky ny fahamarinany kosa izy, ka manao ny ratsy, dia tsy hotsarovana intsony ny asa marina rehetra nataony, fa ny ratsy nataony dia izany ihany no anton'ny fahafatesany. 14 Ary na dia efa nilaza tamin'ny ratsy fanahy aza aho nanao hoe: Ho faty marina hianao; raha miala amin'ny fahotany izy, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny, 15 fa mamerina ny natao antoka, mamerina izay nangalariny, manaraka ny lalàna ho velona marina tokoa izy, tsy ho faty! 16 Tsy hotsarovana intsony ny fahotany rehetra izay nataony; efa nanaraka ny hitsiny sy ny rariny izy, ka ho velona marina tokoa. 17 Ny zanaky ny firenenao, nanao hoe: Tsy mahitsy ny làlan'ny Tompo. Ny làlan'izy ireo anefa no tsy mahitsy.
18 Raha misy marina miala amin'ny fahamarinany ka manao ratsy, dia maty noho izany izy; 19 ary raha misy ratsy fanahy miala amin'ny haratsiany, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny, dia velona izy noho izany. 20 Nefa hianareo manao hoe: Tsy mahitsy ny làlan'ny Tompo! Samy hotsaraiko araka ny làlanareo avy hianareo, ry taranak'Israely! 21 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folon'ny nahababo antsika, tamin'ny volana fahafolo, andro fahadimin'ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:
22 Afaka ny tanàna! Ary ny hariva kosa talohan'ny nahatongavan'ilay nandositra, dia efa nanindry ahy ny tànan'ny Tompo, ka efa nosokafany ny vavako, talohan'ny nahatongavan'ilay io tao amiko ny maraina; ka dia vosokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho. 23 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
24 Ry zanak'olona, ireo monina amin'ireny toeran-dravarava amin'ny tanin'Israely ireny, manao hoe: Irery Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika. 25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hianareo mihinan-kena miharo ra, miandrandra maso amin'ny sampinareo vetaveta, ary mandatsa-dra, ka hanana ny tany va? 26 Nitoky amin'ny sabatrareo hianareo, nanao fahavetavetana, samy nanala baraka ny vadin'ny namany avy, ka hanana ny tany va? 27 Lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Velona aho! Izay eo amin'ny tanàna rava, ho lavon-tsabatra; izay eny an-tsaha, hatolotro ho hanin'ny biby masiaka; ary izay eny amin'ny fitoerana mimanda sy any an-johy, ho fatin'ny pesta. 28 Ny tany, hataoko lao sy zary efitra; ary ny fiavonavon'ny heriny, hitsahatra; ary ny tendrombohitra amin'ny tany ho lao tsy hisy mpandia akory. 29 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho, rahefa nataoko lao sy zary efitra ny tany, noho ny fahavetavetana rehetra nataony. 30 Ary hianao, ry zanak'olona, dia ataon'ny zanaky ny firenenao firesaka eny anilan'ny rindrina sy eny am-baravaran-trano eny; mifampiteny samy amin'ny namany avy izy ireo, manao hoe: Andeha hihaino izay teny avy amin'ny Tompo.
31 Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fihavin'ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakako; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahan'ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahan'ny fony.