Bokin'i Zakaria

Toko faha-5

3 Dia hoy izy tamiko: Io no ozona mivoaka ho eo ambonin'ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto. 4 Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, - ka ho tonga ao amin'ny tranon'ny mpangalatra sy amin'ny tranon'ny mianiana tsy to amin'ny anarako, dia hitoetra ao afovoan'izany trano izany ary handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony. 5 Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: Atopazo ny masonao, ka ajereo io miseho io. Dia hoy aho: Inona io?

6 Ary hoy izy: Ny efah no miseho; sady nampiany hoe; Mifantoka amin'io avokoa ny fijerin'izy ireo, any amin'ny tany rehetra. 7 Ary indro nisy vongam-piraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan'ny efah.

8 Dia hoy izy hoe: Io vehivavy io no haratsiam-panahy. Dia natosiny ho ao afovoan'ny efah izy io, sady nantontany teo am-bavan'io ilay vogam-piraka. 9 Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin'ny elany; nanan'elatra toy ny an'ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany.

10 Ka hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Hoentiny ho aiza ity efah? 11 Dia hoy ny navaliny ahy: Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin'ny tany Sennaara, ka rahefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin'ny fitoerany.

Toko faha-6

1 Natopiko indray ny masoko ka nahita aho: Dia indro kalesy efatra nivoaka avy tao anelanelan'ny tendrombohitra roa, ary tendrombohitra varahana ireo tendrombohitra ireo.

2 Ny kalesy voalohany nisy soavaly menapiny, ny kalesy raharoa, nisy soavaly mainty; 3 ny kalesy fahatelo, nisy soavaly fotsy, ary kalesy fahefatra, nisy soavaly sadamena mavitrika. 4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho, ka nanao hoe: Iza moa ireto, tompoko? 5 Ary namaly ahy ny anjely, ka nanao hoe: Ireo no virotra efatry ny lanitra tonga avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra. 6 Ny kalesy nisy ireo soavaly mainty ho nivoaka ho amin'ny tany avaratra; ireto fotsy no nivoaka nanaraka ireo, ary ireto sada no nivoaka ho amin'ny tany atsimo. 7 Nony nivoaka ireo mavitrika, dia nangataka hiainga mba hitety ny tany; ka hoy ny anjely tamin'ireo: Mandehana mitety ny tany; dia nitety ny tany ireo. 8 Ary niantso ahy izy, ka nanao tamiko hoe: Jereo, fa ireo nivoaka ho amin'ny tany avaratra, dia nampionona ny fanahiko tamin'ny tany avaratra. 9 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

10 Handray avy eo an-tànan'ireo babo hianao, dia avy eny an-tànan'i Holdai sy Tobia ary Idaia; - ka ny tenanao no handeha amin'izany andro izany ho any an-tranon'i Josiasa, izay nidiran'izy ireo, nony vao tonga avy any Babilona izy, - 11 ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satro-boninahitra, dia ataovy eo an-dohan'i Jesoasy, mpisorona lehibe, zanak'i Josedeka. 12 Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin'ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin'ny Tompo. 13 Izy no hanao ny tempolin'ny Tompo, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin'izy roaroa. 14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema, Tobia, Idaià ary Hena, zanak'i Sofonia, ho fahatsiarovana ao an-tempolin'ny Tompo. 15 Ho tonga hanao ny tempolin'ny Tompo ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho atý aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon'ny Tompo hianareo.

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa, tonga tamin'i Zakaria ny tenin'ny Tompo, tamin'ny andro fahefatry ny volana fahasivy, volana Kasleo.

2 Naniraka an'i Sarasara sy Rogommeleky mbamin'ny olony, ny tany Betela hitalaho amin'ny Tompo, 3 hiteny amin'ireo mpisorona ao an-tranon'ny Tompon'ny tafika mbamin'ireo mpaminany hoe: Tokony hitomany va aho, amin'ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin'ny taona maro be? 4 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompon'ny tafika nanao hoe: 5 Mitenena hianao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany mbamin'ny mpisorona, ka lazao amin'izy ireo hoe: Raha nifady hanina sy nanao fisaonana hianareo, tamin'ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin'ny fitopolo taona izay, moa ho avy va no nifadianareo hanina? 6 Ary raha mihinana sy misotro hianareo, moa tsy ny tenanareo va no mihinana sy misotro? 7 Moa tsy eo va ireo teny nolazain'ny Tompo tamin'ny vavan'ny mpaminany fahiny, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema, mbamin'ny zana-bohiny manodidina azy, sady mbola nonenana koa ny negeba sy ny sefelah? 8 Tonga tamin'i Zakaria ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

9 Izao no nolazain'ny Tompon'ny tafika: Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy, 10 aza mampahory ny mpitondra tena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo. 11 Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare. 12 Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain'ny Tompon'ny tafika azy ireo, nolazain'ny Fanahiny tamin'ny alàlan'ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin'ny Tompon'ny tafika. 13 Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin'izy ireo; no hiantsoin'izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy Iavehn'ny tafika. 14 Haeliko any amin'ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian'izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra.

Toko faha-8

1 Tonga ny tenin'ny Tompon'ny tafika, nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Siona aho, sady entim-pahatezerana mafy aho noho ny aminy. 3 Izao no lazain'ny Tompo: Tafaverina eto Siona aho, ka te-honina eo afovoan'i Jerosalema; Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan'ny fahamarinana; ary ny tendrombohitry ny Tompon'ny tafika, hatao hoe ny tendrombohitry ny fahamasinana.

4 Izao no lazain'ny Tompo'ny tafika: Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin'ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.

5 Ny kianjan'ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy milalao, eny amin'ny kianjany. 6 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Amin'izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason'izay sisa amin'ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika?

7 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indro aho hanafaka ny vahoakako avy any amin'ny tany atsinanana sy ny tany andrefana;

8 hoentiko mody izy honina ao afovoan'i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary izaho ho Andriamaniny, amin'ny rariny sy ny hitsiny. 9 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Aoka hatanjaka ny tànanareo, hianareo izay mandre amin'izao andro izao, ireto teny avy amin'ny vavan'ny mpaminany ireto, izay niteny tamin'ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon'ny Tompon'ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly.

10 Talohan'izany andro izany tsy nisy karama ho an'ny olona, tsy nisy karama ho an'ny biby, tsy nisy azon'izay nivoaka sy niditra hitokiana amin'ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra. 11 Ankehitriny kosa aho efa tsy tahaka ny tamin'ny andro taloha intsony, amin'izay sisa amin'ity firenena ity, - teny marin'ny Tompon'ny tafika. 12 Fa ny voa afafy hirobona, ny voaloboka hamoa ny voany; ny tany hahavokatra ny vokany; ny lanitra handatsaka ny andony; ary izay sisa amin'ity firenena ity no hataoko tompon'izany zavatra rehetra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.16