Bokin'i Zakaria
Toko faha-14
21 Ny vilany rehetra ao Jerosalema sy any Jodà koa, dia ho zava-boatokana ho an'ny Tompon'ny tafika avokoa. Ka izay hanao sorona rehetra, dia ho avy haka amin'ireny sy hahandro ny henany ao aminy avokoa; ary tsy hisy Kananeana intsony ao an-tranon'ny Tompon'ny tafika, amin'izany andro izany.Bokin'i Malakia
Toko voalohany
1 Teny fitsarana. Tenin'ny Tompo ho an'Israely, amin'ny alàlan'i Malakia.2 Efa tia anareo aho, hoy Iaveh; ary hoy hianareo: Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? - teny marin'ny Tompo; nefa Jakoba no tiako; fa Esao hàlako;
3 ka ny tendrombohiny natoako lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an'efitra. 4 Raha lazain'i Edoma hataony hoe: Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray, - dia izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Izy ireo hanorina; izaho kosa handrava; ka izao no ho filazan'ny olona azy: Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran'ny Tompo mandrakizay. 5 Hahita maso izany hianareo, ka hifampilaza hoe: Hankalazaina anie Iaveh eo amin'ny tanin'Israely! 6 Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha ray aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo aho, aiza izay tahotra ahy? hoy Iavehn'ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. Hoy hianareo:
7 Tamin'ny inona no nanamavoanay ny anaranao? - Amin'ny fitondranareo mofo voaloto eo amin'ny oteliko. Ary hoy hianareo: Tamin'ny inona no nandotoanay anao? - Amin'ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatry ny Tompo. 8 Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin'ny governoranareo e! Hahazo sitraka aminy va hianao; hahita fitia aminy va hianao? hoy Iavehn'ny tafika. 9 Ary ankehitriny mifonà amin'Andriamanitra hamindra fo aminareo! ny tànanareo no nahatongavan'izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy Iavehn'ny tafika. 10 Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin'ny oteliko! Tsy mankasitraka anareo velively aho, hoy Iavehn'ny tafika; ary ny fanatitra avy amin'ny tànanareo tsy misy ankasitrahako.
11 Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako, any amin'ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin'ny anarako ny olona, amin'ny fitoerana rehetra, satria lehibe ny anarako, any amin'ny firenena, hoy Iavehn'ny tafika. 12 Hianareo kosa anefa mandoto azy, amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatry ny Tompo, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona. 13 Ka hoy hianareo: Inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory izy, hoy Iavehn'ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahana va izay avy amin'ny tànanareo? hoy Iaveh. 14 Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manan'ondralahy eo amin'ny andian'ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe aho, hoy Iavehn'ny tafika; ary mahatahotra ny anarako, any amin'ny firenena.
Toko faha-2
1 Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao.2 Raha tsy henoinareo sy tsy rototra hianareo ny hanome voninahitra ny anarako, hoy Iavehn'ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo aho, ary hozoniko ny tsodrano ataonareo; - fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra hianareo! - 3 Indro hataoko tsy maniry ny voa afafy, hafafiko amin'ny tavanareo ny tain-droroha, dia ny tain-drorohan'ny fetinareo, ka hailiky ny olona miaraka amin'izany hianareo. 4 Dia ho fantatrareo amin'izay, fa nandefa ity didy ity aminareo aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levì, hoy Iavehn'ny tafika. 5 Ny fanekeko tamin'i Levì, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra ahy, sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny làlan'ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy, tsy hita teo amin'ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin'ny ratsy. 7 Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no anjelin'ny Tompon'ny tafika. 8 Fa hianareo kosa nivily làlana, nanafintohina olona maro tamin'ny làlana, ary namadika ny fanekena tamin'i Levì, hoy Iavehn'ny tafika. 9 Koa izaho kosa, dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona eo imason'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny làlako hianareo, sady mizaha tavan'olona amin'ny fampiharana ny lalàna. 10 Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana ary ity isika, no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy, ka mandoto ny fanekena tamin'ny razantsika?
11 Jodà mpivadika, ary Israley sy Jerosalema nahavitana fahavetavateana; fa mandoto ny zava-boatokana ho an'ny Tompo, dia izay tian'ny Tompo, Jodà; nanambady ny zanakavavin'ny andriamani-kafa izy. 12 Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran'ny Tompo eo amin'ny lain'i Jakoba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin'izay manatitra fanatitra ho an'ny Tompon'ny tafika. 13 Izao koa no zavatra faharoan'izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso ny otelin'ny Tompo, tondrahanareo fitomaniana sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan'ny Tompo intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin'ny tànanareo.
14 Ary hoy hianareo: Nahoana izany? Iaveh dia efa vavolombelona manelanelana anao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, nefa izy no namanao sy vady vita fanekena taminao. 15 Tsy mba misy nanao izany anefa na iza na iza amin'izay mba manana ny Fanahy masina? - Ary inona no nataon'ilay Iray? - Nitady taranaka araka an'Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin'ny fahatanorany. 16 Fa hàlako ny fisaoram-bady, hoy Iaveh, Andriamanitr'Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasiahana ny fitafiany, hoy Iavehn'ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka. 17 Efa nanasatra an'ny Tompo hianareo, tamin'ny teninareo. Ary hoy hianareo: Tamin'ny inona, no nanasaranay azy? - Tamin'ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason'ny Tompo, ary ireo olona ireo no ankasitrahany! Na tamin'ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?
Toko faha-3
1 Indro aho, haniraka ny irako; ka izy no hanamboatra ny làlana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay anjelin'ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy Iavehn'ny tafika.2 Iza no hahatanty ny andro hihaviany, ary zovy no hahajoro, raha miseho izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika izy sy ho sahala amin'ny potasin'ny mpanery lopòtra. 3 Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy; hanadio ny taranak'i Levì izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo izy ho an'ny Tompo, hanolotra fanatitra ara-drariny aminy; 4 ary hankasitrahan'ny Tompo toy ny tamin'ny andro taloha, toy ny tamin'ny taona fahiny, ny fanatitr'i Jodà sy Jerosalema. 5 Hanatona anareo aho ho amin'ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin'olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman'ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondra-tena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra ahy, hoy Iavehn'ny tafika.
6 Noho izany Iaveh tsy miova, no tsy nahafongotra anareo, ry taranak'i Jakoba.
7 Hatramin'ny andron'ny razanareo, no efa nihatahanareo tamin'ny fitsipiko sy efa tsy nitandremanareo azy. Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho, hoy Iavehn'ny tafika. - Fa hoy hianareo: Ny amin'inona no hiverenanay? - 8 Olombelona va no sahy hanambaka an'Andriamanitra, no hanambaka ahy hianareo? - Ary hoy hianareo: Tamin'ny inona no nanambakanay anao? - Tamin'ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana. 9 Voan'ny ozona hianareo, ary izaho ambakainareo, dia hianareo, ny firenena manontolo. 10 Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin'izay aho, hoy Iavehn'ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo. 11 Noho ny aminareo, dia horoahiko ny bibimadinika mpandany; ka tsy hanimba ny vokatry ny taninareo intsony, ary tsy hisy tsy hahavonom-boa ny voaloboka any an-tsahanareo, hoy Iavehn'ny tafika. 12 Hataon'ny firenena rehetra hoe, sambatra, hianareo; satria ho tany mahafinaritra hianareo, hoy Iavehn'ny tafika. 13 Mafy loatra ny teninareo mamely ahy, hoy Iaveh. Ary hoy hianareo: Inona no resakay momba anao? - Izao no nolazainareo:
14 Zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin'ny fitandremana ny didiny sy tamin'ny fandehanana niory teo anatrehan'ny Tompon'ny tafika? 15 Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra; fa ambinina izay manao ny ratsy; maka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny. 16 Tamin'izany, izay natahotra an'Andriamanitra, dia samy niresaka tamin'ny namany avy. Ary Iaveh kosa nihaino, ka nahare izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an'ireo matahotra an'ny Tompo sy manaja ny anarany. 17 Amin'ny andro efa omaniko, hoy Iavehn'ny tafika, ho raki-tsoa manokana ho ahy ireo, ary ho feno fitiavana azy aho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin'ny zanany manompo azy. 18 Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian'ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.
