Bokin'i Ezekiela
Toko faha-44
13 Tsy hanatona ahy hanao ny raharahan'ny fisoronana izy ireo na hanakaiky ny zavatro masina rehetra, eo amin'ny fitoerana masina indrindra, fa hivesatra ny fahafaham-barakany aman-tsazin'ny fahavetavetana nataony. 14 Hataoko miandraikitra ny fanompoana momba ny trano, rahefa mety ho raharaha fanao ao, sy izay rehetra tokony hatao ao. 15 Fa ireo levita mpisorona, taranak'i Sadaoka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin'ny nivilian'ny zanak'Israely nanalavitra ahy, dia izy ireo no hanatona ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, - teny marin'ny Tompo Iaveh.16 Izy ireo no hiditra ao amin'ny fitoerako masina; izy ireo no hanatona ny latabatro hanao ny fanompoana amiko ary hitandrina ny fitsipiko izy. 17 Rahefa miditra ny alo-baravaran'ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon'ondry eny aminy, rahefa manao ny fanompoana eo amin'ny alo-baravaran'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18 Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany, kalisaonina rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hihetra zava-mahatsemboka azy izy. 19 Rahefa mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin'ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin'ny efitranon'ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin'ny fitafiany izy. 20 Ny lohany tsy hoharatany, ary tsy havelany haniry ny volony ho lava fa hihety volon-doha izy. 21 Rahefa mety ho mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin'ny kianja anatiny. 22 Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na voasaotra; fa izay virijiny, iray razana amin'ny taranak'Israely ihany; hahazo manambady vehivavy mpitondra-tena novinadin'ny mpisorona efa maty. 23 Izy ireo no hampianatra ny vahoakako hahay hanavaka ny masina sy ny tsy masina; izy ireo no hampianatra azy hahay hanavaka ny maloto sy ny madio; 24 izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarany. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin'ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako. 25 Tsy hisy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireo; hany azony handotoan-tena dia noho ny rainy, ny reniny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, ny anabaviny tsy manam-bady. 26 Ary rahefa vita fandiovan-tena izy dia hanisana andro fito; 27 ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin'ny Tompo Iaveh. 28 Izao no lova ho azy ireo: Izaho no ho lovany; tsy homenareo zara-tany eo amin'Israely izy; fa izaho no ho anjarany.
29 Ny hiveloman'izy ireo dia ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ary ny sorona noho ny fahadisoana; ary izay rehetra hatao anatema amin'Israely, dia ho azy ireo avokoa. 30 Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin'ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an'ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran'ny tsodrano ao amin'ny tranonareo. 31 Ny biby maty na voaviravira rehetra, na vorona na biby, dia tsy hohanin'ny mpisorona.
Toko faha-45
1 Rahefa mizara ny tany amin'ny filokana hianareo, hanananareo azy, dia manokàna anjara masina amin'ny tany, mba ho fanatitra ho an'ny Tompo: dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, ary iray alina ny sakany; ho masina avokoa izy, manerana ny habeny amin'ny manodidina rehetra.2 Ny sasany hanaovana ny fitoerana masina, diman-jato hakiho ny lavany, diman-jato ny sakany, dia efa-joro sokera amin'ny manodidina rehetra, ary dimampolo hakiho hatao faritany manodidina azy akaiky. 3 Amin'izay tany voarefy no handrefesanao dimy arivo sy roa alina ny lavany, iray alina ny sakany, ka ao no hisian'ny fitoerana masina, dia ny fitoerana masina indrindra. 4 Ho anjara masina amin'ny tany izany, ka ho an'ny mpisorona manao fanompoana momba ny fitoerana masina sy manatona hanompo an'ny Tompo: ho fitoerana misy ny tranon'izy ireo izany, ary ho fitoerana masina misy ny fitoerana masina koa. 5 Dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany, iray alina ny sakany, no ho an'ny levita, izay manao ny fanompoana momba ny trano; hanan-tanàna ao izy, honenany ao. 6 Mamaritra dimy arivo hakiho ny sakany, dimy arivo sy roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny voatokana ho anjara masina, ho anjara fananan'ny tanàna; ny taranak'Israely no hanana an'izany.
7 Ny ho an'ny mpanapaka dia angalao eo an-daniny roa amin'izay voatokana ho anjara masina sy ny anjara fananan'ny tanàna, manaraka ny lavan'ny anjara masina sy ny lavan'ny anjara fananan'ny tanàna, ny andrefana mikipaka miankandrefana, ny atsinanana mikipaka miatsinanana, ny lavany mifanerana amin'ny lavan'ny anjara anankiray, avy amin'ny sisiny andrefana, ka hatramin'ny sisiny atsinanana.
8 Izany no ho taniny sy anjara fananany eo amin'Israely; ary tsy hampahory ny vahoakako intsony ny mpanapaka, fa hamela ny tany ho an'ny taranak'Israely, arakaraka ny fokony avy. 9 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpanapaka eo amin'Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo va ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin'ny vahoakako ny fihorahanareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 10 Manaova mizàna marina, efah marina, ary bata marina. 11 Hitovy fatra ny efah sy ny bata, ka ny efah dia ho ampahafolon'ny homera, ary ny bata ho ampahafolon'ny homera; ny homera no hangalana fatra azy. Ho roapolo gerah ny sikla. 12 Ny mina ao aminareo ho roapolo sikla, dimy amby roapolo sikla, dimy ambin'ny folo sikla. 13 Izao no fanatitra hatokanareo: ampahenin'ny efah isaky ny fromenta iray homera, ampahenin'ny efah isaky ny orja iray homera.
14 Ny didy momba ny diloilo, momba ny diloilo iray bata: ampahafolon'ny bata isaky ny iray kora, izay mitovy amin'ny iray homera misy folo bata, fa folo bata no iray homera. 15 Ondry iray, avy ao amin'ny vala, isan-droan-jato eny amin'ny tany be vilona, eo amin'Israely no hatao fanatitra, sorona dorana, sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho azy ireo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 16 Ny vahoaka rehetra amin'ny tany no tsy maintsy manokana izany ho an'ny mpanapak'Israely. 17 Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin'ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin'ny fety lehibe rehetra ankalazain'ny taranak'Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an'ny taranak'Israely. 18 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Amin'ny volana voalohany, ny andro voalohan'ny volana, mangalà vantotr'ombalahy tsy misy kilema, ka manaova fanonerana ho an'ny fitoerana masina.
19 Hangalan'ny mpisorona ny ran'ny sorona noho ny ota, dia hateniny amin'ny tolàn'ny trano sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindrin'ny otely ary amin'ny tolàn'ny alo-baravaran'ny kianja anatiny. 20 Toy izany koa no hataonao, amin'ny andro fahafiton'ny volana ho an'izay nanota tsy nahy, na noho ny hakelezan-tsaina; dia fifonana ho an'ny trano no hataonareo. 21 Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana no hanaovanareo ny Paka, fety maharitra herinandro; mofo tsy misy lalivay no hohanina.
22 Hanolotra omby iray ny mpanapaka amin'izany andro izany, hatao fanatitra noho ny ota, ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoakan'ny tany. 23 Ary mandritra ny hafitoana amin'izany fety izany, dia hanatitra sorona dorana ho an'ny Tompo izy, dia ombalahy fito, ondralahy, tsy misy kilema, fito, isan'andro avy amin'ny andro fito, ary osilahy iray isan'andro hatao sorona noho ny ota. 24 Hanao ny fanatitra koa izy, lafarina iray efah isan'ombalahy sy iray efah isan'ondralahy, ary diloilo iray hina isan'efah. 25 Amin'ny volana fahafito, andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, mandritra ny fety dia hateriny mandritra ny hafitoana, ireo sorona noho ny ota sy ireo sorona dorana, ary ireo fanatitra mbamin'io diloilo io ihany koa.
Toko faha-46
1 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin'ny kianja anatiny mitodika miatsinanana, amin'ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin'ny andro sabata; hivoha koa izy amin'ny andro voalohan'ny volana.2 Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin'ny efitrano fidirana ao amin'ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan'ny tolàn'ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin'ny tokonan'ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan'ny andro. 3 Ny vahoakan'ny tany hiakohoka eo anoloan'izany alo-baravarana izany, eo anatrehan'ny Tompo amin'ny sabata sy ny voalohan'ny volana. 4 Ny sorona dorana, haterin'ny mpanapaka ho an'ny Tompo amin'ny andro sabata, dia zanak'ondry, tsy misy kilema, enina, sy ondralahy iray tsy misy kilema. 5 Ary ny hatao fanatitra, dia lafarina iray efah momba ny ondralahy: ny hatao fanolorana momba ny zanak'ondry, dia izay hafoiny, miaraka amin'ny diloilo iray hina, isaky ny iray efah. 6 Ny hateriny amin'ny andro voalohan'ny volana kosa dia vantotr'ombalahy iray tsy misy kilema, zanak'ondry enina sy ondralahy iray tsy misy kilema.