Bokin'i Sofonia
Toko faha-3
19 Amin'izany andro izany hofaranako ny amin'ny momba an'ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin'ny tany rehetra nanakorana azy.20 Amin'izany andro izany, hampodiko hianareo; ary amin'ny andro hanangonako anareo, hataoko malaza sy be voninahitra hianareo, any amin'ny firenena rehetra eto an-tany, rahefa hatsahatro ny fahavalonareo, eo imasonareo, hoy Iaveh.
Bokin'i Akjea
Toko voalohany
1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny volana fahenina, andro voalohan'ny volana, no nahatongavan'ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alàlan'i Akjea, mpaminany, tamin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin'i Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon'ny Tompo indray. 3 Ary tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alàlan'i Akjea mpaminany manao hoe: 4 Ary ho anareo kosa moa dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina, amin'izao aharavan'io trano io izao?
5 Koa ankehitriny izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Diniho tsara ny làlanareo.
6 Namafy be hianareo, fa nijinja kely; mihinana, fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafana; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
7 Izao no lazain'ny Tompo'ny tafika: Diniho tsara ny làlanareo.
8 Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo, ary ataovy ny trano; hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany, hoy Iaveh.
9 Nanantena be hianareo, nefa tsy nisy hafa-tsy kely foana; nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany. Nahoana? - teny marin'ny Tompon'ny tafika. Satria ny tranoko mbola rava; nefa hianareo isany, samy maimay be ihany ny amin'ny tranony avy.
10 Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo, ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.
11 Niantso ny fahamainana aho, ho amin'ny tany sy ny tendrombohitra, ho amin'ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, sy izay rehetra mety ho vokatry ny tany, mbamin'ny olona sy ny biby, ary asan-tànana rehetra.
12 Tamin'izay Zorobabela, zanak'i Salatiela, sy Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin'ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon'ny Tompo Andriamaniny, sy ny tenin'i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen'ny Tompo Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan'ny Tompo. 13 Ary Akjea, irak'Iaveh, araka ny didin'ny Tompo, niteny tamin'ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo aho, - teny marin'ny Tompo. 14 Ary notairin'ny Tompo ny fanahin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin'i Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin'ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin'ny tranon'ny Tompon'ny tafika Andriamaniny, 15 tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahenina, taona faharoa, nanjakan'i Dariosa.
Toko faha-2
1 Tamin'ny volana fahafito, andro faharaika amby roapolon'ny volana, tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alàlan'i Akjea, mpaminany, nanao hoe:2 Lazao amin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, governora any Jodà, sy amin'i Jesoasy zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe: 3 Iza aminareo sisa velona, no nahita ity trano ity tanatin'ny voninahiny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?
4 Ary ankehitriny matokia, ry Zorobabela, - teny marin'ny Tompo. Matokia, ry Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe! Matokia hianareo vahoaka rehetra amin'ny tany, - teny marin'ny Tompo, - ary miasà! fa momba anareo aho, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.
5 Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.
6 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, - mbamin'ny ranomasina sy ny tanety.
7 Hanozongozona ny firenena rehetra aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Iavehn'ny tafika.
8 Ahy ny volafotsy, ahy ny volamena, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.
9 Ho lehibe ny voninahitr'ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin'ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.
10 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan'i Dariosa, tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alalan'i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
11 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Mangataha amin'ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe: 12 Raha misy olona mitondra hena voahasina amin'ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin'izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. - 13 Ary Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an'izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe; Ho voaloto izany. - 14 Dia niteny indray Akeja, nanao hoe: Toy izany ity vahoaka ity, toy izany ity firenena ity eo anatrehako, - teny marin'ny Tompo; toy izany ny asa rehetra ataon'ny tànany; izay ateriny eo dia maloto. 15 Ary ankehitriny, hevero ny hatramin'izao anio izao no mankany; dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa, natao teo amin'ny tempolin'ny Tompo.
16 Tamin'izany, ny nankamin'ny atontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo hafa-tsy folo; ny nankamin'ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon'ny famarana, tsy nahazo hafa-tsy roapolo.
17 Nasiako tamin'ny vary maty fotsy, sy ny ahi-dratsy aman-kavandra hianareo; nasiako avokoa ny asan-tananareo; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
18 Koa diniho ny hatramin'izao anio izao no mankany, ny hatramin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, ka hatramin'ny andro nanorenana ny tempolin'ny Tompo, diniho!
19 Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra? Na ny voaloboka aza, na ny aviavy, na ny ampongabendanitra, na ny oliva, tsy misy nahavokatra kely akory; fa hatramin'izao andro izao kosa, dia hotahiko hianareo.
20 Tonga fanindroany tamin'i Akjea ny tenin'ny Tompo, tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana nanao hoe:
21 Lazao amin'i Zorobabela, governora any Jodà, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany; 22 haongako ny seza fiandrianan'ny fanjakana, hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; hazerako ny kalesa fiadiana mbamin'ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin'ny mpitaingina azy samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy.
23 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, halaiko hianao, ry Zorobabela, zanak'i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin'ny Tompo, ka hataoko ho toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko hianao, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.
Bokin'i Zakaria
Toko voalohany
1 Tamin'ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan'i Dariosa, ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Zakaria, mpaminany, zanak'i Barakia, zanak'i Adao, nanao hoe:2 Tezitra mafy tamin'ny razanareo Iaveh. 3 Koa lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Miverena amiko hianareo, - teny marin'ny Tompon'ny tafika. 4 Aza manahaka ny razanareo, izay nitorian'ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Miverena hianareo, mialà amin'ny làlan-dratsinareo, sy amin'ny asa ratsinareo? nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory aho, - teny marin'ny Tompo.
5 Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?
6 Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin'ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahan'ny Tompon'ny tafika hatao amintsika araka ny làlantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.
7 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana, izay volana Sabata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, tonga tamin'i Zakaria, mpaminany, zanak'i Barakia, zank'i Adao, ny tenin'Andriamanitra, dia izao:
8 Fahitana no azoko tamin'ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapiny nijanona teo amin'ny hazo mirta, amin'ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly menapiny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.
9 Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay anjely, niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin'ireo. 10 Ary ralehilahy izay teo amin'ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin'ny Tompo hitety ny tany.
