Bokin'i Daniely

Toko faha-13

51 Ka hoy Daniely tamin'ny vahoaka: Saraho hifanalavitra izy roa lahy, fa hotsaraiko izy. 52 Nony tafasaraka izy ireo, nantsoin'i Daniely ny anankiray, dia hoy izy taminy: Ry olona nihantitra tamin'ny fanaovan-dratsy ô, indreo hifototra aminao ny fahotana nataonao izay ela izay; 53 hianao efa namoaka fitsarana tsy marina, nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka; nefa hoy ny Tompo hoe: Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina. 54 Ka raha nahita an-drazazavavy ary hianao, dia lazao hoe: teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo? Hoy ny navaliny hoe: Teo ambany lentisika. 55 Dia hoy Daniely: Izany tokoa fa lainga lazainao izany hahafaty anao, fa vonon-kanataka anao hisasaka ny anjelin'Andriamanitra, izay efa nahazo teny tamin'Andriamanitra sahady. 56 Nony nampihataka an'io izy, nasainy hampidirina indray ilay anankiray, ka hoy izy taminy: Ry taranak'i Kanaana, fa tsy mba taranak'i Jodà ô, sodokan'ny hatsaran-tarehim-behivavy hianao; ary voasimban'ny filan-dratsy ny fonao. 57 Izany no nataonareo tamin'ny zanakavavin'Israely; ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo; fa ity zanakavavin'i Jodà kosa tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory. 58 Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe: teo ambany hazo inona moa no tratranao niresaka izy ireo? Hoy izy: Teo ambany oaka. 59 Ka hoy Daniely taminy: Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny anjelin'ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo. 60 Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an'Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena azy izy.

61 Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an'ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon'i Daniely vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin'ny namany ihany, no nataony tamin'izy roa lahy, 62 mba hahatanteraka ny lalàn'i Moizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny rà tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin'izany andro izany. Nidera an'Andriamanitra noho ny amin'i Sozana zanany vavy. 63 Helkiasa sy ny vadiny, mbamin'i Joakima vadin-drazazavavy, sy ny havany rehetra, satria tsy nahitana zava-mahafa-baraka kely akory razazavavy. 64 Ary tonga nalaza teo anatrehan'ny vahoaka Daniely hatramin'izany andro izany, ka hatratý aorian'izany koa. 65 Nony voaangona tany amin'ny razany, Astiaza mpanjaka, dia Syrosa, ilay Persa, no nandray ny fanjakana.

Toko faha-14

1 Ary Daniely nihinana teo amin'ny latabatry ny mpanjaka, ka nahazo haja mihoatra ny sakaizany rehetra.

2 Tamin'ny Babiloniana, dia nisy sampy anankiray atao hoe Bela, izay nandaniana lafarina roa ambin'ny folo artaba, ondry efapolo, ary divay enina metreta isan'andro.

3 Ny mpanjaka koa nanaja an'io sy nandeha nivavaka taminy isan'andro; fa Daniely kosa nivavaka tamin'Andriamanitra. Ka hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana hianao no tsy mba mivavaka amin'i Bela? 4 Dia hoy ny navaliny azy: Satria tsy mba izay sampy nataon-tanan'olombelona, fa ilay Andriamanitra velona, izay nahary ny lanitra sy ny tany sady manan-pahefana amin'ny nofo rehetra ihany no ankalazaiko. 5 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataonao fa tsy zavatra velona va Bela? Tsy hitanao va ity zavatra rehetra haniny sy sotroiny isan'andro? 6 Sady nitsiky Daniely no namaly hoe: Aoka tsy ho diso hevitra amin'izany hianao, ry mpanjaka; fa fotaka ny ao anatin'izy io, ary varahana ny ivelany, ka tsy mbola nihinana na inona na inona, izy. 7 Tezitra ny mpanjaka ka niantso ireo mpisoron'i Bela sy nanao taminy hoe: Raha tsy lazainareo amiko izay mihinana ireny fanatitra ireny dia maty hianareo; 8 fa raha voasehonareo amiko kosa fa Bela no mihinana ireny dia Daniely no maty, satria niteny ratsy an'i Bela izy. 9 Ary nisy fitopolo lahy ny mpisoron'i Bela hafa-tsy ny vady aman-janany. Dia nankany amin'ny tempolin'i Bela ny mpanjaka sy Daniely.

10 Ka hoy ireto mpisoron'i Bela: Izahay handeha hivoaka; fa hianao kosa, ry mpanjaka, asaovy apetraka ny hanina, ary asaovy haroso ny divay rahefa voaharoharo, dia hidio ny varavarana, sady asio tombokase amin'ny fanombohan-kasenao. 11 Ary rahampitso maraina, rahefa miditra hianao, ka hitanao fa tsy lanin'i Bela izany rehetra izany, dia ho faty izahay, na hoe Daniely no ho faty kosa, fa nandainga namely anay. 12 Tsaroany tao an-tsainy fa nasiany fidirana miafina tao ambany latabatra, ka teo mandrakariva no nidirany sy nahatongavany handany ny fanatitra. 13 Nony nivoaka izy ireo, ka efa nasain'ny mpanjaka napetraka teo anoloan'i Bela koa ny hanina, Daniely kosa, nandidy ireo mpanompony hitondra lavenona, ary naeliny manerana ny tempoly teo anatrehan'ny mpanjaka irery ihany izany, vao nivoaka izy ireo, dia nohidiany ny varavarana, sady nasiany tombo-kase tamin'ny fanombohan-kasen'ny mpanjaka, dia lasa nandeha izy. 14 Ny mpisorona kosa nony alina, niditra araka ny fanaony, niaraka tamin'ny vadiny aman-janany, dia nihinana sy nisotro izay rehetra teo. 15 Nifoha maraina koa ny mpanjaka, ary Daniely koa. 16 Ary hoy ny mpanjaka: Tsy nahafahana va ny tombo-kase, ry Daniely? Hoy ny navaliny hoe: Tsy nahafahana, ry mpanjaka ô. 17 Raha vao novohan'ny mpanjaka ny varavarana, ka nojereny ny latabatra, dia niantso izy tamin'ny feo manao hoe: Lehibe hianao, ry Bela ô, sady tsy misy fitaka aminao. 18 Latsaky ny hehy anefa Daniely, ary notazoniny tsy handroso alohaloha kokoa ny mpanjaka, nilazany hoe: Jereo ny ngorodom-bato, diniho fa dian'iza ireo? 19 Ka hoy ny mpanjaka: Dian-dehilahy sy zaza amam-behivavy no hitako, sady tezitra mafy izy. 20 Ary nasainy nosamborina ireo mpisorona, mbamin'ny vady aman-janany, dia nasehon'ireo azy ny varavarana miafina nidirany sy nahatongavany hihinana izay teo ambony latabatra. 21 Nasainy novonoina ho faty izy ireo, ary Bela natolony eo am-pelatanan'i Daniely, dia noravany hatramin'ny tempoliny. 22 Nisy dragona lehibe koa, ary nankalazain'ny Babiloniana.

23 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Daniely: Hataonao hoe varahana koa va io? Jereo fa velona izy, mihinana sy misotro izy. Koa amin'izao tsy ho azonao lazaina fa tsy andriamanitra velona izy io. 24 Fa hoy ny navalin'i Daniely: Mivavaka amin'ny Tompo Andriamanitro aho; satria izy no Andriamanitra velona, fa ity tsy andriamanitra velona akory. 25 Aoka hianao, ry mpanjaka ô, hanome làlana ahy fa hovonoiko tsy amim-tsabatra na tehina akory io dragona io. Hoy ny mpanjaka: Omeko làlana hianao. 26 Dia nalain'i Daniely ny ditin-kazo sy ny sabora ary ny volo, nataony indray mahandro ireo dia novolavolainy ho boribory vao natsipiny tao am-bavan'ity dragona. Ka niatatra ny dragona. Dia hoy izy: Io ilay nankalazainareo! 27 Nony nandre izany ny Babiloniana dia nirehitra mafy ny fahatezerany, ka nivory hanohitra ny mpanjaka izy, sy nanao hoe: Tonga Jody ny mpanjaka, fa Bela noravany, ny dragona nasainy novonoina; ary ny mpisorona naripany.

28 Koa nankao amin'ny mpanjaka izy ireo, dia nanao taminy hoe: Atolory anay Daniely fa raha tsy izany, hianao sy ny ankohonanao no hataonay maty. 29 Hitan'ny mpanjaka, fa niantoraka taminy tamin-kasahiana izy ireo, ka azon'ny hamehana dia mba nanolotra an'i Daniely tamin'izy ireo. 30 Natsipiny tao an-davaky ny liona izy, dia nipetraka tao henemana. 31 Liona fito no tao an-davaka; vatana roa sy ondry roa isan'andro no fanome azy ireo; nefa tsy nomena izany fihinany izany izy ireo tamin'izay, mba hihinanany an'i Daniely. 32 Tany Jodea kosa, Habakoka, mpaminany, tamin'izany andro izany, nony avy nahandro koba izy, sy namotipotika mofo tao anaty vilany dia nankany an-tsaha izy, nitondra izany ho an'ny mpijinja variny.

33 Fa hoy ny anjelin'ny Tompo tamin'i Habakoka hoe: Ento mankany Babilona iny sakafo entinao iny, ho an'i Daniely ao an-davaky ny liona. 34 Ary hoy Habakoka: Tsy mbola nahita an'i Babilona akory aho, tompoko, ary tsy fantatro akory izany lavaka izany. 35 Dia noraisin'ny anjely avy eo an-tampon-dohany tamim-pahafainganana indrindra, araka ny fomban'izy fanahy, ary napetrany tao Babilona, teo ambonin'ilay lavaky ny liona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.161