Bokin'i Daniely
Toko faha-7
12 Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan'ny andro iainany, mandra-pihavin'ny andro amam-potoana. 13 Nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak'olona tamy teny ambonin'ny rahon'ny lanitra; nandroso izy nankeo amin'ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;14 dia nomena azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany. 15 Nitebiteby ny saiko tao anatiko, izaho Daniely, ary nahatsiravina ahy ny fahitan'ny lohako.
16 Nanatona ilay anankiray tamin'ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr'izany: 17 Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin'ny tany; 18 nefa ireo olo-masin'ny Avo Indrindra no handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay doria alaovalo. 19 Tiako ho fantatra marina tamin'izay, ny amin'ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahana ny hohony, nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin'ny tongony ny sisa tsy laniny;
20 sy ny amin'ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin'ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany. 21 Nijery aho ka indro niady tamin'ireo Olomasina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka, 22 mandra-pahatongan'ilay anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an'ireo Olomasin'ny Avo Indrindra, sy nahatongavan'ny fotoana hahazoan'ireo Olomasina ny fanjakana. 23 Izao no nolazainy tamiko: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy. 24 Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin'izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo. 25 Hanao teny manohitra ny Avo Indrindra izy, sady hampahory ny Olomasin'ny Avo Indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tànany ireo Olomasina mandra-pahatapitry ny fetr'andro iray, sy fetr'andro roa, ary ny antsasaky ny fetr'andro. 26 Ary hatao ny fitsarana, ka hesorina aminy ny fanapahany, mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay. 27 Ary ny fanjakana sy ny fanapahana amam-pahalehibeazan'ny fanjakana etý ambanin'ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan'ny Olomasin'ny Avo Indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanapahana rehetra. 28 Izany no niafaran'ny teny. Nahatsiravina ahy Daniely loatra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehako nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.
Toko faha-8
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Baltasara mpanjaka, nisy fahitana niseho tamiko izaho Daniely, taorian'ilay niseho tamiko taloha.2 Ary nahita aho tamin'ny fahitana, ary nony nijery aho dia indro tany Sosa, ilay tanàna mimanda any amin'ny faritanin'i Elama, no nisy ahy; ary nahita aho tamin'ny fahitana, ka teo amoron'ny ony Olai aho. 3 Natopiko ny masoko, dia nahita aho, dia indro nisy ondralahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, nanan-tandroka roa izy io, avo ny tandrony roa, nefa lava noho ny namany ny anankiray, ary ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana. 4 Hitako ilay ondralahy fa nanoto niankandrefana, nianavaratra, nianatsimo; tsy nisy biby nahatoha teo anoloany tsy nisy olona nahafaka teo an-tànany; nanao izay tiany izy, ary nihalehibe. 5 Izaho izany dia nandinika fatratra teo, ka indro nisy vantotr'osilahy tonga avy any andrefana, teo ambonin'ny tany rehetra, tsy nitehi-tany akory, ary nanan-tandroka niharihary tsara teo anelanelan'ny masony, izany osilahy izany. 6 Nankeo amin'ilay ondralahy nanan-tandroka roa izay efa hitako nitsangana teo amoron'ny ony, izy, ary niezaka hikatroka amin'io, tamin'ny firehitry ny heriny. 7 Dia hitako izy nanatona ilay ondralahy, nisafoaka taminy, mamely ity ondralahy ary nanapaka ny tandrony roa, ary tsy nanan-kery akory mba hanoha azy ilay ondralahy; fa nazerany tamin'ny tany, nohoseny tamin'ny tongony; ary tsy nisy nahavonjy an'ity ondralahy teny an-tànany. 8 Nitombo fatratra ilay vantotr'osilahy ary nony efa nahery izy, tapaka ilay tandrony lehibe, fa tandroka efatra indray no hitako nisolo iny tamin'ny vazan-tany efatra. 9 Nisy tandroka kely iray nipoitra avy tamin'ny anankiray tamin'ireo, nitombo fatratra teny atsimo eny sy teny atsinanana, ary tany amin'ny tany be voninahitra.
10 Nitombo izy nahatakatra ny tafiky ny lanitra, nazerany amin'ny tany ny sasany tamin'izany tafika izany mbamin'ny kintana, ka nohoseny tamin'ny tongony. 11 Nitombo nahatakatra ny filohan'ny tafika izy, ka nesoriny tamin'io ny fanompoana tsy tapaka ary voarava ny tokotanin'ny fitoerana masina. 12 Nisy tafika anankiray voatolotra tamin'ny fahavalo noho ny fivadihana, mbamin'ny fanompoana tsy tapaka, ary nazeran'ny tandroka tamin'ny tany ny fahamarinana: nanao izany izy ka nahefa. 13 Dia nisy masina anankiray reko niteny, ka hoy ny masina anankiray hafa tamin'ilay niteny: Mandra-pahoviana no haharetan'izay asehon'ny fahitana ny amin'ny fanompoana tsy tapaka, ny fahotana mampahory, mbamin'ny fandaozana ny fitoerana masina sy ny tafika hohitsakitsahina. 14 Ary hoy izy tamiko: Hatramin'ny telon-jato amby roa arivo maraina sy hariva fa rahefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina. 15 Raha mbola nahita izany fahitana izany aho Daniely, sady nitady hahafantatra ny heviny, dia indro nisy nitsangana teo anatrehako, niseho toy ny tarehan'olona.
16 Ary injay, nisy feon'olona reko avy ao amin'ny ony Olai niantso nanao hoe: Ry Gabriely, lazao azy ny hevitry ny fahitana! 17 Dia nankeo amin'ilay toerana nitsanganako izy, ka raiki-tahotra sy niankarapoka nihohoka tamin'ny tany aho, nony nanatona izy. Ary izao no nolazainy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa amin'ny momba ny fotoana farany, izany fahitana izany. 18 Mbola niteny tamiko teo izy, no nihohoka tamin'ny tany aho voan'ny torimaso, nefa notohininy aho, dia nampitsanganiny teo amin'ny fitoerana nisy ahy 19 sy nilazany hoe: Indro hampahafantariko anao, izay ho tonga any amin'ny fotoam-pahatezerana farany, fa zavatra ho amin'ny fotoana any am-parany, izany. 20 Ilay ondralahy manan-tandroka roa hitanao, dia ny mpanjakan'i Media sy Persa; 21 ilay osilahy lava volo, dia ny mpanjakan'i Javana ary ilay tandroka lehibe tanelanelan'ny masony, no mpanjaka voalohany. 22 Izany tandroka izany no tapaka ary ireo tandroka efatra no nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana amin'izany firenena izany, nefa tsy hitovy hery aminy. 23 Amin'ny faran'ny fanjakan'izy ireo, rahefa feno isa ny mpivadika, dia hisy mpanjaka anankiray hitsangana, masia-tarehy, mahafantatra ny zava-miafina; 24 hitombo fahefana, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany, hanao fandravana mahagaga: hanefa izay kendreny hatao, ary hanimba ny mahery sy ny vahoakan'ny olomasina. 25 Noho ny hafetseny hahavoa ny fitaka any an-tànany: hiavonavona am-po izy, ary handringana olona maro mitoetra fahizay: hitsangan-kanohitra ny mpanjakan'ny mpanjaka izy, nefa ho torotoro tsy kasihin-tanan'olombelona akory. 26 Marina ny fahitana naposaka ny amin'ny hariva sy ny maraina: nefa aoka hahoronao izany fahitana izany, fa mbola ho amin'ny andro aoriana any. 27 Ary izaho Daniely torana sy nandraiki-narary andro maro, vao nitsangana nanao ny raharahan'ny mpanjaka. Talanjona tamin'ny fahitako aho fa ny olona tsy nisy nahafantatra izany.
Toko faha-9
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa, zanak'i Asoerosa, taranaky ny Meda, nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana:2 tamin'ny taona voalohany nanjakany izaho Daniely nandinika, tamin'ny famakiana ny boky, ny isan'ny taona izay nanaovan'ny Tompo teny tamin'i Jeremia mpaminany ka tsy maintsy tanterahina ho tapitra amin'ny faharavan'i Jerosalema, dia fitopolo taona izany. 3 Natodiko any amin'ny Tompo Andriamanitra ny tavako ary nioman-kivavaka sy hifona amin'ny fifadian-kanina sy amin'ny lasaka aman-davenona aho. 4 Nivavaka tamin'ny Tompo Andriamanitro aho, ary nihaiky heloka, nanao hoe: Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin'izay tia anao sy mitandrina ny didinao,
5 izahay efa nanota sy nahavita heloka, nanao ratsy sy niodina niala tamin'ny didinao aman-dalànao. 6 Tsy nihaino ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay amam-panapaka anay sy tamin'ny razanay mbamin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany.