Bokin'i Zakaria
Toko faha-11
11 Dia voatapaka tamin'izany andro izany io ka dia fantatr'ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin'ny Tompo. 12 Ary hoy aho taminy: Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana. Dia nolanjain'izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.13 Ary hoy Iaveh tamiko: Atsipazo ao amin'ny mpanefy tanimanga izany dia izay vidy be nanombanany ahy! Dia noraisiko ny vola telopolo sikla ka natsipiko tao an-tranon'ny Tompo ao amin'ny mpanefy tanimanga. 14 Rahefa izany, notapahako ilay tehiko, i Kofehy, hanafoanako ny firahalahian'i Jodà sy Israely. 15 Hoy Iaveh tamiko: Raiso amin'izao ny forongon'ny mpiandry vaovao.
16 Fa indro aho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin'ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon'izay matavy, sy hamaky ny kitrony. 17 Loza ho an'ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian'ny sabatra ny sandriny sy ny masony an-kavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony an-kavanana ho faty!
Toko faha-12
1 Didim-pitsarana. Tenin'ny Tompo amin'Israely. Teny marin'ny Tompo, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin'ny olombelona ao anatiny:2 Indro hataoko tokonana fanozongozona Jerosalema ho an'ny firenena manodidina rehetra; ary ho an'i Jodà koa izany, amin'ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
3 Ary dia hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany: Jerosalema hataoko vato haingaina ho an'ny firenena rehetra; ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa, ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin'ny tany.
4 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, hataoko azon'ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra, ary azon'ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy; ny taranak'i Jodà, hisokafan'ny masoko; fa ny soavalin'ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
5 Ny filohan'i Jodà, hanao anakampo hoe: Ny mponina ao Jerosalema dia hery ho ahy avy amin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'izy ireo.
6 Amin'izany andro izany, ireo filohan'i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin'ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin'ny an-kavanana sy eo amin'ny an-kavia, ary Jerosalema dia mbola ho eo amin'ny fitoerany ao Jerosalema ihany.
7 Ny lain'i Jodà aloha no hovonjen'ny Tompo, mba tsy hisandratra ambonin'i Jodà, ny reharehan'ny taranak'i Davida, sy ny reharehan'ny mponina ao Jerosalema.
8 Amin'izany andro izany, Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin'izy ireo, dia ho tahaka an'i Davida amin'izany andro izany, ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia ho tahaka ilay anjelin'ny Tompo, eo anoloan'izy ireo.
9 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany: Hataoko izay handringanana ny firenena rehetra, tonga hamely an'i Jerosalema.
10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina ao Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana amam-pifonana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahimatoa.
11 Amin'izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremona, amin'ny lohasahan'i Magedao.
12 Ho ao anatin'ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy; ny fianakavian'ny taranak'i Davida manokana, ny vadin'ireo manokana; ny fianakavian'ny taranak'i Natana manokana, ny vadin'ireo manokana;
13 ny fianakavian'ny taranak'i Levi manokana, ny vadin'ireo manokana; ny fianakavian'i Semei manokana, ny vadin'ireo manokana;
14 ny fianakaviana sisa rehetra, samy manokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo manokana.
Toko faha-13
1 Amin'izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an'ny taranak'i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.2 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika: Hofoanako amin'ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hesoriko amin'ny tany koa ny mpaminany mbamin'ny fanahim-pahalotoana.
3 Ary raha misy mbola maminany ihany, dia hilazan'ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe: Tsy ho velona hianao, fa nilaza lainga, tamin'ny anaran'ny Tompo! Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany no handefona azy eo am-paminaniany eo.
4 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany: Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy raha maminany izy; ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony, mba handainganany.
5 Hisy hilaza hoe: Tsy mpaminany aho, fa izaho dia olona mpiasa tany; satria voavidin'olona hatry ny fony mbola kely aho.
6 Ary hisy hilaza aminy hoe; Ka inona itony ratra amin'ny tànanao itony? ary hovaliany hoe: Ny nahavoa ahy toy izao dia tao an-tranon'ny sakaizako.
7 Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin'ny Tompon'ny tafika. Kapohy ny mpiandry, hihahafan'ny ondry. Dia hamerina ny tànako ho amin'ny madinika aho.
8 Amin'ny tany rehetra, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany. 9 Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin'ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny anarako; ary izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: Oloko izy! Ary izy hilaza hoe: Andriamanitro Iaveh!
Toko faha-14
1 Indro misy andro ho avy ho an'ny Tompo ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao.2 Hangoniko eo anoloan'i Jerosalema ny firenena rehetra hiady, ary ny tanàna, ho afaka; ny trano horobaina, ny vehivavy hanaovana an-keriny; ary ny antsasaky ny tanàna ho lasan-ko babo; fa ny vahoaka sisa kosa, tsy ho fongorana eo an-tanàna akory. 3 Fa hivoaka Iaveh hiady amin'ireo firenena ireo, toy ny fiadiny amin'ny andro fiadiana.
4 Amin'izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-trendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an'i Jerosalema amin'ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miatsinanana sy miakandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo; 5 dia eo amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan'ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin'ny andron'i Osiasa, mpanjakan'i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy Iaveh Andriamanitrao, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy. 6 Amin'izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry.
7 Izany andro izany, dia ho safatsiroa ary fantatry ny Tompo, ka tsy ho andro izy, tsy ho alina, ary amin'ny fotoanan'ny hariva dia hisy ny mazava. 8 Amin'izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: Hisy rano velona, hivoaka avy ao Jerosalema, ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana; dia ho toy izany na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina.
9 Ary Iaveh ho tonga mpanjaka amin'ny tany rehetra; ary amin'izany andro izany, dia ho tokana ihany Iaveh, ary ny anarany ho tokana ihany. 10 Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Gabaa ka hatrany Remmona, eo atsimon'i Jerosalema. Ary hasandratra sy hipetraka amin'ny toerany Jerosalema, dia hatreo amin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny fitoeran'ny vavahadin'ny Zoro, ary hatreo amin'ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin'ny famihazam-boaloboky ny mpanjaka. 11 Ny olona, honinao ao, ny anatema tsy hisy intsony; ary Jerosalema handry fahizay. 12 Izao no fery hamelezan'ny Tompo ny firenena rehetra niady tamin'i Jerosalema: ny nofony hataony hihalò am-pitsanganana; ny masony hihalò ao anaty taola-masony; ary ny lelany hihalò ao am-bavany.
13 Amin'izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin'ny Tompo no hisian'ny fikorontanana lehibe eo amin'izy ireo, ka samy hisambotra ny tànan'ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tànana hamely ny namany avy.
14 Jodà koa hiady amin'i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin'ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be. 15 Ary ny fery hamely ny soavaly, ny mole, ny rameva, ny ampondra, mbamin'ny biby rehetra amin'ireny toby ireny, ho sahala amin'io fery io ihany.
16 Izay rehetra sisa tavela amin'ny firenena niakatra namely an'i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika, sy hankalaza ny fetin'ny Tabernakla.
17 Izay fianakaviana tsy mba hiakatra any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika, dia tsy mba hilatsahan'ny orana. 18 Ary raha ny fianakavian'i Ejipta no tsy miakatra sy tsy tonga, dia tsy hilatsahan'ny ranonorana koa izy, sady hasian'ny fery hamelezan'ny Tompo an'izay tsy miakatra hankalaza ny fetin'ny Tabernakla. 19 Izany no sazy hanjo an'i Ejipta sady sazy hanjo ny firenena rehetra, izay tsy miakatra hankalaza ny fetin'ny Tabernakla. 20 Amin'izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an'ny Tompo; ary ny vilany ao an-tranon'ny Tompo, ho toy ny kapoaka eo anoloan'ny otely.
