Bokin'i Daniely
Toko faha-11
9 vao mba hiditra any amin'ny fanjakan'ny Atsimo kosa, dia hiverina any amin'ny taniny ihany indray. 10 Fa hamonona fiadiana indray ireo zanany, sady hanangona miaramila maro be, ka ho avy ny anankiray amin'izy ireo hanenika toy ny ranobe, hibosesika, vao hiverina, ary hikirizany hasiana ny tanàna mimanda.11 Hisafoaka ny mpanjakan'i Atsimo, ka hivoaka hiady aminy, dia amin'ny fanjakan'ny Avaratra; hamory miaramila betsaka izy, ary hatolotra azy ny miaramilan'ny mpanjakan'ny Avaratra. 12 Hitombo ny herim-pony manoloana ity vahoaka be voavory hamely azy; haharipaka arivoarivo izy nefa tsy hitombo ny heriny amin'izany. 13 Fa hamory miaramila maro noho ny teo indray ny mpanjakan'ny Avaratra, ka rahefa afaka taona vitsivitsy dia hiainga mitondra takika lehibe sy fitaovana be dia be. 14 Amin'izany andro izany maro no hitsangan-kamely ny mpanjakan'ny Atsimo; ary hitsangan-kanatanteraka ny fahitana ny olo-masiaka amin'ny firenenao, nefa ho lavo izy ireo. 15 Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, ka hanandratra tovon-tany, hanafaka ny tanàna mimanda, tsy hotohan'ny sandrin'ny Atsimo, na ny miaramilany voafantina, ary tsy hisy hery hanohitra. 16 Izay nandroso hamely azy, no hanao izay rehetra sitrany, ary tsy hisy olona hahatoha eo anoloany; hijanona eo amin'ny tany be voninahitra izy, ary fandringanana no ho eny an-tànany. 17 Hanapa-kevitra ny handroso mitondra ny herin'ny fanjakany rehetra izy, ary hanao izay hifanarahana aminy, ka hanome azy tovovavy anankiray hitari-doza hanjo azy; tsy hahomby anefa izany fa tsy ho azy izany fanjakana izany. 18 Dia any amin'ireo nosy indray no hotodihiny ka hahalasa be amin'ireo izy; kanjo hisy kapiteny hampitsahatra ny latsa ataony kosa, ka tsy mba ho voalatsa, fa hampitsingerina aminy izay nataony aza. 19 Hitodika mankany amin'ny tanàna mimanda any amin'ny taniny izy, nefa ho tafintohina, ka lavo, dia tsy ho hita intsony. 20 Hisy anankiray hitsangana handimby azy; handefa mpiharaka izy, ho any amin'ny fitoerana izay voninahitry ny fanjakana; nefa andro vitsy foana io dia ho voatorotoro, ka tsy avy amin'ny fahatezerana na amin'ny ady. 21 Hisy olona famingavinga handimby io indray, tsy nomena ny fiandrianam-panjakana; dia hisosoka an-tsokosoko ka hahazo ny fanjakana amin'ny fitetehana mangingina.
22 Ireo miaramila nibosesika ho safotra foana eo anatrehany, sady ho voatorotoro mbamin'ilay mpanapaka vita fanekena aminy koa. 23 Tsy hasiany, raharaha akory ny fanekena natao taminy, fa hanao an-kafetsena izy, ka hiainga sy handresy amin'olom-bitsy foana. 24 Hiditra indrindra amin'ny tany izy; ka izay tsy vitan'ny razany na ny razan'ny razany dia hovitainy, ka hozarainy amin'ireny ny remby, ny babo, ny harena; ary hamoron-tsaina hamely ny tanàna mimanda izy, ka haharitra fotoana sasantsasany izany. 25 Hanainga ny heriny amam-kerim-pony izy, hitari-tafika lehibe hamely ny mpanjakan'ny Atsimo. Ary ho rafitr'ady aminy, ny mpanjakan'ny Atsimo, hitondra tafika maro sady mahery indrindra, nefa tsy hahatoha fa hisy firaisan-tetika hiforona hamely azy. 26 Izay mihinan-kanina avy amin'ny latabany hanorotoro azy; ny miramilany hihahaka; ary olona maro no hiampatrampatra maty. 27 Samy hisaintsaina ao am-pony hifanimba ireo mpanjaka roa ireo, ka hiray latabatra fa hifamitaka amin'ny resaka; nefa tsy hahomby izany, fa amin'ny fotoana voatendry ihany vao hidona ny farany. 28 Hody any amin'ny taniny mitondra harem-be izy; mieritreritra ny hanisy ratsy ny fanekena masina ny fony, ka manatanteraka izany izy vao miverina any amin'ny taniny indray.
29 Ho tonga any Atsimo indray izy, amin'ny fotoana voatendry; nefa tsy ho toy ny voalohany, ity diany farany. 30 Ho avy hamely azy ny sambon'i Setima ka hanary toky izy, dia hody izy ary ny fanekena masina indray no hampahatezitra azy; ka hamely izy sady hifanao tsikombakomba amin'ireo izay nahafoy ny fanekena. 31 Hisy miaramila halefany, ka hipetraka ao ireo: handoto ny fitoerana masina, ny trano mimanda, hampitsahatra ny sorona tsy tapaka, ary hanangana ny fahavetavetan'ny mpandringana. 32 Ry zareo mpivadika ny fanekena hambosiny amin'ny fandroboana mba ho amin'ny fanompoan-tsampy, fa ilay vahoaka misy olona mahalala an'Andriamaniny kosa hahatoha sady hiasa. 33 Hampianatra ny ankapobem-bahoaka ireo izay manan-tsaina amin'ny vahoaka; nefa ho lavon'ny sabatra aman-delafo sy ny fambaboana amam-pandrobana izy ireo mandritra ny fotoana sasantsasany. 34 Amin'ny hahalavoany toy izany, dia hahazo famonjena kely izy, sady misimisy ihany koa ny hikambana aminy, nefa amim-pihatsaram-belatsihy fotsiny. 35 Ary amin'ireo manan-tsaina ny sasany no ho lavo mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy, mandra-pahatongan'ny fotoana farany, fa mbola tsy ho amin'ny fotoana voatendry amin'izany. 36 Ny mpanjaka hanao izay sitrany, hanandra-tena sady hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny andriamanitra rehetra, ary hilaza zavatra mihoa-pampana manohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra; ary hambinina izy, mandra-pahafenon'ny fahatezerana; satria tsy maintsy ho tanteraka izay efa tapaka.
37 Tsy misy hahoany akory na ny andriamanitry ny razany, na ny andriamanitra tsy izy lazain'ny vehivavy; tsy hahoany akory izay Andriamanitra, fa hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny zavatra rehetra izy. 38 Ny andriamanitry ny tanàna mimanda no hany hankalazainy ao amin'ny fitoerany; izany andriamanitra tsy fantatry ny razany izany no hankalazainy amin'ny volamena, ny volafotsy, ny vatosoa ary ny firavaka. 39 Hamely ny mandan'ny trano mimanda izy, omban'ny andriamani-kafa; ka izay hanaiky azy homeny voninahitra be, hataony mpanapaka ny maro, ary hizarany tany ho valisoa. 40 Amin'ny fotoana farany ny mpanjakan'ny Atsimo hanoto azy; ny mpanjakan'ny Avaratra hiantonta aminy, hitondra kalesa sy mpitaingin-tsoavaly aman-tsambo maro, handroso any afovoan-tany izy, ka handalo hoatra ny ranobe manafotra.
41 Hiditra amin'ny tany be voninahitra izy, ka maro no ho ripaka; ho afa-mandositra ny tànany anefa ireto: Edoma sy Moaba ary ny lohan'ny taranak'i Ammona. 42 Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany izy, ka tsy ho afa-mandositra ny tany Ejipta. 43 Ho lasany avokoa ny rakitra volamena sy volafotsy mbamin'ny zava-tsoan'i Ejipta rehetra; handeha hanaraka azy ny Libiana sy ny Etiopiana. 44 Ho voatebitebin'ny vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra anefa izy ka hiainga an-katezerana mafy handrava sy handringana olona maro. 45 Haorina eo anelanelan'ireo ranomasina eo akaikin'ny tendrombohitra masina sy be voninahitra ny tranolain'ny lapany. Dia hihatra aminy ny fiafarany, ary tsy hisy olona hamonjy azy.
Toko faha-12
1 Amin'izany andro izany, hitsangana Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin'ny zanaky ny firenenao, ka amin'izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian'ny firenena, ka hatramin'izany andro izany. Amin'izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin'ny boky.2 Ary maro amin'ireo mandry ao amin'ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin'ny latsa amam-panariana mandrakizay. 3 Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin'ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. 4 Hianao, ry Daniely, ahoròny ireo teny ireo, ary asio tombo-kase ity taratasy ity, mandra-pahatongan'ny andro farany. Maro no handinika azy, ka hitombo ny fahalalana.
5 Ary nijery aho, Daniely, ka indro nisy olona roa hafa nitsangana, ny iray teto amoron'ny ony, ny iray kosa teny an-dafiny. 6 Dia hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin'ny ranon'ny ony: Rahoviana no ho tonga ny faran'ireo zava-mahagaga ireo? 7 Ary reko ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin'ny rano; nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia hanondro lanitra, ka nianiana tamin'ilay velona mandrakizay, fa ho amin'ny fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro izany; ary rahefa vita ny fanorotoroana ny herin'ny vahoaka masina, dia ho tanteraka ireo zavatra rehetra ireo. 8 Reko izany, nefa tsy azoko an-tsaina, ka hoy aho: Tompokolahy ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo? 9 Fa hoy izy: Andeha, ry Daniely, fa efa voahorona ny teny, sy voaisy tombokase mandra-pihavin'ny andro farany. 10 Ho maro anie no hodiovina, hofotsiana, sady ho voazaha toetra; fa ny ratsy fanahy hanao ratsy; ary tsy misy hahazo an-tsaina ny ratsy fanahy; fa ny hendry no hahazo an-tsaina. 11 Hatramin'ny andro hampitsaharana ny sorona tsy tapaka, sy hampitsanganana ny fahavetavetan'ny mpandringana, hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. 12 Sambatra izay hiandry sy hahatratra ny hatramin'ny dimy amby telopolo sy telon-jato amby arivo andro. 13 Ary hianao kosa, mizora ho amin'ny fiafarana, ka miala janona, fa ho tafatsangana handray ny lovanao hianao, amin'ny fahataperan'ny andro. (Hatreo no namakianay an'i Daniely ao amin'ny teny hebrio fa ny manaraka hatramin'ny faran'ny boky, nadikanay araka ny navoakan'i Theodotiona.)