Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-6
7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy hianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. 9 Koa mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, 10 ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; 12 avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, 13 ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amena. 14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona hianareo, dia havelan'ny Rainareo any an-danitra koa; 15 fa raha tsy mamela ny hadisoan'ny olona kosa hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo koa ny hadisoanareo. 16 Ary raha mifady hanina hianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan'ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.17 Fa hianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, 18 mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin'ny mangingina; ary ny rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao. 19 Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
20 fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. 21 Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa. 22 Ny maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; 23 fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin'ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany! 24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola hianareo.
25 Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? 26 Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? 27 Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? 28 Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Zahao ny fanirin'ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamboly ireny; 29 kanefa lazaiko aminareo, fa na dia Salomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 30 Ka raha toy izany no fanafin'Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? 31 Noho izany, aza manahy hianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? 32 Fa ny jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. 33 Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany hianareo ho fanampiny. 34 Ary aza manahy ny ho ampitso hianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.
Toko faha-7
1 Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo;2 fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana anareo koa. 3 Ary nahoana hianao no mahita ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin'ny masonao? 4 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Avelao hesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin'ny anao? 5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason'ny rahalahinao. 6 Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin'ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. 7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana;
8 fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, 9 ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; 10 na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? 11 Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an'izay mangataka aminy? 12 Koa amin'izany, izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy amin'ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. 13 Midira amin'ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana mankany amin'ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;
14 fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny làlana mankany amin'ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! 15 Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian'ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
16 ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na voanaviavy amin'ny hery? 17 Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. 18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: 20 ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. 21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 22 Amin'izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin'ny anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin'ny anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin'ny anaranao va izahay?
