Bokin'i Daniely
Toko faha-9
7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin'izao anio izao no anay, dia an'ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, any amin'ny tany rehetra nandroahanao azy, noho ny helony izay nataony taminao. 8 Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava, an'ny mpanjakanay, an'ny mpanapaka anay, an'ny razanay, satria nanota taminao izahay. 9 Fa an'ny Tompo Andriamanitray kosa, ny famindram-po amam-pamelan-keloka, satria niodina taminao izahay. 10 Tsy nanaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitray izahay, mba hanarahanay ny lalàny, nataony teo anoloanay tamin'ny alalan'ny mpaminany mpanompony. 11 Nandika ny didinao avokoa Israely, sady nihodina tsy nihaino ny feonao, ka dia nianjera taminay ny ozona aman-tsahato voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra, satria nanota taminy izahay. 12 Notanterahiny ny teny nolazainy hamelezana anay mbamin'ny mpitsara nitsara anay: ka nataony niharan-doza lehibe tokoa izahay, fa tsy mbola nisy tahaka ny namely an'i Jerosalema, hita tetý ambany masoandro. 13 Nidona taminay avokoa izao loza izao, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra; kanefa izahay tsy nanao izay hampitony an'ny Tompo Andriamanitray, tamin'ny fialanay amin'ny helokay sy amin'ny fieritreretanay amim-pitandremana ny fahamarinanao. 14 Ka dia nandrasan'ny Tompo ny loza, ary nampihariny taminay; satria, marina Iaveh Andriamanitray, amin'ny asany rehetra nataony, ary tsy nihaino ny feony izahay. 15 Koa ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitray ô, izay nanala ny vahoakanao avy any amin'ny tany Ejipta tamin'ny tànanao mahery, sy nanao anarana ho anao, tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa ratsy izahay. 16 Tompo ô, enga anie ka hihodivitra tsy hihatra amin'i Jerosalema, tanànanao sy tendrombohitrao masina, ny hatezeranao amam-pahaviniranao araka ny fahamarinanao rehetra; fa noho ny fahotanay amam-keloky ny razany, no nahatonga an'i Jerosalema sy ny vahoakanao ho fandatsa eo amin'izay rehetra manodidina anay. 17 Ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonan'ny mpanomponao; ka ampamirapirato amin'ny fitoeranao masina efa noravana, ny tavanao, noho ny fitiavan'ny Tompo. 18 Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka henoy, ahirato ny masonao, ka jereo ity fahorianay sy ny tanàna niantsoana ny anaranao. Fa tsy noho ny fahamarinanay no ametrahanay ny fifonanay eto anoloanao; fa noho ny famindram-ponao lehibe. 19 Tompo ô, mandrenesa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa ka miasà, aza ela, ry Andriamanitro ô, noho ny aminao; fa ny anaranao no voantso amin'ny tanànanao sy ny vahoakanao. 20 Mbola miteny eo aho mivavaka mihaiky ny fahotako amam-pahotan'Israely fireneko, ary mametraka ny fifonako eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitro, ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitro;21 mbola miteny ao amin'ny fivavahako eo aho, no indro ilay lehilahy Gabriely, hitako taloha tamin'ny fahitana, tonga teo amiko tamim-panidinana faingana, sahabo ho tamin'ny fotoanan'ny fanatitra hariva. 22 Nanoro ahy sy niresaka tamiko izy ka nanao hoe: Ry Daniely ô, tonga aho amin'izao fotoana izao, hanokatra ny sainao. 23 Vao niantomboka ny vavakao, dia nisy teny nivoaka, ka ny hampahalala izany anao no nahatongavako, fa olo-malalan'Andriamanitra hianao. Koa henoy amim-pitandremana ny teny, ary fantaro ny fahitana. 24 Fitopolo herinandro no voafetra ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina mba hangorona ny fivadihana, hanampina ny fahamarinana mandrakizay, hanisy tombo-kase ny fahitana amam-paminaniana ary hanosotra ilay Masina indrindra. 25 Aoka ho fantatrao sy ho azonao ary, fa hatramin'ny hivoahan'ny didy anankiray izay nampanorina indray an'i Jerosalema ka hatramin'ny voahosotra anankiray, ny filohany anankiray izay, dia ho fito herinandro, sy roa amby enimpolo herinandro, dia haorina indray izy mbamin'ny kianja sy ny tamboho manodidina, amin'ny andro mampahory. 26 Ary rahefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro, hoesorina ny voahosotra anankiray izay, ka tsy hisy ho azy. Ary ny vahoakan'ny filohany anankiray ho avy, handrava ny tanàna amam-pitoerana masina; ny hiafarany dia ho amin'ny fahasaforan-drano, ary hatramin'ny farany dia hisy ady izay efa voatapaka momba ny fandringanana. 27 Hanao fanekena mafy amin'ny maro be izy, mandritra ny herinandro; ka ao an-tenantenan'ny herinandro dia hatsahany ny sorona amam-panatitra; ary hisy mpandrava ho avy amin'ny elatry ny fahavetavetana, ka izany dia haharitra mandra-pihatran'ny faharavana sy izay efa voatapaka amin'ilay efa rava.
Toko faha-10
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa mpanjakan'i Persa, dia nisy teny nambara tamin'i Daniely, izay natao hoe Baltasara, marina izany teny izany, ary ady lehibe no nolazainy. Azony an-tsaina ny teny, sady fantany hevitra ny fahitana.2 Tamin'izany andro izany aho, Daniely, nisaona nandritra ny andro roatokombolana.
3 Tsy nihinan-kanim-py akory aho, tsy nisy niditra ny vavako na hena na divay; ary tsy nihosotra aho, mandra-pahatapitry ny andro roatokombolana maninjitra. 4 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana vaolohany aho, teo amoron'ny ony lehibe atao hoe Tigra. 5 Nanopy ny masoko nijery aho, ka indro, nisy lehilahy anankiray, nitafy rongony fotsy, sy nihetra tamin'ny hetra volamena avy any Ofaza. 6 Tahaka ny krisolita ny tenany, hoatra ny hela-baratra no fijery ny tenany, tahaka ny fanilo mirehitra no fijery ny tarehany, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahana manganohano ny sandriny amam-tongony, hoatra ny feon'olona maro be ny feony, raha miteny izy. 7 Izaho Daniely irery no nahita ny fisehoana fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita ny fisehoana; azon'ny tahotra mafy izy ireo, ka nandositra niery. 8 Dia izaho irery no nijanona teo, ka nahita izany fisehoana lehibe izany, ka tsy nisy hery sisa intsony tafajanona tao amiko, ny tarehako niova volo, fa tonga nivaloarika aho, ary tsy nisy hery intsony tamiko. 9 Reko ny feony niteny; fa vao nandre ny feony niteny aho, dia nirona natory, ka nihohoka tamin'ny tany. 10 Dia injay tànana nanohina ahy, ka nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tànana.
11 Dia hoy izy tamiko hoe: Ry Daniely, olo-malalan'Andriamanitra ô, fantaro izao teny holazaiko aminao izao, ka mitsangana hianao fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana aho nangovitra. 12 Ary hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniely, fa hatramin'ilay andro voalohany nandatsahanao am-po ny hahalala sy hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao, ary izaho no tonga dia noho ny teninao. 13 Fa nitsangana teo anoloako, iraika amby roapolo andro, ilay filohan'ny fanjakan'i Persa, ary Misely anisan'ireo filohany ambony no tonga nanampy ahy, ka nijanona teo akaikin'ny mpanjakan'i Persa aho. 14 Ary ny hampahafantatra anao ny hanjo ny firenenao any am-parany any, no nahatongavako, satria mbola fahitana ny amin'ny any aoriana koa izany. 15 Tamin'ny nilazany izany teny izany tamiko, dia niondrika tamin'ny tany ny tarehako, sady tsy nahateny aho.
16 Fa indro kosa nisy anankiray nitarehin-janak'olombelona, nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho, ka niteny dia nilaza tamin'ilay nitsangana teo anatrehako, nanao hoe: Tompokolahy ô, very hevitra aho, azon'izany fahitana izany, ka tsy manan-kery intsony. 17 Hataon'ity mpanompon'ny tompoko ity ahoana moa, no fiteny amin'ny tompoko eo. Amin'izao sady tsy manan-kery aho, no tsy nisy aina intsony akory koa. 18 Fa ilay nitarehin-janak'olombelona indray no nanendry ahy sy nankahery ahy. Dia hoy izy tamiko: 19 Aza matahotra, ry olo-malalan'Andriamanitra; ho aminao anie ny fiadanana! Matokia, matokia! Mbola niteny tamiko teo izy, dia efa nahazo hery aho, ka nanao hoe: Aoka hiteny amin'izao ny tompoko, fa efa nankahery ahy hianao. 20 Hoy izy tamiko: Fantatrao va ny nahatongavako atý aminao? Ankehitriny hiverina hiady amin'ny filohan'i Persa aho, ary amin'ny fotoana handehanako, dia indro ho avy ny filohan'i Javana.
21 Hambarako anao anefa, ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahamarinana, ary tsy misy mitsangana momba azy hanohitra an'ireo afa-tsy Misely filohanareo ihany.
Toko faha-11
1 Izaho koa tamin'ny taona vaolohany nanjakan'i Dariosa ilay Meda no nitsangana teo anilany hanohana sy hankahery azy.2 Ankehitriny, indro haharihariko aminao ny marina. Mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana amin'i Persa; ary ny fahefatra hanan-karena mihoatra noho izy rehetra, ka rahafa mahery noho ny hareny izy, dia hanainga ny zavatra rehetra hamely ny fanjakan'i Javana.
3 Ary hisy mpanjaka mahery fo hanam-pahefana lehibe, ka hanao izay mahafinaritra azy. 4 Raha vao tafatsangana izy dia ho voatorotoro ny fanjakany, ka ho zarazaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy ho an'ny taranany, sady tsy hanam-pahefana tahaka izay nananany, satria ho rovitra ny fanjakany, ka ho lasan'ny hafa fa tsy ho an'ireo. 5 Ho tonga mahery ny mpanjakan'ny Atsimo, sy ny iray amin'ny jeneraliny, izay ho tonga mahery noho izy, ho mahefa; ary ho fahefana lehibe ny fahefany.
6 Rahefa afaka taona vitsivitsy hihavana izy ireo, ary ho tonga any amin'ny mpanjakan'ny Avaratra, ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny Atsimo, hanao fanekena. Tsy hahatana ilay tohan-tsandriny anefa razazavavy; fa tsy haharitra izy io, na ny sandrin'ny tenany aza tsy haharitra amin'ny heriny, ka hatolotra razazavavy, dia izy sy ireo nitondra azy, ny rainy niteraka azy mbamin'ilay nanohana azy nandritra ny fotoana vitsivitsy. 7 Fa hisy solofo iray avy amin'ny fakany, hitsangana handimby azy; ho tonga mandan'ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hataony amin'izay itiavany azy ireny, dia hahery izy. 8 Hoentiny ho babo any Ejipta hatramin'ny andriamaniny, ny sarin-javatra anidiny, ny fanaka sarobidiny, na ny volamena na ny volafotsy; ary hahombiazany ny mpanjakan'ny Avaratra mandritra ny taona maro,
