Bokin'i Daniely

Toko faha-5

21 Noroahina hiala amin'ny zanak'olombelona izy, nanjary hoatra ny an'ny biby ny fony, ary teo amin'ny ampondra dia ny fonenany; nampihinanina ahitra hoatra ny omby izy; ary nokotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany, mandra-pahalalàny fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, sy manandratra izay tiany ho amin'izany. 22 Hianao koa ity, ry Baltasara zanany, tsy nampietry ny fonao, na dia nahalala izany rehetra izany aza. 23 Fa hianao, nentina teo anatrehanao ny kapoakan'ny tranony, ary nisotro divay tamin'izany hianao sy ny tompo-menakelinao mbamin'ny vadinao sy ny vaditsindranonao, noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahana, vy sy vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mahare, na mahalala na inona na inona akory; fa ilay Andriamanitra tompon'ny fofon'ainao sy iankinan'ny làlanao indray no tsy nankalazainao! 24 Dia tamin'izany no nanirahana io tendro-tànana io avy amin'ny anarany sy nandaharana izay voasoratra ao. 25 Ary izao no soratra voalahatra: Mené Mené, Thesel, Ofharsin! 26 Ka izao no hevitr'ireo teny ireo: Mené (voaisa): nisain'Andriamanitra ny fanjakanao, dia notaperiny. 27 Thekel (voalanja): nolanjaina tamin'ny mizàna hianao, ka hita fa maivana. 28 Perès (voazara): hozaraina ny fanjakanao, ka homena ny Meda sy ny Persa. 29 Tamin'izay, araka ny didin'i Baltasara, Daniely dia nampitafina jaky, nasiana rojo volamena ny vozony, ary namoahan-teny fa ho mpanapaka fahatelo amin'ny fanjakana izy.

30 Tamin'io alina io ihany Baltasara, mpanjakan'ny Kaldeana dia novonoina.

Toko faha-6

1 Ary ny fanjakana noraisin'i Dariosa, ilay Meda, izay efa tokony ho roa amby enimpolo taona ny andro niainany.

2 Sitrak'i Dariosa ny hanendry solom-panjaka roapolo amby zato, hizarazarany ny fanjakana manontolo.

3 Ary nisy mpanao raharaham-panjakana telo lahy, anisan'ireo Daniely, natao ambonin'izy ireo, ka tsy maintsy amoahan'ny solom-panjakana ny toe-draharaha, mba tsy hahafaty antoka ny mpanjaka. 4 Nihoatra noho ny mpanao raharaham-panjakana ambony sy ny solom-panjaka rehetra anefa Daniely, fa nisy fanahy ambony tao aminy, ka nihevitra ny hanendry azy ho mpanapaka ny fanjakana manontolo ny mpanjaka. 5 Noho izany, nitady izay hiampangana an'i Daniely ny amin'ny momba ny fanjakana, ireo mpanao raharaham-panjakana ambony sy solom-panjaka, nefa tsy nahita iray akory, na dia izay tsininy kely foana aza; fa marina izy, ka tsy nisy diso na tsiny akory taminy. 6 Dia hoy ireo olona hoe: Tsy hahita izay hiampangana an'io Daniely io akory isika raha tsy amin'ny alalan'ny Andriamaniny no hahitantsika zavatra hiampangana azy. 7 Izay ireo mpanao raharaham-panjakana ambony sy solom-panjaka ireo, dia nirodorodo nankany amin'ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao. 8 Niray hevitra avokoa ny mpanao raharaham-panjakana ambony rehetra, ny masoivoho, ny solom-panjaka, ny mpanolo-tsaina, mbamin'ny governora, fa tokony hanao lalàm-panjakana sy hamoaka didy fa na zovy na zovy hanao fivavahana amin'andriamanitra, na amin'olombelona, afa-tsy aminao irery ihany, mandritra ny telopolo andro, dia hatsipy ao an-davaky ny liona. 9 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, avoahy ny didy, ary soraty ny lalàna, mba tsy ho azo ovana araka ny lalàn'ny Meda sy ny Persa tsy azo ovana. 10 Koa dia nosoratan'i Dariosa mpanjaka tokoa izany didy aman-dalàna izany. 11 Nony ren'i Daniely fa voasoratra ny didy dia lasa izy niditra tao an-tranony, izay nisy varavarankely mivoha manandrify an'i Jerosalema tao amin'ny efitra ambony. Nandohalika intelo isan'andro izy, nivavaka sy nidera an'Andriamanitra araka ny fanaony teo aloha.

12 Tamin'izay ireo olona dia avy nirodorodo ka nahita an'i Daniely nivavaka sy niantso an'Andriamaniny; 13 dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy ny amin'ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe: Moa tsy nanoratra lalàna hianao fa na zovy na zovy mivavaka amin'andriamanitra na amin'olombelona, hafa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Namaly ny mpanjaka nanao hoe: marina tokoa izany, araka ny lalàn'ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovana. 14 Dia niteny indray izy ireo, ka nilaza teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Daniely anankiray amin'ireo babo avy amin'i Jodà anefa, ry mpanjaka, namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao; fa manao ny fivavahany intelo isan'andro. 15 Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany; raikitra tao am-pony ny hanafaka an'i Daniely, ka mandra-pilentiky ny masoandro izy, nitady hamonjy azy ihany. 16 Fa nirodorodo nankao amin'ny mpanjaka ireo olona ireo, ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa lalàn'ny Meda sy ny Persa ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra efa navoaky ny mpanjaka. 17 Tamin'izay ny mpanjaka nanome teny hitondra an'i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona. Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin'i Daniely hoe: Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie, no hanafaka anao! 18 Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka, ka nasian'ny mpanjaka fitomboka tamin'ny fanombohan-kaseny sy ny fanombohan-kasen'ireo andriantompo-menakely, mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniely. 19 Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany tsy nitendry hanina mandritra ny alina, tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy, ary lasa lavitra azy ny torimaso.

20 Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro dia niarina ny mpanjaka, ka nidodododo nankany an-davaky ny liona. 21 Nony mby teo akaikin'ny lavaka izy, niantso an'i Daniely tamin'ny feo malahelo, ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniely hoe: Ry Daniely mpanompon'Andriamanitra velona ô, nahavonjy anao tamin'ny liona va ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva? 22 Dia niteny tamin'ny mpanjaka Daniely: Ry mpanjaka ô, velona mandrakizay anie hianao! 23 Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo, satria hita fa tsy manan-tsiny teo anatrehany aho, sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka ô! 24 Faly dia faly ny mpanjaka ny amin'i Daniely ka nasainy nesorina tao an-davaka Daniely. Dia nesorina tao an-davaka Daniely, ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy, satria nino ny Andriamaniny izy. 25 Fa mandidy kosa ny mpanjaka, ka ireo olona nilaza ratsy an'i Daniely dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany. Ka mbola tsy nipaka tamin'ny vody lavaka akory dia noraisan'ny liona, ary notapatapahany ny taolany rehetra. 26 Tamin'izay Dariosa mpanjaka nanoratra ho any amin'ny foko amam-pirenena rehetra mbamin'ny samihafa fiteny, izay monina eto ambonin'ny tany nanao hoe: Hitombo fiadanana anie hianareo!

27 Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniely eran'ny fanjakako rehetra, fa izy no Andriamanitra velona, maharitra mandrakizay, ny fanjakany tsy mba ho rava, ary ny fanapahany tsy hanam-pahataperana. 28 Manafaka sy mamonjy izy ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra sy etý an-tany. Izy no nanafaka an'i Daniely tamin'ny hohon'ny liona. 29 Ary nambinina io Daniely io tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Syrosa, ilay Persa.

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Baltasara, mpanjakan'i Babilona, nanonofy sy nahita fahitana tao an-tsainy Daniely, nony tao am-pandriany izy. Dia nosoratany tatý aoriana ny nofy, notantarainy ny fotopototry ny zavatra.

2 Dia niteny Daniely ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, ka indro nibosesika tamin'ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin'ny vazantany efatra:

3 ary niakatra avy ao amin'ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa. 4 Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin'ny tany sy nampijoroana azy tamin'ny tongony, hoatra ny olona ary nomena fon'olombelona izy. 5 Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsa, niainga ny ila-tenany, nisy taolana tehezana ary izao no nolazaina taminy: Mitsangàna hianao, mihinana nofo betsaka! 6 Manaraka izany, nijery aho, ka indro, nisy biby hafa koa, hoatra ny leoparda, nanan'ela-borona efatra teo an-damosiny; ary nanan-doha efatra izany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana. 7 Rahefa izany nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihorin-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin'ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo. 8 Nodinihako ireo tandroka, ka indro, nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin'izy ireo, ary nombotan'io ny telo tamin'ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason'olona sy vava nilaza zava-dehibe ity tandroka ity. 9 Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan'ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon'ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;

10 ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky. 11 Nijery aho tamin'izay noho ny fireondreon'ny teny mihoa-pampana nolazain'ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin'ny lelafo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.162