Bokin'i Ezekiela
Toko faha-40
35 Dia nentiny aho, ho eo amin'ny vavahady avaratra; ka toraky ny teo ihany koa ny refiny nandrefesany ny teo -36 nisy varavarankely manodidina koa ny efitra sy ny andriny ary ny efitra fidirana -: dimampolo hakiho ny lavany, dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 37 Nipaka tamin'ny kianja ivelany ny andriny, nisy rofia tamin'ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo. 38 Nisy efitrano mbamin'ny varavarana momba azy, teo anilan'ny andrin'ny vavahady; teo no nanasana ny sorona dorana.
39 Teo amin'ny efitra fidirana eo am-bavahady, nisy latabatra roa avy isan-dafiny roa, izay tsy maintsy namonoana ny zavatra hanaovana ny sorona dorana, ny sorona noho ny ota, ny sorona noho ny fahadisoana. 40 Teo amin'ny lafiny ivelany ao avaratra raha miakatra hiditra ny vavahady, dia nisy latabatra roa; ary teo amin'ny ilany iray, amin'ny efitra fidirana eo amin'ny vavahady koa nisy latabatra roa. 41 Koa nisy latabatra efatra izany, teo amin'ny ilany iray, dia valo no tontaliny, hatao famonoana ny sorona. 42 Nisy koa latabatra efatra, ho an'ny sorona dorana, natao tamin'ny vato voapaika, iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, iray hakiho ny hahavony, fametrahana ny fiasana hamonoana ny sorona dorana sy ny sorona hafa. 43 Nisy farango vodivoam-pelatànana ny habeny, naompana teny amin'ny rindrina manodidina; ary ny hena atao sorona, dia tsy maintsy napetraka teo ambony latabatra. 44 Teo ivelan'ny vavahady anatiny, nisy ny efitranon'ny mpihira, teo amin'ny kianja anatiny: ny iray teo anilan'ny vavahady avaratra mitodika mianatsimo ny anoloany, ny iray teo anilan'ny vavahady atsinanana mitodika mianavaratra.
45 Hoy izy tamiko: Ilay efitrano mitodika mianatsimo, dia an'ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny trano; 46 ary ny efitrano mitodika mianavaratra kosa ho an'ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny otely. Ireo taranak'i Sadaoka amin'ny taranak'i Levì no manatona an'ny Tompo, hanao ny fanompoana azy. 47 Dia nandrefy ny kianja, izay efa-joro sokera izy, ka zato hakiho koa ny sakany; ary ny otely dia teo anoloan'ny trano.
48 Nentiny ho eo amin'ny efitrano fidirana ao an-trano aho nony avy eo, dia norefesiny ny andrin'ny efitrano fidirana, ka dimy hakiho ny lafiny iray, dimy hakiho koa ny lafiny iray; ary ny haben'ny alo-baravarana koa: telo hakiho ny lafiny iray; telo hakiho ny lafiny iray hafa.
49 Ny efitra fidirana roapolo hakiho ny halavany, iraika ambin'ny folo hakiho ny sakany, amin'ny ambaratonga miakatra ho eo; nisy andry varahana teo anilan'ny andry: iray teo amin'ny lafiny iray; iray teo amin'ny lafiny iray hafa.
Toko faha-41
1 Dia nentiny ho ao amin'ny tempoly aho, ary norefesiny ny andriny, ka enina hakiho ny sakany amin'ny lafiny iray, enina hakiho koa ny sakany amin'ny lafiny iray, - hoatra ny sakan'ny trano lay.2 Folo hakiho ny sakan'ny varavarana; dimy hakiho ny ati-rindrim-baravarana ankilany, dimy hakiho koa ny ankilany iray. Norefesiny ny halavan'ny tempoly, ka efapolo hakiho; ary ny sakany roapolo hakiho. 3 Rahefa izany, nandroso ho ao anatiny izy, dia nandrefy ny andrim-baravarana, ka roa hakiho; ary ny varavarana enina hakiho; ary ny haben'ny varavarana fito hakiho.
4 Ary amin'ny ilan'ny tempoly dia nandrefy roapolo hakiho izy amin'ny an-davany, ary roapolo hakiho amin'ny sakany, dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra. 5 Ary norefesiny ny rindrin-trano, ka enina hakiho; sy ny sakan'ny paosin-trano manodidina ny trano, ka efatra hakiho. 6 Ary ny amin'ny efitra an-daniny avy dia nisy efitra telo mifanao ambony sy ambany, samy telopolo avy ny andalany; nipaka tamin'ny rindrina naorina hanaovana an'ireo efitra manodidina ny trano, ka niankina tamin'ny rindrin-trano, fa tsy tafatsofoka ao anatiny. 7 Nihamalalaka isaky ny ifanongoavan'ireo efitra ireo, fa isan-drihana dia nisy làlantsara handehanana manodidina hatrany hatrany. Ka noho izany dia nihamalalaka isaka ny mifanongoa io ilan-trano io, ka ny làlantsara amin'ny tany dia etiety kokoa noho ny amin'ny rihana ambony; mifanao arakeviny amin'ny roa sisa koa, ny làlantsara ao antenantenany. 8 Hitako fa niorina tambonin'ny avoavo teo amin'ny manodidina, ny trano; eran'ilay volotara ny fanorenan'ny efitra andaniny avy, ary enina hakiho erý amin'ny zorony.
9 Enina hakiho ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano; manaraka izany dia nisy rarivaton'ny paosin-trano amin'ny trano. 10 Ny elanelan'ny hatreo ka hatreo amin'ny efitrano, dia nisy roapolo hakiho, manodidina ny trano. 11 Teo ambonin'io rarivato io no nisy ny fidirana mankeo am-paosin-trano; ny varavarana iray teo avaratra, ny varavarana iray teo atsimo; dimy hakiho no hatevin'io rarivato manodidina io. 12 Ilay trano nifanatrika tamin'ny fitoerana foana amin'ny lafiny andrefana, dia fitopolo hakiho ny sakany; dimy hakiho manodidina no hatevin'ny rindrin-trano, ary sivifolo hakiho ny lavany.
13 Nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny sakany, ny fitoerana foana, ny trano sy ny rindriny, zato hakiho ny lavany, 14 ary ny anoloan'ny trano sy ny fitoerana foana eny amin'ny atsinanana, zato hakiho ny sakany. 15 Norefesiny ny lavan'ny trano mifanatrika amin'ny fitoerana foana izay teo ivohon'ny trano mbamin'ny làlan-tsarany eo andaniny roa, ka zato hakiho. Tao amin'ny tempoly, dia ao anatiny sy ao amin'ny efitrano fidirana ho any amin'ny kianja, 16 dia voapetaka hazo mitovy tantana amin'ny manodidina, na ny tokonana, na ny varavankely makarakara aman-dalan-tsara manodidina, amin'izy telo manandrify ny tokonana. Hatramin'ny tany ka hatreo amin'ny varavarankely - 17 hatreo ambonin'ny varavarana ka hatreo amin'ny faran'ny trano ary eo ivelany koa, tamin'ny rindrina rehetra manodidina, na ao anatiny na eo ivelany, dia samy voarakotra lamba temitra 18 sy kerobima ary rofia avokoa; rofia iray no teo anelanelan'ny kerobima roa, ary ny kerobima iray nanan-tava roa: 19 ny iray tavan'olona mitodika ny rofia eo andaniny iray, ary ny iray tavan-diona kosa mitodika ny rofia eo andaniny iray hafa; nasiana an'izany avokoa ny trano manontolo. 20 Hatramin'ny tany ka hatreo ambonin'ny varavarana, nisy kerobima aman-drofia voaseho amin'ny rindrin'ny tempoly. 21 Efa-joro ny tolàna tamin'ny tempoly, ary teo anoloan'ny fitoerana masina indrindra, nisy zavatra toy ny otely hazo no fijery azy:
22 telo hakiho ny hahavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan'ny Tompo. 23 Ny tempoly sy ny fitoerana masina indrindra dia samy nisy varavarana;
24 ary ny varavarana samy kopadroa, ary ny lela varavarana roa samy nisy takelaka roa misavily, takelaka roa amin'ny lela varavarana iray, ary takelaka roa amin'ny lela varavarana iray hafa. 25 Teo amin'ny varavaran'ny tempoly nisy kerobima aman-drofia tahaka ny voaseho ao amin'ny rindrina, ary nisy tafo hazo teo anoloan'ny efitrano fidirana teo ivelany. 26 Nisy varavarankely makarakara sy rofia teo andaniny roa amin'ny rindrin'ny efitrano fidirana sy tamin'ny efitrano anilan'ny trano, ary tamin'ireo tafo hazo.
Toko faha-42
1 Nentin-dralehilahy nivoaka nianavaratra aho, ho ao amin'ny kianja ivelany, dia nentiny ho ao amin'ny efitrano manatrika ny fitoerana foana sy ny rindrina eo amin'ny avaratra.2 Zato hakiho ny lavany - varavarana avaratra, - dimampolo hakiho ny sakany; 3 tandrifin'ny roapolo hakiho amin'ny kianja anatiny, ary tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany, nisy làlantsara nifanandrify mifanongoa telo. 4 Teo anoloan'ny efitrano, nisy làlana folo hakiho no habeny, nisy làlana miditra ho ao anatiny koa, iray hakiho, ary nitodika nianavaratra ny varavarany. 5 Etiety kokoa ny efitrano ambony, - fa nangalana ho làlan-tsarany, - ka etiety kokoa noho ny efitra ambany sy ny efitrano antenantenany amin'ny trano, 6 fa nifanongoa telo izy ireo sady tsy mba nisy andry toy ny amin'ny kianja; ka izany no nahaety ny efitrano ambony noho ny efitrano ambany sy ny antenantenany. 7 Ny tamboho ivelany, mifanila amin'ireo efitrano eo amin'ny lafin'ny kianja ivelany, dia dimampolo hakiho ny laniny manatrika ny efitrano. 8 Fa dimampolo hakiho ny lavan'ny efitrano eo amin'ny lafin'ny kianja ivelany, ary zato hakiho kosa ny eo amin'ny lafin'ny tempoly. 9 Teo ambanin'ireo efitrano ireo, nisy fidirana mitodika miantsinanana ho an'izay avy ao amin'ny kianja ivelany.