Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-16

17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. 20 Ary tamin'izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin'ny olona fa izy no Kristy. 21 Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema izy, ary ho ampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin'ny maty rahefa afaka hateloana.

22 Ary naka azy hitanila kely Piera ka niteny azy mafy hoe: Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany! 23 Fa nihodina izy ka nilaza tamin'i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr'Andriamanitra, fa araka ny an'ny olona. 24 Ary tamin'izay Jesoa dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy.

25 Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26 Inona no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27 Fa ny Zanak'olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy. 28 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.

Toko faha-17

1 Rahefa afaka henemana taorian'izany, nalain'i Jesoa Piera sy Jakoba ary Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.

2 Dia niova tarehy teo anatrehany izy; ka ny tavany nampirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana. 3 Ary indreo niseho tamin'izy ireo Moizy sy Elia niresaka tamin'i Jesoa. 4 Dia niteny Piera nilaza tamin'i Jesoa hoe: Tompo, mahafinaritra ny mitoetra atý; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo atý, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia. 5 Fa raha mbola niteny izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy izy. 6 Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra. 7 Fa nanatona azy Jesoa, dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: Mitsangàna, fa aza matahotra. 8 Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona afa-tsy Jesoa irery. 9 Ary rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy Jesoa nandrara azy ireo: Aza milaza na amin'iza na amin'iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

10 Dia nanontany azy ny mpianany nanao hoe: Ahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha Elia? 11 Ary namaly izy ka nanao hoe: Tsy maintsy ho avy tokoa Elia, ka hanavao ny zavatra rehetra. 12 Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak'olona. 13 Dia fantatry ny mpianatra tamin'izay fa Joany Batista no nolazainy taminy. 14 Ary rahefa tonga teo amin'ny vahoaka izy, dia nisy lehilahy anankiray nanatona azy, ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: Tompo, mamindrà fo amin'ny zanako lahy; mararin'ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano.

15 Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo. 16 Ary namaly Jesoa nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy. 17 Dia norahonan'i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin'izay razazalahy. 18 Tamin'izay, dia nanatona an'i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Nahoana no tsy naharoaka azy izahay? 19 Noho ny tsy fahampian'ny finoanareo, hoy Jesoa taminy. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erý hianao, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo hatao. 20 Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin'ny fivavahana sy amin'ny fifadian-kanina. 21 Raha nitety an'i Galilea izy ireo, dia hoy Jesoa taminy: Efa hatolotra eo an-tanan'ny olona ny Zanak'olona,

22 ary hovonoina izy, nefa hitsangana amin'ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy izy ireo. 23 Nony tonga tany Kafarnaoma izy ireo, dia nanatona an'i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?

24 Mandoa izy, hoy Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain'i Jesoa nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Iza moa no angalan'ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa? 25 Ny olon-kafa, hoy Piera taminy. Raha izany ary, hoy Jesoa, dia afaka ny zanany. 26 Kanefa sao mananfitohina azy isika, ka mandehana manjono any amin'ny ranomasina hianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany, ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao hianao, ka alao, dia aloavy ho ahy sy ho anao.

Toko faha-18

1 Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra?

2 Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, 3 ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. 4 Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5 Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa. 6 Fa izay hanafintohina anankiray amin'ireny madinika mino ahy ireny kosa, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin'ny vozony, ka halentika any anatin'ny ranomasina izy. 7 Loza ho an'izao tontolo izao noho ny fanafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny anafintohinana, kanefa loza ho an'izay ihavian'ny fanafintohinana! 8 Koa raha ny tànanao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario lavitra anao, fa aleo tapa-tànana na tapa-tongotra an'ila miditra any amin'ny fiainana hianao, toy izay manana tànana roa na tongotra roa, very any amin'ny afo mandrakizay. 9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory ka ario lavitra anao, fa aleo toka-maso miditra any amin'ny fiainana hianao toy izay mana-maso roa hariana any amin'ny gehen'afo. 10 Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra.

11 Fa ny Zanak'olona dia tonga hamonjy ny very. 12 Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0942