Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-9
10 Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany. 11 Ka nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikàna sy ny mpanota? 12 Fa hoy Jesoa nandre izany: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. 13 Mandehana àry hianareo, ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota. 14 Tamin'izay, dia nankao aminy ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Farisiana no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?15 Ary hoy Jesoa taminy: Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy. 16 Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny triatra. 17 Ary ny barika hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barika, ka ny divay raraka, ary ny barika simba; fa ny barika hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa. 18 Raha mbola niteny izany tamin'ireo izy, dia indro nisy lehiben'ny sinagoga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka azy, ka nanao hoe: Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tànanao aminy, dia ho velona izy.
19 Dia nitsangana Jesoa, ka nandeha nanaraka azy izy mbamin'ny mpianany. 20 Ary indro nisy vehivavy nitsidrà nandritra ny roa ambin'ny folo taona, nanatona azy avy eo ivohony, ka nanendry ny moron-tongotr'akanjony; 21 fa hoy izy anakampony: Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho. 22 Ary nitodika Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Hatramin'izay dia sitrana ravehivavy. 23 Nony tonga tany an-tranon'ilay lehibe Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: 24 Mialà hianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory. Dia nihomehezan'ireo izy. 25 Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra izy, ka nandray ny tànan'ilay zazavavy, dia nitsangana io. 26 Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazan'izany. 27 Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roalahy nanaraka azy, sady niantso mafy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay.
28 Nony tonga tany an-trano izy, dia nanatona azy ireto jamba, ary hoy Jesoa taminy: Moa mino hianareo fa mahay manao izany aho? Eny, Tompoko, hoy ireo taminy. 29 Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nihiratra ny masony, ary Jesoa nandrara azy mafy hoe: Tandremo sao ho ren'olona izao; 31 kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany. 32 Nony lasa ireo, dia indro nentin'ny olona teo amin'i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon'ny demony.
33 Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: Tsy mbola nisy toy izany tamin'Israely. 34 Fa ny Farisiana kosa nanao hoe: Ny lehiben'ny demony no androahany ny demony. 35 Ary Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.
36 Onena izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37 Dia hoy izy tamin'ny mpianany: ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; 38 koa mihantà amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.
Toko faha-10
1 Ary niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.2 Ary ireto no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia Simona izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, 3 Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikàna, Jakoba zanak'i Alfe sy Tade, 4 Simona ilay Kananeana, ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy. 5 Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay niarahin'i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny làlana mankany amin'ny Jentily, ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritana,
6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'Israely. 7 Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana. 9 Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin'ny fehin-kibonareo, 10 na kitapom-batsy eny an-dàlana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. 11 Ary amin'izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. 12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano hianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin'ity trano ity anie ny fiadanana; 13 ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. 14 Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin'izany trano izany, na amin'izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo. 15 Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny hatao amin'izany tanàna izany. 16 Indro izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava hianareo, ary mbà tsotra toy ny voromailala.
17 Mitandrema, fa hotorin'ny olona amin'ny fitsarany hianareo, sy hokapohiny ao amin'ny sinagogany; 18 ary hoentiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin'ny jentily. 19 Fa raha hatolony hianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; 20 satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny ao aminareo. 21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin'ny rainy aman-dreniny ka hamono azy;
