Bokin'i Zakaria

Toko faha-8

13 Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin'ny firenena, ry taranak'i Jodà sy taranak'Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tànanareo! 14 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Toy ny nikasako hahatonga loza taminareo fony nihantsy ny hatezerako ny razanareo, hoy Iavehn'ny tafika, ka tsy nanenenako izany,

15 no ikasako kosa indray amin'izao andro izao, ny hanisy soa amin'i Jerosalema sy amin'ny taranak'i Jodà; ka aza matahotra. 16 Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin'ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan'ny olona; 17 aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan'ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa hàlako avokoa izany rehetra izany, - teny marin'ny Tompo. 18 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompon'ny tafika, nanao hoe:

19 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin'ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin'ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana, sy ho fety lehibe, ho an'ny taranak'i Jodà.

20 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Mbola ho avy koa ny firenena amam-ponina avy amin'ny tanàna maro.

21 Ny mponina avy amin'ny iray, hankany amin'iray hafa, ka hanao hoe: Andao, andao re isika, hifona amin'ny Tompo sy hitady an'ny Tompon'ny tafika! - Izaho koa mba handeha! 22 Ka vahoaka maro amam-pirenena mahery no ho avy hitady an'ny Tompon'ny tafika ao Jerosalema, sy hifona amin'ny Tompo. 23 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Amin'izany andro izany, hisy folo lahy avy amin'ny fitenim-pirenena rehetra, ka hihazona, eny hihazona ny sisin-damban'ny Jody anankiray, ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo koa izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra!

Toko faha-9

1 Teny fitsarana. Tenin'ny Tompo mamely ny tany Hadraky; ary ao Damasa no ho fonenany, - fa ny mason'ny Tompo dia eo amin'ny olona, sy eo amin'ny fokon'Israely rehetra; -

2 ary koa ao Hamata, mifanolotra amin'i Damasa, sy ao Tira mbamin'i Sidona, satria be fahendrena izy.

3 Tira dia nanao trano mimanda ho azy, nanangona volafotsy hoatra ny vovoka, sy volamena hoatra ny fotaka eny an-dalambe.

4 Indro fa ho azon'ny Tompo izy io; hasiany ny heriny eny amin'ny ranomasina, ary ny tenany ho levonin'ny afo.

5 Hahita izany Askalona, ka hatahotra; Gaza koa hiolanolana azon'ny fijaliana; ary Akarona koa, fa efa ho levona ny fanantenany. Gaza, tsy hanam-panjaka intsony, ary tsy honenana intsony Askalona.

6 Vahiny tsy manjary no haka fonenana ao Azota, ary hofoanako ny avonavon'ny Filistina.

7 Hesoriko avy any am-bavany ny rany; ary ho avy eo anelanelan'ny nifiny ny fahavetavetany; ka izy koa dia ho sisa ho an'Andriamanitsika; ho toy ny lohany amin'i Jodà, ary Akarona ho toy ny Jeboseana.

8 Hitoby manodidina ny tranoko aho; hiaro azy amin'ny tafika rehetra sy amin'ny mpandehandeha rehetra; ka tsy hisy mpampahory hamaky eo aminy intsony, fa ny masoko no efa nahita ankehitriny.

9 Mifalia amin'ny hafaliana lehibe, ry zanakavavin'i Siona! Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin'i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atý aminao; marina izy sady arovan'Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak'ampondravavy.

10 Hofoanako tsy hisy ny kalesa fiadiana any Efraima, mbamin'ny soavaly ao Jerosalema, Ary hopotehina ny tsipìka fiadiana. Hilaza fiadanana amin'ny firenena izy; ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina; ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

11 Ho anao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao avy ao an-davaka tsy misy rano.

12 Miverena ho ao amin'ny fitoerana mimanda, hianareo babon'ny fanantenana. Mbola lazaiko anio izao: Indroa heny no haveriko aminao.

13 Fa henjaniko ho ahy, Jodà, ary ataoko amin'ny tsipìka Efraima. Hamporisika ny zanakao aho, ry Siona, hiady amin'ny zanakao, ry Javana, ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery hianao.

14 Hiseho eo ambonin'izy ireo Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trompetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin'ny tafio-drivotra any atsimo.

15 Harovan'ny Tompon'ny tafika izy ireo; ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton'antsamotady, hisotro, hihavatravatra toy ny azon-divay, ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana, toy ny tandroky ny otely.

16 Iaveh, Andriamaniny, no ho famonjena azy ireo, amin'izany andro izany; dia ho famonjen'ny andian'ondry izay vahoakany; izy ireo ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra, hampirapiratra eo amin'ny taniny.

17 Endrey izany fandrosoana, endrey izany hatsaran-tarehin'izy ireo! Ny vary, hampitombo ny zatovo, ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.

Toko faha-10

1 Mangataha amin'ny Tompo ny ranonorana amin'ny lohataona. Satria fa Iaveh no manao ny helatra; ka homeny ranonorana be izy ireo, ary ahitra eny an-tsahan'izy rehetra tsirairay avy.

2 Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran'izany, ary fampiononana sandoka no omeny; ka hono izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.

3 Nirehitra tamin'ny mpiandry ny fahatezerako, ary hofaiziko ireo osilahy! Fa Iavehn'ny tafika mamangy ny ondriny, ny taranak'i Joda, ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin'ny ady.

4 Avy aminy no hihavian'ny antoko-miaramila, avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana; avy aminy avokoa no hivoahan'ny filoha rehetra.

5 Izy ireo ho toy ny mpiady mahery, manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin'ny ady; hiady izy ireo, satria omban'ny Tompo, ka hahasafo-kenatra an'ireo mitaingin-tsoavaly.

6 Hohatanjahako ny taranak'i Jodà, ary hovonjeko ny taranak'i Josefa; hanangana azy indray aho, fa mangoraka azy ireo; ary ho toy ny tsy nariako akory izy, fa Iaveh, Andriamaniny aho, ka hihaino azy ireo.

7 Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima, hifaly toy ny fifaliana amin'ny divay ny fony; hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo, ary hientan-kafaliana amin'ny Tompo ny fon'izy ireo!

8 Hisiaka eny aoriana azy eny aho, ka hanangona azy fa efa nanavotra azy; dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy.

9 Rahefa nafafiko tany amin'ny firenena izy, ka mahatsiaro ahy any an-tany lavitra, dia hiara-belona izy sy ny zanany, ka samy hiverina.

10 Hampodiko avy any amin'ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin'ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany.

11 Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin'ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan'ny ony. Haetry ny avonavon'i Asiria, ary halana ny tehim-panjakan'i Ejipta.

12 Hampahereziko ao amin'ny Tompo izy ireo, ka handeha amin'ny anarany, - teny marin'ny Tompo.

Toko faha-11

1 Vohay ny vavahadinao, ry Libàna, ary aoka ho levon'ny afo ny sedranao!

2 Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera, voasimba ny hazo tsara mahagaga. Midradradradrà, ry oaka ao Basàna, fa ripaka ny ala mikirindro!

3 Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry, satria rava ny voninahiny; re mieronerona ny liona tanora, fa rava izay nireharehan'i Jordany.

4 Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitro: Aoka hianao ho mpiandry an'ireo ondry atao famono,

5 izay vonoin'ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon'ny mpivarotra azy hoe: Isaorana anie Iaveh fa mitombo harena aho! - ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory. 6 Fa tsy hitsitsy ny mponina amin'ny tany intsony aho, - teny marin'ny Tompo; indro aho hanolotra ny lehilahy samy ho an-tànan'ny namany avy, sy hoe eo an-tànan'ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin'ny tànan'ireo aho. 7 dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin'ireo mahantra indrindra amin'ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.

8 Telo no mpiandry nesoriko tanatin'ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin'ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy. 9 Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa! 10 Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahako, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin'ny firenena rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.217