Bokin'i Ezekiela
Toko faha-42
10 Teo amin'ny sakan'ny rindrin'ny kianja atsinanana, manatrika ny fitoerana foana sy ny tamboho, nisy efitrano koa,11 ary teo anoloany nisy làlana toy ny hita ao amin'ireo efitrano teo amin'ny lafiny avaratra; sahala ny lavany sy ny sakany, torak'izany koa ny fidirana aman-toetoetrany; 12 mitovy amin'ny an'ireo ihany koa ny varavaran'ireto efitrano eto atsimo; misy varavarana koa eo amin'ny fiandohan'ny làlana manaraka ny tamboho mifanandrify eo andrefana halehan'izay miditra. 13 Dia hoy izy tamiko: Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitran'ny fitoerana masina, ihinanan'ny mpisorona manatona an'ny Tompo ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io.
14 Rahefa tafiditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala ao amin'ny fitoerana masina izy mba ho ao amin'ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin'ny raharaha momba ny vahoaka. 15 Nony tapitra norefesiny ny tao anatin'ny trano, dia nentiny nivoaka aho ho ao amin'ny vavahady, izay mitodika miantsinanana ny anoloany, dia norefesiny ny manodidina io.
16 Norefesiny tamin'ny volotara fandrefesana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana ny manodidina azy. 17 Norefesiny ny lafiny avaratra, dia indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana ny manodidina azy. 18 Norefesiny ny lafiny atsimo: indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana. 19 Nitodika ny lafiny andrefana izy dia nandrefy indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana. 20 Norefesiny ny lafiny efatra amin'ny manodidina; fa nisy tamboho manodidina ny tempoly, ka diman-jato ny lavany, diman-jato ny sakany, mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
Toko faha-43
1 Dia nentiny ho eo ambavahady aho, eo amin'ilay vavahady mitodika miantsinanana.2 Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitr'Andriamanitr'Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon'ny voninahiny. 3 Ny tarehin-javatra hitako, dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin'ilay zavatra hitako teo amoron'ny ony Kobara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho. 4 Dia niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo, nihazo ny làlana teo amin'ny vavahady mitodika miantsinanana. 5 Tamin'izay, naingain'ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitry ny Tompo ny trano. 6 Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko.
7 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona! Eto no fitoeran'ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin'ny zanak'Israely na izy na ny mpanjakany, tsy handoto intsony ny anarako masina, amin'ny fahavetavetany, na ny fatim-panjakany, na ny fitoerana avony, 8 mametraka ny tokonany eo anilan'ny tokonako, sy ny tolanany eo anilan'ny tolanako, any ka rindrina sisa no nanelanelana ahy sy azy ireo, ka nandoto ny anarako masina izy tamin'ny fahavetavetana nataony, ary naringako noho ny fahatezerako. 9 Fa amin'izao kosa, hesoriny lavitra ahy ny fahavetavetany sy ny fatim-panjakany, ka honina eo aminy mandrakizay aho. 10 Hianao, ry zanak'olona, aoka hampahalala ny taranak'Israely an'ity trano ity, mba hahamenatra azy noho ny fahotany; ary aoka handrefy azy araka ny marika izy.
11 Raha menatra izy noho izay rehetra efa nataony, dia ambarao azy ny endrik'ity trano ity, ny filaminany, ny fivoahana amam-pidirana aminy, ny andriny, ny fandaharana rehetra momba azy, ary ny fombany aman-dàlana rehetra; ataovy an-tsoratra eo imasony izany rehetra izany, mba hitandremany ny fombany amam-pitsipiny rehetra, sy hanatanterahany an'izany. 12 Izao no lalàna amin'ny trano: Masina dia masina avokoa, ny tokotany rehetra momba azy manodidina eo an-tampon'ny tendrombohitra. Izany no lalàna amin'ny trano.
13 Izao no refin'ny otely amin'ny hakiho, fa ny hakiho kosa dia hakiho sy vodivoam-pelatànana; ny lakan-drano iray hakiho ny hahavony, iray hakiho ny sakany; ny molony manodidina azy irain-jehy. Toy izany no fiantombenan'ny otely.
14 Hatramin'ny lakan-drano eo amin'ny tany, ka hatreo amin'ny koronosy manodidina ambany, roa hakiho, ary iray hakiho ny sakany; hatramin'ny koronosy kely ka hatramin'ny koronosy lehibe, efatra hakiho, ary iray hakiho ny sakany. 15 Efatra hakiho ny Harely; ary avy eo amin'ny Harely; ary avy eo amin'ny Ariely eo ambony no ijoroan'ny tandroka efatra. 16 Roa ambin'ny folo hakiho, ny lavan'ny Ariely; roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany; efa-joro sokera tsara izy. 17 Efatra ambin'ny folo hakiho ny koronosy amin'ny lafiny efatra; efatra ambin'ny folo hakiho ny halavany, ary efatra ambin'ny folo hakiho ny sakany; antsasaky ny hakiho, ny molony manodidina; misy lakan-drano iray hakiho manodidina azy; mitodika miantsinanana ny ambaratongany. 18 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Izao no lalàna ny amin'ny otely amin'ny andro hanaovana azy, hanaterana sorona dorana sy hamafazana ra aminy:
19 Tolory vantotr'ombalahy iray hatao sorona noho ny ota, ny levita mpisorona izay avy amin'ny taranak'i Sadaoka, sy manatona ahy, - teny marin'ny Tompo Tompo, - hanompo ahy. 20 Hangalanao ny rany, dia atenteno ny tandrony efatra amin'ny otely, ny zorony efatra amin'ny koronosiny, ary ny molony manodidina, hanaovanao fanonerana amam-panavotana ny otely. 21 Halainao ny ombalahy natolotra noho ny ota, ka hodorana amin'ny fitoerana efa voatokana ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina. 22 Amin'ny andro faharoa, manatera vantotr'osilahy, tsy misy kilema, ho fanatitra noho ny ota; ary manaova fanonerana ho an'ny otely toy ny natao tamin'ny ombalahy. 23 Rahefa vitanao ny fanonerana dia manatera vantotr'ombalahy iray tsy misy kilema, sy ondralahy iray avy amin'ny andriany, tsy misy kilema. 24 Hianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan'ny Tompo; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin'ny Tompo. 25 Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro, ho sorona noho ny ota; manatera koa ombalahy iray sy ondralahy iray, avy amin'ny andiany, tsy misy kilema. 26 Hafitoana no hanaovam-panavotana ho an'ny otely dia hanadiovana azy sy hanamasinana azy. 27 Rahefa tapitra ny hafitoana, ny andro fahavalo sy ny manaraka dia hanoloran'ny mpisorona eo ambonin'ny otely ny sorona doranareo sy ny sorona fisaoranareo, ka hankasitrahako hianareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
Toko faha-44
1 Dia nentiny niverina aho, tamin'ny làlana mankamin'ny alo-baravarana ivelany amin'ny fitoerana masina mitodika miantsinanana; nikatona io.2 Ary hoy Iaveh tamiko: Hikatona ity alo-baravarana ity fa tsy hivoha na hidiran'olona akory, fa io no nidiran'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ka hikatona izy. 3 Ary ny amin'ny mpanapaka, noho ny maha-mpanapaka azy, dia hipetraka eo izy, hihinan-kanina eo anatrehan'ny Tompo; eo amin'ny efitrano fidirana ho ao amin'ny alo-baravarana no hidirany, ary eo amin'io làlana io ihany koa no hivoahany. 4 Nony avy eo, nentiny mankamin'ny alo-baravarana avaratra aho, eo anoloan'ny trano; ka nahita ny voninahitry ny Tompo nameno ny trano, dia niankarapoka nihohoka aho.
5 Ary hoy Iaveh tamiko: Ry zanak'olona, mitandrema tsara, mijere amin'ny masonao, mihainoa amin'ny sofinao, izay rehetra holazaiko aminao ny amin'ny fandaharana rehetra momba ny tranon'ny Tompo sy momba ny lalàny rehetra. Tandremo tsara ny amin'izay tsy maintsy miditra ho ao an-tranon'ny Tompo, amin'ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina. 6 Lazao amin'ireo mpiodina amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Aoka izay ny fahavetavetanareo rehetra, ry taranak'Israely, 7 dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin'ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin'ny nanateranao ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin'ny fahavetavetanareo rehetra. 8 Hianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatra masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana ahy ao amin'ny fitoerako masina, hahitanareo soa. 9 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy misy hiditra ao amin'ny fitoerako masina amin'ireo taranaky ny hafa firenena tsy mifora fo na mifora nofo akory, rahefa mety ho taranaky ny hafa firenena eo amin'ny zanak'Israely. 10 Izao koa: Ireo levita nanalavitra ahy, tamin'ny andro nivilian'Israely, izay nivily nanalavitra ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.
11 Izy ireo, ao amin'ny fitoerako masina, dia ho mpanompo miandry ny varavaran'ny trano, sy manao ny fanompoana ao amin'ny trano; izy ireo no hamono ho an'ny vahoaka ny zavatra hatao sorona dorana, na sorona hafa, ary hijanona eo anatrehan'ny vahoaka hanompo azy. 12 Noho izy ireo nanompo azy teo anoloan'ny sampiny vetaveta, sy nandatsaka ny taranak'Israely tamin'ny heloka, noho izany, dia efa nanangan-tànana hamely azy aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh, - nianiana fa hitondra ny helony izy.