Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-7
23 Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialà amiko hianareo mpanao ratsy. 24 Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy; 25 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy. 26 Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika; 27 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany. 28 Ary nony efa vitan'i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin'ny fampianarany,29 satria nampianatra toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisiana.
Toko faha-8
1 Rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia narahin'ny vahoaka betsaka.2 Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka azy ka nanao hoe: Tompo ô, raha mety hianao, dia mahay manadio ahy. 3 Ary Jesoa naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety aho, madiova hianao. Dia afaka niaraka tamin'izay ny habokany. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo, aza milaza na amin'iza na amin'iza, fa mandehana miseho amin'ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian'i Moizy haterina mba ho vavolombelon'ny fahasitrananao. 5 Ary rahefa niditra tao Kafarnaoma izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona azy ka nihanta taminy,
6 nanao hoe: Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy. 7 Ary hoy Jesoa taminy: Ho avy hanasitrana azy aho. 8 Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9 Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin'ny iray hoe: Andeha hianao, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray: Ataovy izao, dia manao izy. 10 Gaga Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin'izay nanaraka azy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin'Israely. 11 Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin'ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra, 12 fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin'ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 13 Ary hoy Jesoa tamin'ilay kapiteny: Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankiziny. 14 Ary nony tonga tao an-tranon'i Piera Jesoa, dia nahita ny rafozambavin'i Piera nandry fa nararin'ny tazo,
15 dia notendreny ny tànany, ka niala ny tazo, ary nitsangana niserivy azy ireo izy. 16 Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon'ny demony nentina teo aminy, ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary, 17 mba ho tanteraka ilay tenin'Izaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika. 18 Nony hitan'i Jesoa ny hamaroan'ny olona nanodidina azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano izy.
19 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao. 20 Ary hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. 21 Ary ny anankiray tamin'ny mpianany koa nilaza taminy hoe: Tompoko, avelao aho aloha handevina ny raiko; 22 fa hoy Jesoa taminy: Manaraha ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy. 23 Ary niondrana tamin'ny sambo kely izy ka narahin'ny mpianany.
24 Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin'ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary izy anefa natory. 25 Dia nanatona azy ny mpianany, ka namoha azy nanao hoe: Tompoko, vonjeo izahay fa maty. 26 Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo ry kely finoana? Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. 27 Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: Iza io Lehilahy io no manaiky azy ny rivotra sy ny ranomasina? 28 Nony efa tonga teny am-pita tamin'ny tanin'ny Geraseny izy, dia nisy lehilahy roa nidiran'ny demony, nivoaka avy tamin'ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany làlana izany.
29 Ary indreo izy niantso hoe: Mifampaninona izahay sy hianao, ry Jesoa zanak'Andriamanitra? Hampijaly anay alohan'ny fotoana va no nalehanao atý? 30 Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra azy teny, 31 ka nihanta tamin'i Jesoa ny demony nanao hoe: Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin'iretsy andian-kisoa iretsy. 32 Ary hoy izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin'ny kisoa; niaraka tamin'izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. 33 Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin'ireo olona roa nidiran'ny demony. 34 Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an'i Jesoa, ka nony nahita azy, dia niangavy taminy mba hiala amin'ny faritaniny.
Toko faha-9
1 Ary niondrana tamin'ny sambo kely izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.2 Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin'ny fandriany nentin'ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan'ireo Jesoa, dia hoy izy tamin'ilay malemy: Matokia, anaka, fa voavela ny helokao. 3 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: Miteny ratsy an'Andriamanitra ilay io. 4 Fa Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 6 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka, dia hoy izy tamin'ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 7 Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. 8 Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an'Andriamanitra noho izy nanome ny olona fahefana toy izany. 9 Ary nony niala teo Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy izy taminy: Andeha hanaraka ahy hianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy.
