Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-10

22 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 23 Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray hianareo, dia mandosira any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan'Israely hianareo mandra-pahatongan'ny Zanak'olona. 24 Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;

25 fa ampy ho an'ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan'ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: 26 koa aza matahotra azy hianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; 28 ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. 29 Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory raha tsy avelan'ny Rainareo. 30 Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. 31 Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro hianareo. 32 Ary amin'izany izay rehetra hanaiky ahy eo anatrehan'ny olona dia ho ekeko izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; 33 ary izay handà ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra. 34 Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eo an-tany aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;

35 fa tonga aho mba hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy; 36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony. 37 Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. 38 Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy. 39 Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. 40 Izay mandray anareo, mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy.

41 Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina; 42 ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.

Toko faha-11

1 Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen'i Jesoa an'ireo mpianany roa ambin'ny folo lahy ireo, dia niala tao izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin'ny tanàna manodidina rehetra.

2 Ary nony ren'i Joany tao an-tranomaizina ny nataon'ny Kristy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany izy 3 hanao aminy hoe: Hianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 4 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Mandehana ka lazao amin'i Joany izao zavatra renareo sy hitanareo izao: 5 mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin'ny malahelo ny Evanjely, 6 ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko. 7 Nony lasa ireo, dia nilaza an'i Joany tamin'ny vahoaka Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an'efitra? Volotara hetsiketsehin'ny rivotra va?

8 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin'ny tranon'ny mpanjaka izay tsara fitafiana. 9 Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza, 10 fa izy no ilay voasoratra hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko hialoha anao sy hamboatra ny làlanao. 11 Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin'izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra no lehibe noho izy. 12 Ary hatramin'ny andron'i Joany Batista no ho mankaty, dia azo an-keriny ny fanjakan'ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. 13 Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin'i Joany, 14 ary raha mety mino hianareo, dia izy no ilay Elia ho avy. 15 Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino. 16 Amin'inona no hanoharako ity taranaka ity? Amin'ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja, izay miantso ny namany,

17 ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandon-tratra hianareo. 18 Fa tonga Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon'ny olona hoe: Azon'ny demony izy. 19 Tonga indray ny Zanak'olona, mihinana sy misotro, lazain'ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan'ny poblikàna mbamin'ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin'ny zanany ny Fahendrena. 20 Ary tamin'izay, dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro izy, satria tsy nibebaka ireo,

21 ka nataony hoe: Loza ho anao, ry Korozaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidòna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona izy. 22 Koa lazaiko aminareo, fa amin'ny andron'ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin'i Tira sy Sidòna noho ny hatao aminareo. 23 Ary hianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin'ny afobe hianao, fa raha tany Sodoma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. 24 Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sodoma amin'ny andron'ny fitsarana noho ny hatao aminao. 25 Tamin'izany andro izany, dia hoy indray Jesoa: Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa.

26 Eny, misaotra aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. 27 Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy. 28 Mankanesa atý amiko hianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho. 29 Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo hianareo;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5825