Bokin'i Zakaria

Toko voalohany

11 Ka dia namaly ireo tamin'ny anjelin'ny Tompo, izay teo amin'ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry fahizay avokoa ny tany. 12 Dia niteny ilay anjelin'ny Tompo nanao hoe: Ry Iavehn'ny tafika ô, mandra-pahoviana hianao no tsy hamindra fo amin'i Jerosalema sy ny tanànan'i Jodà, izay itezeranao efa hatramin'ny fitopolo taona? 13 Ary Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin'ilay anjely niresaka tamiko. 14 Ary ity anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Efa azon'ny fahasarotam-piaro mafy, an'i Jerosalema sy an'i Siona aho. 15 Ary mbola azon'ny fahasarotam-piaro mafy aho hamely ny firenena izay milomano amin'ny harem-be. Satria izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin'ny fandravana ihany.

16 Koa izao no lazain'ny Tompo: Miverina eto Jerosalema amin'indrafo aho, ka ny tranoko haorina eto indray, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, ary ny famolaina hohenjanina amin'i Jerosalema.

17 Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an'i Siona Iaveh, sy mbola hifidy an'i Jerosalema.

Toko faha-2

1 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.

2 Dia hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireto? Ary hoy izy tamiko: Ireo no tandroka nampihahaka an'i Jodà sy Israely ary Jerosalema. 3 Ary naneho mpanefy efatra tamiko Iaveh. Ka hoy aho: Tonga haninona ireto?

4 Dia namaly izy nanao hoe: Iretsy no tandroka nampihahaka an'i Jodà, ka tsy nisy olona nanatraka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok'ireo firenena nanagan-tandroka hamely ny tanin'i Jodà mba hampihahaka azy. 5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tànany.

6 Dia hoy aho: Ho aiza hianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany. 7 Tamin'izay niseho ilay anjely niresaka tamiko, sady nisy anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;

8 ka hoy izy taminy hoe: Mandehana faingana, milaza amin'io zatovo io, ataovy hoe: Honenana toy ny tanàna tsy mimanda Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy. 9 Ary izaho, - teny marin'ny Tompo, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany. 10 Avia! Avia! Mandosira avy any amin'ny tany avaratra, - teny marin'ny Tompo, fa naeliko eny amin'ny faravazan-tany efatra hianareo - teny marin'ny Tompo.

11 Avia, ry Siona, vonjeo ny tenanao, hianao izay monina ao amin'ny zanakavavin'i Babilona!

12 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Ho voninahiny no nanirahany ahy ho any amin'ny firenena nambabo anareo; satria izay mikasika anareo mikasika ny anakandria-masony.

13 Fa indro aho manetsika ny tànako eo ambonin'ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an'ireo manompo azy; ary hianareo, hahalala fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy.

14 Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Siona, fa indro aho tamy, ary honina ao afovoanao, - teny marin'ny Tompo.

15 Amin'izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin'ny Tompo, ka ho vahoakako izy ireo; ary izaho honina ao afovoanao, dia ho fantatrao fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho aminao.

16 Iaveh hanana an'i Jodà ho anjarany eo amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema izy.

17 Aoka hangina eo anatrehan'ny Tompo ny nofo rehetra, fa hitsangana avy eo amin'ny fitoerany masina izy.

Toko faha-3

1 Nasehony ahy Jesoasy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan'ilay anjelin'ny Tompo, ary Satana nitsangana teo ankavanan'io mba hanohitra azy.

2 Dia hoy Iaveh tamin'i Satana: Aoka hosakanan'ny Tompo hianao, ry Satana, aoka hianao hosakanan'ny Tompo, izay nifidy an'i Jerosalema! Tsy forohana nosarihana avy ao amin'ny afo va ity? 3 Ary nitafy maloto Jesoasy sy nitsangana teo anatrehan'ilay anjely.

4 Ary niteny ilay anjely ka nilaza tamin'ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: Esory ny fitafiana maloto eny aminy. Dia hoy izy taminy: Jereo, efa nesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin'ny fety no natafiko anao. 5 Ary hoy aho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Dia nasian'izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay anjelin'ny Tompo. 6 Ka izao no fanambarana nolazain'ilay anjelin'ny Tompo, tamin'i Jesoasy:

7 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Raha mizotra amin'ny lalako hianao sy mahatoky hianao amin'ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa hianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan'ireto izay mitoetra aty.

8 Mihainoa ary, ry Jesoasy, mpisorona lehibe, hianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: - Indro aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.

9 Fa inty ny vato napetrako eo anoloan'i Jesoasy; maso fito no amin'izay vato tokana izay; indro aho efa hisokitra ny hosokirina aminy, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity!

10 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, samy hifanasa avy hianareo, eo ambanin'ny voaloboka sy eo ambanin'ny aviavy.

Toko faha-4

1 Niverina ilay anjely niresaka tamiko, ary nofohaziny, toy ny famoha olo-matory, aho,

2 sy nilazany hoe: Inona no hitanao? Ka hoy ny navaliko azy: Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin'ireo lalampy eo an-tampon'ny fanaovan-jiro. 3 Ary hazo oliva roa no manotrona azy, ny iray eo an-kavanan'ny tavy, ary ny iray eo an-kaviany. 4 Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona no hevitr'ireo zavatra ireo, tompoko?

5 Namaly ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ny hevitr'ireo zavatra ireo? Ary hoy ny navaliko azy: Tsia, tompoko. 6 Dia namaly niteny ilay anjely ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'ny Tompo amin'i Zorobabela, izany hoe: Tsy amin-tafika, na amin-kery, fa amin'ny Fanahiko, hoy Iavehn'ny tafika. 7 Iza moa hianao, ry tendrombohitra lehibe, eo anoloan'i Zorobabela? Ho tany lemaka ihany hianao, ary izy hanangana ny vato hatao tendrony, eo amin'ny fihobiana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! 8 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

9 Ny tànan'i Zorobabela no nametraka ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho aminao. 10 Fa iza no hanamavo ny andron'ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tànan'i Zorobabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason'ny Tompo mitety ny tany rehetra. 11 Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: Inona ireto hazo oliva roa, eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany?

12 Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: Inona ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny lantonoara volamena, ikararanam-bolamena, ireo? 13 Niteny tamiko izy nanao hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ka hoy ny navaliko azy: Tsia, tompoko. 14 Ary hoy izy tamiko: Ireo no zanaka roan'ny fanosorana, izay mitsangana eo akaikin'ny Tompon'ny tany rehetra.

Toko faha-5

1 Natopiko indray ny masoko, ka nahita aho: Ary indro nisy horonan-taratasy nanidina.

2 Ary hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ka hoy aho: Horonan-taratasy manidina, roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, no hitako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1032