Bokin'i Sofonia

Toko voalohany

2 Hesoriko eo ambonin'ny tany ny zavatra rehetra, - teny marin'ny Tompo;

3 Hesoriko ny olombelona sy ny biby; hesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin'ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin'ny tany ny olombelona, - teny marin'ny Tompo.

4 Dia haninji-tànana hamely an'i Jodà aho, sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema, ary haringako amin'ity fitoerana ity ny sisan'i Baala, ny anaran'ny mpandraharahany miaraka amin'ny mpisorona.

5 Ireo miankohoka eny ambonin'ny tafon-trano, eo anatrehan'ny tafiky ny lanitra; sy ireo miankohoka manao fianianana amin'ny Tompo, sady mianiana amin'ny mpanjakany;

6 sy ireo mihataka miala amin'ny Tompo, izay tsy mitady an'ny Tompo, ary manan-draharaha aminy akory.

7 Mangìna eo anatrehan'ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron'ny Tompo, satria efa nanomana sorona Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy izy.

8 Ary izao no hitranga: Amin'ny andron'ny soron'ny Tompo hofaiziko ny mpanapaka sy ny zanak'andriana, mbamin'izay rehetra manao fitafian'ny hafa firenena.

9 Hofaiziko avokoa amin'izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasiahana amam-pitaka ny tranon'ny tompony.

10 Amin'izany andro izany dia izao no hatao, - teny marin'ny Tompo: Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin'ny hazandrano; hisy fitarainana, avy ao an-tanàna faharoa; ary hisy kotrokotroka be avy amin'ny havoana.

11 Midradradradrà, ry mponina ao amin'ny Feta, fa ringana avokoa ny vahoaka kananeana, levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.

12 Izao no hatao amin'izany andro izany: Hokarohako amin'ny fanala Jerosalema, ka hofaiziko ny olona mandry mifetaka amin'ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy Iaveh!

13 Hatolotra hobaboina, ny fananany, ary hatolotra horavana ny tranony; hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin'izany.

14 Efa akaiky ny andro lehiben'ny Tompo, efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana! Injay migadona ny andron'ny Tompo! Ho velon-taraina mangidy amin'izay ny olo-mahery fo.

15 Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana amam-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty,

16 andron'ny trompetra sy ny fanairana, eo ambonin'ny tanàna mimanda, mbamin'ny nongonongona avo amin'ny manda.

17 Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin'ny Tompo izy. Hararaka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony.

18 Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin'ny andron'ny fisafoahan'ny Tompo; holevonin'ny fahasarotam-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fototra tampoka, ny mponina rehetra amin'ny tany.

Toko faha-2

1 Mitombena saina, mieritrereta ao anatinareo, ry karazan'olona lany henatra,

2 alohan'ny hiterahan'ny didy sy hihelenan'ny andro toy ny mololo; alohan'ny hiharan'ny firehitry ny fahatezeran'ny Tompo aminareo, alohan'ny hidonan'ny andron'ny fahaviniran'ny Tompo aminareo.

3 Mitadiava an'ny Tompo, hianareo manetry tena rehetra amin'ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafahaloka angamba hianareo amin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo!

4 Fa Gaza, hafoy; Askalona, hanjary efitra; Azota horoahina mitataovovonana; ary Akarona hofongorana.

5 Loza ho an'ny mponina any amin'ny faritanin'ny ranomasina, dia ny firenenan'ny Kretoa! Efa voatonona ny tenin'ny Tompo mamely anareo ry Kanaana, tanin'ny Filistina: Ary haringako hianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.

6 Ny faritanin'ny ranomasina hanjary tany fiandrasan'ondry sy zohin'ny mpiandry ondry, ary valan'ondry.

7 Ho faritany ho an'ny sisa amin'ny taranak'i Jodà izany, hiandry ny ondriny eo izy; dia handry ao amin'ny tranon'i Askalona nony hariva, fa hamangy sy hanangana azy indray Iaveh Andriamaniny.

8 Reko avokoa ny fanevatevan'i Moaba sy ny fanaratsian'ny taranak'i Ammona, izay nanevateva ny vahoakako, sy nitatra nibohy taminy teny amin'ny sisin-taniny.

9 Ka noho izany dia velona aho, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Moaba hanahaka an'i Sodoma; ary ny taranak'i Ammona ho tahaka an'i Gomora: fitoerana nafoy ho an'ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin'ny vahoakako hambabo azy, ary izay tavela amin'ny fireneko no hahazo azy ho lovany.

10 Izany no hihatra aminy dia noho ny avonavony, satria naneso sy niangiangy tamin'ny vahoakan'ny Tompon'ny tafika.

11 Ho fampatahorana mafy ho azy Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin'izay misy azy avy, ny mponina amin'ny nosim-pirenena rehetra.

12 Hianareo koa, ry Etiopiana!.. Ho voatrobaky ny sabatro izy ireo.

13 Haninji-tànana hamely ny avaratra koa izy, handringana an'i Asora, ary hahalao an'i Niniva, ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.

14 Eo afovoany no handrian'ny biby fiompy ny biby isan-karazany; na sama sy ny sokina avy no haka fonenana any amin'ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny ambaravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.

15 Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy hafa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan'ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrisitry sy hanifikifi-tànana.

Toko faha-3

1 Loza ho an'ilay miodina sy voaloto dia ny tanàna fampahoriana!

2 Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy, tsy niankina tamin'ny Tompo, tsy nanatona an'Andriamaniny.

3 Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona; ny mpitsarany, amboadia hariva, tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.

4 Ny mpaminaniny vavàna sady olona mamitaka; ny mpisorony mandoto ny zava-masina sy mandika ny lalàna.

5 Marina Iaveh eo afovoany, tsy misy tsy rariny ny ataony; mamoaka ny fitsarany isa-maraina izy mba hanome ny fahazavana, ary tsy diso amin'izany izy na oviana na oviana; fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!

6 Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony, nataoko lao ny arabeny ka tsy hisy mpandia intsony; voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony, tsy misy mponina na iray aza.

7 Hoy aho: Hatahotra ahy ahay hianao, handray ny anatra; dia tsy ho rava ny fonenany, araka izay rehetra notapahako ny aminy. Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo hanimba ny asa rehetra ataony.

8 Koa andrasonareo aho, - teny marin'ny Tompo, amin'ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin'izy ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon'ny fahasarotam-piaroko no handevona ny tany rehetra.

9 Fa amin'izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan'izy rehetra ny anaran'ny Tompo sy hanompoany azy amim-piraisan-kina.

10 Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho ahy.

11 Amin'izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin'izany hesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary hianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.

12 Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny anaran'ny Tompo.

13 Ny sisa amin'Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

14 Mihobia, ry zanakavavin'i Siona! manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy mireharehà amin'ny fonao rehetra, ry zanakavavin'i Jerosalema.

15 Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin'ny Tompo, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. Iaveh, Mpanjakan'Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony hianao.

16 Amin'izany andro izany, izao no holazaina amin'i Jerosalema: Aza matahotra, ry Siona, ary aza miraviravy tànana!

17 Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina izy amin'ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin'ny hobin-kafaliana.

18 Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan'ny anao ireny, itambesaran'ny latsa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1032