Bokin'i Daniely
Toko faha-4
5 Nony farany, tonga teo anatrehako Daniely ilay atao hoe Baltasara ny anarany, araka ny anaran'ny andriamanitro, sady manana ao anatiny ny fanahin'ireo andriamanitra masina, ka nambarako teo anatrehany ny nofy, nataoko hoe: 6 Ry Baltasara, lehiben'ny mpahay taratasy ô, fantatro fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao; ka ambarao ahy ny fahitana hitako tamin'ny nofy, mbamin'ny heviny. 7 Izao no fahitana hitan'ny fanahiko teo am-pandriako: Nahita aho, ka indro tokazo avo be teo afovoan'ny tany. 8 Nitombo sy nihahery ny hazo nahatakatra ny lanitra ny tendrony, hita hatrany amin'ny faran'ny tany izy; 9 tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany, nisy hohanin'izao rehetra izao teo aminy; nialoka teo ambaniny ny biby an-tsaha, nipetraka teny amin'ny rantsany ny voromanidina, ary nahazo hanina avy aminy ny nofo rehetra. 10 Nibanjina izany fahitan'ny fanahiko izany, teo am-pandriana aho ka indro nisy mpiambina masina, nidina avy any an-danitra, 11 niantso mafy nanao hoe: Kapaho ny hazo, tapaho ny rantsany, ahintsano ny raviny, aelezo ny voany; aoka hiparitaka ny biby eo ambaniny, ary hiala amin'ny rantsany ny voromanidina. 12 Kanefa avelao ao amin'ny tany ny fototry ny fakany, fa asio rojo vy amam-barahana, eo afovoan'ny ahitra any an-tsaha. Dia aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka hiombonany amin'ny biby ny ahitra amin'ny tany. 13 Aoka ny fony tsy ho fon'olombelona intsony, fa fom-biby no homena azy, ka fetr'andro fito no holanina aminy. 14 Ity teny fitsarana ity miankina amin'ny didin'ireo mpiambina; ary ity raharaha ity dia lahatr'ireo masina, mba hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, ka izay tiany no omeny an'izany, ary ny olona ambany indrindra asandrany ho amin'izany. 15 Izany no nofy hitako, izaho Nabokodonozora mpanjaka, ary hianao kosa, ry Baltasara, no aoka hilaza ny heviny fa tsy nisy nahay nampahafantatra tamiko, ny olon-kendry rehetra eto amin'ny fanjakako; hianao no mahay izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina. 16 Dia vaka teo aloha kelikely Daniely izay atao hoe Baltasara; ary nampitebiteby azy ny eritreriny. Fa niteny indray ny mpanjaka nanao hoe: Aoka tsy hitebiteby hianao amin'ny nofy sy amin'ny heviny. Namaly Baltasara nanao hoe: Tompokolahy ô, ho amin'ny fahavalonao anie ny nofy, ary ho amin'izay mankahala anao anie ny heviny.17 Ny hazo hitanao izay nihalehibe sy nihanahery nahatakatra ny lanitra ny tendrony, hita amin'ny rehetra izy; 18 tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany; nisy hanina ho an'izao rehetra izao teo aminy: nialofan'ny biby an-tsaha teo ambaniny; ary nipetrahan'ny voromanidina ny rantsany, 19 io hazo io dia hianao ihany, ry mpanjaka ô, hianao izay nihalehibe sy nihanahery, ka nitombo sy nahatakatra ny lanitra ny halehibezanao; ary mihatra amin'ny faran'ny tany ny fanapahanao. 20 Ny nahitan'ny mpanjaka mpiambina masina, nidina avy any an-danitra, nanao hoe: Kapao ny hazo, ary ravao izy; kanefa avelao ao amin'ny tany ny fototry ny fakany, fa asio rojo vy amam-barahana, eo afovoan'ny ahitra any an-tsaha; dia aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy ary aoka iombonany amin'ny biby, any an-tsaha, mandra-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy, 21 dia izao no heviny, ry mpanjaka ô! Didin'ny Avo Indrindra tsy maintsy hihatra amin'ny mpanjaka tompoko izany. 22 Horoahina hiala amin'ny olombelona hianao; ho any amin'ny biby any an-tsaha, ny fonenanao; hampihinanina ahitra hoatra ny omby hianao, havela ho kotsan'ny andon'ny lanitra hianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao, mandra-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, sy manome izany ho an'izay tiany. 23 Ary mba havela kosa, dia mbola haverina aminao indray ny fanjakanao, rahefa ekenao fa an'ny lanitra ny fizakana. 24 Koa ankasitraho, ry mpanjaka, izao torohevitro izao: onero amin'ny fahamarinana, ny fahotanao; ary amin'ny fiantrana ny mahantra ny helokao; ndrao mba maharitra ahay ny fiadananao. 25 Nihatra tamin'i Nabokodonozora mpanjaka, avokoa izany zavatra rehetra izany.
26 Nony afaka roa ambin'ny folo volana, raha ilay nitsangantsangana teo amin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka teo Babilona iny ny mpanjaka 27 dia niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babilona lehibe izay naoriko ho fonenam-panjakana tamin'ny haben'ny heriko, mba ho voninahitry ny fiandrianako. 28 Fa mbola teo am-bavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy feo nidina avy any an-danitra nanao hoe: Ampahalalaina hianao, ry Nabokodonozora, fa niala lavitra anao ny fanjakanao. 29 Horoahina hiala amin'ny olombelona hianao, ho any amin'ny biby any an-tsaha ny fonenanao; hampihinanina ahitra hoatra ny omby hianao, mandra-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, sy manome izany ho an'izay tiany. 30 Dia tanteraka tamin'i Nabokodonozora teo no ho eo ihany izany teny izany, nesorina hiala amin'ny olombelona izy; nihinana ahitra hoatra ny omby izy; nokotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany, mandra-panirin'ny volony hoatra ny an'ny voromahery, ary ny hohony hoatra ny an'ny vorona. 31 Nanandratra ny masoko teny an-danitra anefa aho izaho Nabokodonozora, nony tapitra ny fetr'andro, ka dia nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra aho ary noderaiko sy nomeko voninahitra Ilay velona mandrakizay, manana fanapahana tena fanapahana mandrakizay; ary manana fanjakana maharitra amin'ny taranaka mifandimby.
32 Atao ho tsinontsinona eo anatrehany ny mponina rehetra eto an-tany; manao izay tiany amin'ny tafiky ny lanitra, sy amin'ny mponina eto an-tany izy; tsy misy olona mahavely ny tànany, ka hanao aminy hoe: Fa inona ity ataonao? 33 Tamin'izay fotoana izay ihany dia nody tamiko ny saiko, dia niverina tamiko koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako ho voninahitry ny fanjakako; nantsoin'ny mpanolo-tsaina amam-pifehiko aho, ka tafapetraka amin'ny fanjakako indray, ary nitombo aza ny fahefako. 34 Ankehitriny aho, izaho Nabokodonozora, dia midera, mankalaza, manome voninahitra ny mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany, mahitsy ny làlany, ary hainy aetry izay mandeha amim-piavonavonana.
Toko faha-5
1 Nanao fanasana lehibe Baltasara mpanjaka, ho an'ny tompo-menakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan'ireo arivo lahy izy.2 Nentanin'ny divay Baltasara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy, nalain'i Nabokodonozora rainy, teny an-tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka amam-tompo-menakely mbamin'ireo vadiny sy vaditsindranony. 3 Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin'ny tranon'Andriamanitra, izay ao Jerosalema, dia nisotro tamin'izany ny mpanjaka, ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin'ny vadintsindranony. 4 Nisotro divay izy ireo, ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahana sy vy, ary vato aman-kazo. 5 Tamin'izay, dia nisy rantsan-tanan'olona niseho nanoratra tandrifin'ny fanaovan-jiro maro rantsana, teo amin'ny lalotra sokay amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka, ary hitan'ny mpanjaka ny tendron'ny tànana nanoratra izany.
6 Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavanin'ny valahany, ary niady ny lohaliny. 7 Dia niantso mafy ny mpanjaka nampaka ny mpisikidy, ny Kaldeana, ny mpanandro, ary niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babilona hoe: Na zovy na zovy mahavaky io soratra io, sy mahalaza ny heviny amiko, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpanapaka fahatelo amin'ny fanjakako izy. 8 Koa niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nahavaky izay zavatra voasoratra, na nahalaza ny heviny tamin'ny mpanjaka. 9 Tsiravina fatratra Baltasara mpanjaka tamin'izay, nivaloarika ny endriny, kivy ny tompo-menakeliny. 10 Nony nandre ny tenin'ny mpanjaka sy ireo tompo-menakeliny ny mpanjakavavy, dia niditra tao an-trano fanasana; niteny ny mpanjakavavy nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao. Aoka ny eritreritrao tsy hampitebiteby anao, ary ny tarehanao tsy hivaloarika. 11 Fa eto amin'ny fanjakanao, misy lehilahy anankiray izay itoeran'ny fanahin'ireo andriamanitra masina; tamin'ny andron-drainao, hita tao aminy ny fahazavana, ny fahazavan-tsaina, ny fahendrena toy ny fahendren'ireo andriamanitra. Koa izy no notendren'i Nabokodonozora mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao - ho lehiben'ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny Kaldeana, mbamin'ny mpanandro, satria hita tao aminy avokoa, dia amin'i Daniely, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Baltasara, 12 ny saina ambony, ny fahaizana amam-pahalalana mivaofy ny hevitry ny nofy, sy hampahafantatra ny ankamantatra ary hamaly ny fanontaniana sarotra. Koa aoka hantsoina Daniely fa izy no hilaza ny hevitr'izany. 13 Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniely. Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin'i Daniely hoe: Hianao va, no ilay Daniely, isan'ny babo avy any Jodà, nentin'ny mpanjaka raiko avy any Jodea?
14 Efa reko ny aminao, fa hoe ao anatinao ny fanahin'ireo andriamanitra, sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina sy fahendrena mahagaga. 15 Ary izao, vao avy nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry amam-pisikidy, hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; nefa tsy nahalaza ny hevitr'ireo teny ireo tamiko izy ireo. 16 Ary izaho efa nandre ny aminao fa mahay milaza hevi-javatra, sy mahavaly fanontaniana sarotra hianao; koa raha mahavaky io soratra io hianao, sy mahalaza amiko ny heviny, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpanapaka fahatelo eto amin'ny fanjakako hianao. 17 Dia niteny Daniely, ka nanao, teo anatrehan'ny mpanjaka, hoe: Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao; ary omeo ny hafa ny fanatitrao. Fa ny voasoratra hovakiko amin'ny mpanjaka ihany, ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.
18 Ry mpanjaka ô, ny Andriamanitra Avo Indrindra, efa nanome an'i Nabokodonozora rainao ny fanjakana amam-pahalehibeazana, ny voninahitra amam-piandrianana; 19 ary noho ny fahalehibeazana nomeny azy, raiki-tahotra sy nangovitra teo anatrehany avokoa ny vahoaka rehetra, sy ny firenena amam-tsamihafa fiteny; namono izay tiany hovonoina izy, ary namelona izay tiany hovelomina; nanandratra izay tiany hasandratra izy, ary nanetry izay tiany haetry. 20 Kanefa, nony avy izay niavonavonan'ny fony, sy nihamafisan'ny fanahiny mba hampianjonanjona azy, dia naongana hiala amin'ny seza fiandrianana izy, sady nesorina aminy ny fahalehibeazany.