Bokin'i Ezekiela
Toko faha-48
10 Izany anjara masina hatokanareo izany no ho an'ny mpisorona, dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho, ao avaratra, iray alina hakiho ny sakany ao andrefana, iray alina hakiho ny sakany ao atsinanana, ary dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany ao atsimo; ho ao afovoany ny fitoerana masin'ny Tompo. 11 Ho an'ny mpisorona voahasina, taranak'i Sadaoka, izay nanefa ny fanompoana ahy, fa tsy mba nivily tamin'ny fotoana nivilian'ny zanak'Israely, tahaka ny nivilian'ny levita. 12 Ho anjarany voatokana amin'ny tany izany anjara masina indrindra eo amin'ny sisin-tanin'ny levita. 13 Ny levita no hanana ny manolotra ny tanin'ny mpisorona ka ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, iray alina ny sakany; fa samy ho dimy arivo sy roa alina hakiho avokoa ny lavany, ary iray alina ny sakany.14 Tsy misy azony hamidy na hatakalo izany; ny voaloham-bokatry ny tany koa tsy ho azo hamidy; fa masina ho an'ny Tompo izany. 15 Ny dimy arivo sakany, navela mifanolotra amin'ny dimy arivo sy roa alina, dia ho tany tsy masina, homba ny tanàna, dia ho an'ny tanàna honenana sy ho an'ny tany malalaka manodidina akaikin'ny tanàna, ka dia ho eo afovoany, ny tanàna.
16 Izao no ho habeny: diman-jato sy efatra arivo hakiho ny lafiny avaratra; diman-jato sy efatra arivo ny lafiny atsimo; diman-jato sy efatra arivo ny lafiny atsinanana; diman-jato sy efatra arivo ny lafiny andrefana. 17 Dia hisy tany manodidina ny tanàna, dia ho dimampolo sy roan-jato hakiho ny avaratra, dimampolo sy roan-jato ny atsimo, dimampolo sy roan-jato ny atsinanana, ary dimampolo sy roan-jato ny andrefana. 18 Manaraka ny lavan'ny anjara masina, hamelana iray alina hakiho ny atsinanana, ary iray alona koa ny andrefana, manaraka ny lavan'ny anjara masina; hatao sakafon'ny mpiasa ao an-tanàna ny vokany. 19 Ny mpiasa ao an-tanàna, alaina amin'ny fokon'Israely rehetra, no hiasa izany tany izany. 20 Koa dia dimy arivo sy roa alina hakiho amin'ny ilan'ny tany rehetra voatokana, ary dimy arivo sy roa alina amin'ny ilany iray hafa, ny hatokanareo ho tany momba ny tanàna, dia ampahefatry ny anjara masina izany. 21 Ho an'ny mpanapaka ny sisa: eo an-danin'ny anjara masina sy ny tany momba ny tanàna ary hatramin'ny dimy arivo sy roa alina amin'ny anjara voatokana, ka hatramin'ny sisin-tany atsinanana, ary any amin'ny andrefana, hatramin'ny dimy arivo sy roa alina, ka hatramin'ny sisin-tany andrefana, mifanandrify amin'ny tany efa voazara; izany no ho anjaran'ny mpanapaka; ary anjara masin'ny trano no ho eo afovoany.
22 Izany hoe: hatramin'ny tanin'ny levita sy ny tany momba ny tanàna, izay eo afovoan'ny anjaran'ny mpanapaka, dia an'ny mpanapaka avokoa, ny eo anelanelan'ny sisin-tanin'i Jodà sy ny sisin-tanin'i Benjamina. 23 Ny an'ny foko sisa kosa: hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Benjamina.
24 Manolotra ny sisin-tanin'i Benjamina, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Simeona. 25 Manolotra ny sisin-tanin'i Simeona, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana, anjara iray ho an'Isakara. 26 Manolotra ny sisin-tanin'Isakara, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana, anjara iray ho an'i Zabolona. 27 Manolotra ny sisin-tanin'i Zabolona, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Gada. 28 Ny sisin-tany, amin'ny lafin'ny Negeba manolotra ny sisin-tanin'i Gada, dia hatrany Thamara no mankany amin'ny ranon'i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin'ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany. 29 Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana hanananareo azy araka ny fokon'Israely; ary izany avy no ho anjarany, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
30 Izao avy no fivoahana avy eo an-tanàna: amin'ny lafiny avaratra, diman-jato sy efatra arivo hakiho no ho refiny, -
31 haka anarana amin'ny fokon'Israely ny vavahady, - hisy vavahady telo: vavahadin-dRobena, iray; vavahadin'i Jodà, iray; vavahadin'i Levì iray. 32 Amin'ny lafiny atsinanana, diman-jato sy efatra arivo hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin'i Josefa, iray; vavahadin'i Benjamina, iray; vavahadin'i Dana, iray. 33 Amin'ny lafiny atsimo, diman-jato sy efatra arivo hakiho ny refiny, hisy vavahady telo: vavahadin'i Simeona, iray; vavahadin'Isakara, iray; vavahadin'i Zabolona, iray. 34 Amin'ny lafiny andrefana diman-jato sy efatra arivo hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin'i Daga, iray; vavahadin'i Asera, iray; vavahadin'i Neftalì, iray. 35 Valo arivo sy iray alina hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.
Bokin'i Daniely
Toko voalohany
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, tonga Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona hamely an'i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.2 Natolotry ny Tompo, ho an-tànany, Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin'ny tany Sennaara, ao amin'ny tranon'ny andriamaniny, sady napetrany tao amin'ny firaketan'andriamaniny ny fanaka. 3 Nanome teny an'i Asfeneza, lehiben'ny eonokany, ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasany amin'ny zanak'Israely izay isan'ny taranak'andriana, na izay avo razana,
4 ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeana. 5 Natokan'ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan'andro, amin'ny hanin'ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan'ny mpanjaka, rahefa nobeazina telo taona izy ireo. 6 Anisan'ireo: Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, avy amin'ny taranak'i Jodà. 7 Nomen'ny lehiben'ny eonoka anarana izy ireo: ka Daniely nataony hoe Baltasara, Ananiasa nataony hoe Sidraka, Misaely nataony hoe Misaka, ary Azariasa nataony hoe Abdenagao. 8 Ary tapakevitra tao am-pony Daniely fa tsy handoto tena amin'ny hanim-pihinan'ny mpanjaka sy ny divay fisotrony: ka nangataka tamin'ny lehiben'ny eonoka izy mba tsy hanery azy handoto tena.
9 Ary nataon'Andriamanitra nahita fitia tamin'ny lehiben'ny eonoka Daniely. 10 Hoy ny lehiben'ny eonoka tamin'i Daniely: Matahotra ny mpanjaka tompoko, aho, fa tenany no nandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo; fa ahoana moa izy no hahita ny tarehanareo mahia noho ny an'ireo zatovo mitovy taona aminareo? Hanao izay hanapahan'ny mpanjaka ny lohako hianareo izany. 11 Dia hoy Daniely tamin'ny mpikarakara sakafo notendren'ny lehiben'ny eonoka hikarakara an'i Daniely, Ananiasa, Misaely, sy Azariasa: 12 Masìna hianao, manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanompoanao: hanin-kotrana ho hanina sy rano hosotroina ihany omena anay. 13 Ka rahefa afaka izany, samy hojerenao ny tarehanay sy ny an'ireo zatovo mihinana amin'ny hanin'ny mpanjaka, dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao. 14 Nekeny ny hatak'izy ireo, ka nizaha toetra azy izy hafoloana. 15 Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra nihinana tamin'ny hanin'ny mpanjaka. 16 Ka dia nentin'ilay mpikarakara sakafo ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny, fa hanin-kotrana no nomeny azy. 17 Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy, samy nomen'Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra; ary Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
18 Nony tonga ny fotoana voatendrin'ny mpanjaka hampidirana azy rehetra, dia nentin'ny lehiben'ny eonoka ho eo anatrehan'i Nabokodonozora izy ireo. 19 Niresaka tamin'izy rehetra ny mpanjaka, ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an'i Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo. 20 Tamin'ny zavatra rehetra ilam-pahalalana, nanontanian'ny mpanjaka azy ireo, dia hitany fa nanatombo impolo heny noho ny an'ny mpahay taratasy amam-pisikidy rehetra, teo amin'ny fanjakany manontolo, ny fahambonian'izy ireo. 21 Toy izany Daniely hatramin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosy.
Toko faha-2
1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nabokodonozora, nanonofy Nabokodonozora, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita tory intsony izy.2 Nampanalain'ny mpanjaka ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny mpimasy, ary ny Kaldeana, hivaofy ny nofiny aminy; dia tonga ireo, ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka. 3 Ary hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo: Nanonofy aho, ka nitebiteby ny fanahiko, te hahalala izany nofy izany.