Bokin'i Ezekiela

Toko faha-46

7 Hanome fanatitra iray efah isan'ny ondralahy iray; ary ny amin'ny zanak'ondry dia izay azony afoy miaraka amin'ny diloilo iray hina isaky ny iray efah. 8 Raha miditra ny mpanapaka, dia hihazo eo amin'ny efitrano fidirana amin'ny alo-baravarana, ary amin'io làlana io ihany koa no hivoahany.

9 Raha miditra ho eo anatrehan'ny Tompo ny vahoakan'ny tany amin'ny fety lehibe, izay miditra amin'ny alo-baravarana avaratra, hiankohoka, dia hivoaka amin'ny varavarana atsimo; ary izay miditra amin'ny alo-baravarana atsimo, hivoaka amin'ny alo-baravarana avaratra; tsy hiverina amin'izay alo-baravarana nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny no hivoahany. 10 Ny mpanapaka koa hiditra miaraka amin'izy ireo, sy hivoaka toy ny hivoahan'izy ireo. 11 Amin'ny fety amam-pety lehibe, ny fanatitra dia iray efah isan-ombalahy iray sy iray efah isan'ondralahy iray, ary izay afoin'ny mpanapaka ihany kosa momba ny zanak'ondry, miaraka amin'ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.

12 Raha hanatitra fanatitra an-tsitra-po ny mpanapaka, na sorona dorana na sorona fisaorana izany, dia fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo, dia hamohàna ny alo-baravarana mitodika miatsinanana izy. Dia hanatitra ny sorona dorany na ny sorona fisaorany izy, toy ny fanaony amin'ny andro sabata, dia hivoaka izy, dia harindrina ny vavahady, rahefa tafavoaka izy.

13 Hanatitra zanak'ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema hianao, ho sorona dorana isa-maraina ho an'ny Tompo; isa-maraina no hanateranao izany.

14 Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin'izay, fanatitra, dia ampahefan'ny efah, sy diloilo am-pahatelon'ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an'ny Tompo: lalàna maharitra mandrakizay izany. 15 Haterina isa-maraina ny zanak'ondry sy ny fanatitra miaraka amin'ny diloilo; izany no sorona dorana tsy tapaka. 16 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin'ny zanany no toloran'ny mpanapaka fanomezana, dia ho lovan'ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an'izany.

17 Fa raha ny iray amin'ny mpanompony kosa no tolorany fanomezana avy amin'ny lovany, dia ho an'ny mpanompo ihany izany fanomezana izany, mandra-pahatongan'ny taona fahafahana; fa rahefa afaka izany, dia hiverina amin'ny mpanapaka indray izany, ka ny zanany ihany no hanana ny lovany. 18 Tsy haka ny lovan'ny olona amin'ny fandroahana azy an-keriny hiala amin'ny zara taniny ny mpanapaka; fa ny taniny ihany no hanomezany lova ho an-janany, mba tsy ho voaroaka ny vahoakako samy hiala amin'ny taniny avy. 19 Nentiny aho nihazo tamin'ny fidirana eo anilan'ny alo-baravarana ho ao amin'ireo efitrano masina natokana ho an'ny mpisorona, dia ireo efitrano mitodika mianavaratra; ary indro, nisy fitoerana teo amin'ny farany anantiny, amin'ny ilany andrefana.

20 Ka hoy izy tamiko: Eto no fandrahoan'ny mpisorona ny sorona natolotra noho ny fahadisoana sy ny ota, sy hanendasany ny fanatitra, mba tsy hitondrany azy ho any amin'ny kianja ivelany, hanamasina ny vahoaka. 21 Dia nentiny nivoaka ho ao amin'ny kianja ivelany aho, ka nentiny mankao amin'ny zorony efatra amin'ny kianja, ary indro isaky ny zoron'ny kianja, nisy tokotany. 22 Tokotany voafefy no teo amin'ny zorony efatra amin'ny kianja, efapolo hakiho ny lavany, ary telopolo ny sakany; ireo tokotany amin'ny zorony efatra ireo, dia mitovy refy. 23 Misy fefy manodidina azy efatra ary misy fatana fandrahoana natao teo am-pototr'ireo fefy manodidina. 24 Ary hoy izy tamiko: Ireto no trano fandrahoana handrahoan'ny mpanompon'ny trano ny hena avy amin'ny sorona nataon'ny vahoaka.

Toko faha-47

1 Nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin'ny tokonan'ny trano, amin'ny lafiny atsinanana, fa nitodika niatsinanana ny anoloan'ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin'ny lafitrano ankavanana tao atsimon'ny otely.

2 Nentiny nivoaka tamin'ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin'ny alo-baravarana ivelany mitodika miatsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin'ny lafiny ankavanana. 3 Nony tafavoaka niatsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tànany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka havalahana ny rano. 4 Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy hita ny rano aho, ka havalahana ny rano. 5 Nandrefy arivo hakiho indray, ka efa ony maria tsy azoko nitàna intsony, fa nihalalina ny rano; efa rano itàna milomano, ony maria tsy azo itàna amin'izao. 6 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, nahita va hianao? Dia nentiny niverina ho eo amoron'ny ony maria aho. 7 Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be teo amoron'ny ony maria eo an-daniny roa. 8 Hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mandeha mankany amin'ny faritany atsinanana; hidina ho any amin'ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin'ny ranomasina; hoentina mankany amin'ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.

9 Ny zava-manan'aina mihetsiketsika any amin'izay halehan'ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan'ny ony maria. 10 Hitsangana eo amoron'izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; ho velarana harato ny hatrany Engaddi, ka hatrany Engallima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin'ny ranomasina lehibe. 11 Fa ny honahona sy ny heniheny kosa, tsy hovana ho mahasalama fa havela ho an'ny sisa. 12 Eo akaikin'ny ony, amin'ny morony andaniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara. 13 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zara-taninareo araka ny foko roa ambin'ny folo amin'Israely; anjaran-droa no ho an'i Josefa.

14 Samy hanana anjara avokoa hianareo, dia anjara amin'io tany nampanantenaiko, efa nananganako tanàna, homena ny razanareo, ka dia ho tonga fanananareo izany tany izany. 15 Izao no ho faritry ny tany: Ny avaratra, hatreo amin'ny ranomasina lehibe amin'ny làlan'i Hethalona mankany Sedada.

16 Ny tany Hamata, Berotha, ary Sabarima, anelanelan'ny faritanin'i Damasa sy ny faritanin'i Hamata; Hatzera-Tikona, eo amin'ny faritanin'ny Haorana. 17 Ka izao no faritany hatramin'ny ranomasina: Hatzera-Enona, ny sisin-tanin'i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin'ny sisin-tanin'i Hamata. Izany no lafiny avaratra. 18 Ny atsinanana: Hatramin'ny faritra mampisaraka an'i Haorana sy Damasa, dia eo anelanelan'i Galaada sy ny tanin'Israely no alehan'ny faritra amin'ny tany dia Jordany. Hatramin'ny sisin-tany avaratra, ka hatramin'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. 19 Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Thamara ka hatrany amin'ny ranon'i Meriba any Kadesa, dia ny amin'ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin'ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin'ny Negeba. 20 Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin'io sisin-tany io, ka hatramin'ny hadilan-tanin'i Hamata. Izany no lafiny atsimo. 21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany, araka ny fokon'Israely.

22 Amin'ny filokana no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an'ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loajaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin'ny zanak'Israely, izy ireo, ka filokana no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin'ny fokon'Israely. 23 Ao amin'izay foko itoeran'ny vahiny no hanomezanareo ny anjara lovany, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

Toko faha-48

1 Izao no anaran'ny foko: Hatramin'ny tendrony avaratra manaraka ny làlan'i Hethalona ho any Hamata, Hatzera-Enona, ny sisin-tanin'i Damasa mianavaratra, manaraka ny lavan'i Hamata, izao avy no ho an'ny isam-poko: hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Dana.

2 Manolotra ny sisin-tanin'i Dana hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana; anjara iray ho an'i Asera. 3 Manolotra ny sisin-tanin'i Asera, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'ny Neftalì. 4 Manolotra ny sisin-tanin'i Neftalì, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray, ho an'i Manase. 5 Manolotra ny sisin-tanin'i Manase, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Efraima. 6 Manolotra ny sisin-tanin'i Efraima, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an-dRobena. 7 Manolotra ny sisin-tanin-dRobena, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Jodà. 8 Manolotra ny sisin-tanin'i Jodà, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana, no ho ilay anjara hatokanareo, dimy arivo sy roa alina ny sakany, ary mifanerana amin'ny anjara iray ny lavany, dia hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: eo afovoany no hatao ny fitoerana masina.

9 Ny anjara hatokanareo ho an'ny Tompo dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, iray alina hakiho ny sakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1005