Bokin'i Daniely
Toko faha-14
36 Ary Habakoka niantso hoe: Ry Daniely mpanompon'Andriamanitra ô, raiso ny sakafo alefan'Andriamanitra ho anao. 37 Ka hoy ny navalin'i Daniely: Andriamanitra ô, tsarovanao tokoa aho, fa tsy mandao an'izay tia anao hianao. 38 Dia nitsangana hihinana Daniely. Ary nataon'ny anjely tao amin'ny fitoerany indray, niaraka tamin'izay, Habakoka. 39 Nony tamin'ny andro fahafito, tonga ny mpanjaka hitomany an'i Daniely; nanatona ny lavaka izy, dia nijery ary indro Daniely nipetraka teo afovoan'ny liona.40 Niantso izy tamim-peo avo hoe: Lehibe hianao, ry Tompo, Andriamanitr'i Daniely, ary tsy misy hafa, hafa-tsy hianao ihany! 41 Dia nesoriny avy tao an-davaky ny liona izy. Ary ireo nitady hahafaty azy kosa no nasainy natsipy tao, ka voarapaka vetivety foana, teo imasony. 42 Tamin'izay ny mpanjaka nanao hoe: Aoka ny mponina rehetra eran'ny tany rehetra hatahotra ny Andriamanitr'i Daniely; fa izy no Mpamonjy, izy no manao famantarana amam-pahagagana eto ambonin'ny tany; izy no nanafaka an'i Daniely tao an-davaky ny liona.
Bokin'i Osea
Toko voalohany
1 Tenin'ny Tompo, tonga tamin'i Osea, zanak'i Beerì, tamin'ny andron'i Oziasa sy Joatama sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasa, mpanjakan'Israely.2 Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'ny Tompo tamin'i Osea, izao no nolazain'ny Tompo tamin'i Osea: Mandehàna hianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon'ny tany hafa-tsy ny misaraka amam-bady amin'ny fandaozana an'ny Tompo.
3 Dia nandeha izy, naka an'i Gomera, zanakavavin'i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy. 4 Ary hoy Iaveh taminy: Ataovy hoe Jezrahely ny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan'ny taranak'Israely. 5 Amin'izany andro izany, hotapahiko, eo amin'ny tanilemaka Jezrahely, ny tsipìkan'Israely. 6 Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy Iaveh tamin'i Osea: Ataovy hoe Lo-Rokhama no anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak'Israely aho ka hamela heloka azy. 7 Fa ny taranak'i Jodà no hiantrako; ary Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy. 8 Nony notazany Lo-Rokhama, dia nanana anaka indray ravehivay, ka nitera-dahy. 9 Dia hoy Iaveh tamin'i Osea: Ataovy hoe Lô-Ammì no anarany, fa hianareo tsy vahoakako, ary izaho tsy ho Andriamanitrareo.
Toko faha-2
1 Ny isan'ny zanak'Israely dia ho tahaka ny fasika amin'ny ranomasina izay tsy afatra na isaina, ary any amin'ny tany nilazana taminy hoe: Tsy vahoakako hianareo, no hanaovana ny hoe: Zanak'Andriamanitra velona.2 Ary hiara-mivory ny taranak'i Jodà sy ny taranak'Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezrahely. 3 Lazao amin'ny rahalahinareo hoe: Ammì! sy amin'ny anabavinareo hoe: Rokhama. 4 Mifandahara amin-dreninareo, mifandahara! Fa izy tsy vadiko intsony, ary izaho tsy vadiny intsony. Aoka hesoriny hiala amin'ny tavany, ny fijangajangany, ary tsy ho eo afovoan'ny nonony ny fanabodoany,
5 fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin'ny hetaheta.
6 Tsy hamindra fo amin'izay zanany aho, fa zanaky ny fijangajangana ireny;
7 satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoroina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin'ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon'ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.
8 Noho izany, indro aho hanampina ny làlanao amin'ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny làlany intsony izy.
9 Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an'ireny; hitady an'ireny izy fa tsy hahita azy. Izay izy vao hanao hoe: Handeha aho hody any amin'ny vadiko taloha, fa niadana aho tamin'izany noho ny ankehitriny.
10 Tsy nahalala izy, fa izaho no nanome azy ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena izay nampiasainy ho an'i Baala.
11 Koa halaiko indray ny variko amin'ny androny, sy ny divaiko vaovao amin'ny taonany, sady hesoriko ny volon'ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.
12 Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason'ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin'ny tanako.
13 Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.
14 Horavako ny voalobony aman'aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen'ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy.
15 Hovaliako izy noho ny andron'ireo Baala, izay nanolorany emboka; tamin'ny andro niravahany masombola ny fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa izaho kosa nohadinoiny, - teny marin'ny Tompo.
16 Koa noho izany dia indro aho hitarika azy sy hitondra azy any an'efitra, ary hiteny aminy ao am-pony;
17 ary avy ao homeko azy ny tanim-boalobony, mbamin'ny lohasaha Akhora ho varavaram-panantenana; ka any izy hamaly toy ny tamin'ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta.
18 Amin'izany andro izany - teny marin'ny Tompo, hianao hiantso ahy hoe: Vadiko: fa tsy hiantso ahy intsony hoe: Baala-ko.
19 Hesoriko amin'ny vavany, ny anaran'ireo Baala, ka tsy hotononina amin'ny anarany intsony ireny.
20 Amin'izany andro izany aho hanao fanekena ho azy, amin'ny biby dia, amin'ny voromanidina, ary amin'ny biby mandady amin'ny tany; hofoanako tsy hisy amin'ny tany ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady, ka hataoko mandry fehizay izy.
21 Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay hianao; hofofoiko ho ahy hianao amin'ny rariny sy ny hitsiny, ary amin'ny fahasoavana sy ny fitiavana:
22 hofofoiko ho ahy amin'ny fahamarinana hianao, ka hahalala an'ny Tompo.
23 Izao no ho tonga amin'izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin'ny Tompo, izaho hamaly ny fangatahan'ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan'ny tany;
24 ny tany hamaly ny fangatahan'ny vary sy ny divay vaovao ary ny diloilo, ary ireo hamaly ny fangatahan'i Jezrahely.
25 Hafafiko amin'ny tany ho ahy Israely, ary hanao famindram-po amin'i Lo-Rokhama aho sy hilaza amin'i Lo-Ammì hoe: Vahoakako hianao, ary izy hanao hoe: Andriamanitro.
Toko faha-3
1 Ary hoy Iaveh tamiko: Mandehàna indray, mitiava vehivavy izay tian'ny lehilahiny anankiray ka manitsakitsa-bady: tahaka ny itiavan'ny Tompo ny zanak'Israely, nefa izy ireo kosa mivadika mankany amin'andriamani-kafa, sady tia ampembam-boaloboka.2 Novidiko sikla volafotsy dimy ambin'ny folo sy orja iray homera, ary orja iray letheka, izy;
3 dia hoy aho taminy: Hianao hijanona eo, ho ahy, mandritra ny andro maro; tsy hijangajanga, tsy ho an'ny lehilahy hafa hianao; ary izaho koa hanao torak'izany aminao. 4 Fa mandritra ny andro maro ny zanak'Israely no hitoetra tsy manam-panjaka, tsy manam-panapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manan'efoda ary tsy manan-terafima. 5 Rahefa afaka izany vao hibebaka ny zanak'Israely, ka hitady an'ny Tompo Andriamaniny sy Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin'ny Tompo sy amin'ny hatsaram-pony izy ireo, amin'ny faran'ny andro.
Toko faha-4
1 Henoy ny tenin'ny Tompo, ry zanak'Israely, fa manan'ady amin'ny mponin'ny tany Iaveh, satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana na ny fahalalana an'Andriamanitra ao amin'ny tany.2 Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin'olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.
3 Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin'ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin'ny hazandrano any anaty ranomasina aza.
4 Nefa aza misy manohatra, aza misy mitaraina, fa efa toy ny manana ady amin'ny mpisorona ny firenenao.