Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-15
6 dia afaka tsy hanaja ny rainy na ny reniny akory izy; koa nofoananareo ny didin'Andriamanitra noho ny lovantsofinareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Izaia anareo hoe: 8 Ity vahoaka ity manaja ahy amin'ny molony, fa ny fony lavitra ahy; 9 koa foana ny ivavahan'izy ireo amiko, satria didin'olombelona no ataony fampianarana. 10 Ary rahefa nasainy hanatona azy ny vahoaka, dia hoy izy taminy: Hainoy, ary fantaro:11 tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay aloaky ny vava, izany no mahaloto ny olona. 12 Dia nanatona azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Farisiana nandre izany teny izany? 13 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Ny voly rehetra nambolen'ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. 14 Avelao izy, fa jamba mitari-dalàna ny jamba; ka raha misy jamba mitari-dalàna ny jamba, dia hianjera any an-kady izy roroa. 15 Namaly Piera nanao taminy hoe: Lazao anay ny hevitr'izany fanoharana izany. 16 Hianareo koa va, hoy izy, mbola tsy mahalala ihany? 17 Moa tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia midina any an-kibo ka ariana any an-katakonana? 18 Fa izay mivoaka amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. 19 Satria ny fo no ihavian'ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny vava ratsy: 20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana tsy misasa tànana, tsy mahaloto ny olona akory. 21 Niala teo Jesoa, dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona.
22 Ary indro nisy vehivavy kananeana anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida, fa ampijalian'ny demony mafy loatra ny zanako vavy; 23 fa tsy namaly azy Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika. 24 Ary hoy ny navaliny azy: Tsy nirahina afa-tsy ho an'ny ondry very amin'ny taranak'Israely aho. 25 Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: Tompo ô! vonjeo aho! 26 Nefa novaliany hoe: Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboa. 27 Ary hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombitsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ihany ny zanany vavy. 29 Rahefa niala teo Jesoa, dia nankany amoron'ny ranomasin'i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra izy ka nipetraka teo.
30 Maro ny vahoaka nanatona azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin'ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr'i Jesoa dia nositraniny, 31 àny ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an'Andriamanitr'Israely izy ireo. 32 Ary niantso ny mpianany Jesoa, ka nilaza taminy hoe: Mampalahelo ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy: tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina, sao dia reraka eny an-dàlana izy.
33 Fa hoy ny mpianany taminy: Aiza no ahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an'efitra? 34 Ary hoy Jesoa taminy: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy ireo taminy, sy hazandrano madinika vitsy foana. 35 Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; 36 ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. 37 Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina; 38 nefa efatra arivo lahy no nihinana teo afa-tsy ny zaza amam-behivavy. 39 Nony nampody ny vahoaka izy, dia niondrana an-tsambo kely ka nankany amin'ny tany Magedana.
Toko faha-16
1 Ary nanatona azy ny Farisiana sy ny Sadoseana haka fanahy azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.2 Namaly izy ka nilaza taminy hoe: Nony hariva ny andro, dia hoy hianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra; 3 nony maraina indray: Ho ratsy ny andro, fa somary mena sy manjombona ny lanitra. 4 Koa hainareo ny maminany amin'ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an'i Jonasa mpaminay ihany. Dia nilaozany teo ireo, ka lasa izy. 5 Fa nony efa tafita ny rano izy ireo, dia hadinon'ny mpianatra ny nitondra mofo.
6 Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo fandrao azon'ny lalivain'ny Farisiana sy ny Sadoseana hianareo. 7 Dia nieritreritra izy ireo ka nanao anakampo hoe: Noho isika tsy nitondra mofo izay. 8 Ary hoy Jesoa nahalala izany ka nanao hoe: Ry kely finoana, nahoana hianareo no mihevitra anakampo, noho hianareo tsy nitondra mofo? 9 Moa tsy mbola fantatrareo ihany, sa tsy tsaroanareo fa mofo dimy dia ampy olona dimy arivo, ary mbola firy harona no nangoninareo? 10 Ary mofo fito dia ampy olona efatra arivo, sady mbola firy sobika koa no nangoninareo? 11 Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin'izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain'ny Farisiana sy ny Sadoseana? 12 Izay vao fantatr'izy ireo fa tsy ny lalivay amin'ny mofo no nasainy notandremana, fa ny fampianaran'ny Farisiana sy ny Sadoseana. 13 Ary nony tonga tany amin'ny faritany atao hoe: Sezarean'i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?
14 Ary hoy ireo: Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin'ny mpaminany. 15 Dia hoy Jesoa taminy: Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho? 16 Namaly Simona Piera ka nanao hoe: Hianao no Kristy zanak'Andriamanitra velona.
