Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-18
13 Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. 14 Toy izany koa, tsy tian'ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza. 15 Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;16 fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon'ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. 17 Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikàna. 18 Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany dia ho voavaha any an-danitra. 19 Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin'ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany. 20 Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany aho. 21 Ary tamin'izay, nanatona azy Piera nanao hoe: Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny impito va?
22 Dia hoy Jesoa taminy: Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito-polo fito. 23 Koa amin'izany, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin'ny mpanompony:
24 ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. 25 Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. 26 Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra. 27 Nangoraka ny fon'ilay tompon'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. 28 Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin'ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: Aloavy ny trosako any aminao. 29 Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra. 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. 31 Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin'ny tompony. 32 Dia nampanalain'ny tompony izy ka nilazany hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho hianao nifona tamiko; 33 ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin'ny namanao va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34 Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. 35 Dia ho tahaka izany koa no hataon'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.
Toko faha-19
1 Rahefa avy niteny izany Jesoa, dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin'i Jodea, andafin'i Jordany.2 Vahoaka be dia be no nanaraka azy, ary nanasitrana ny marary teo izy. 3 Ary nisy Farisiana nanatona azy mba haka fanahy azy, ka nanao hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony? 4 Dia hoy izy namaly azy ireo: Tsy novakinareo va fa izay nahary ny olona tamin'ny voalohany dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: 5 Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? 6 Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'ny olona. 7 Ka nahoana Moizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? 8 Dia hoy izy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanomezan'i Moizy lalàna anareo hisao-bady; fa hatramin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. 9 Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manam-bady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa. 10 Raha izany no toetran'ny lehilahy amin'ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady. 11 Ary hoy izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. 12 Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon'ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray. 13 Tamin'izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tànana sy hivavahany ho azy; fa noraran'ny mpianany mafy ireo.
14 Ka hoy Jesoa taminy: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra. 15 Ary rahefa nametra-tànana tamin'izy ireo izy, dia nizo-dàlana indray. 16 Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?
17 Dia hoy izy namaly azy: Ahoana ary no iantsoanao ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy. 18 Didy inona avy? hoy izy. Dia hoy Jesoa: Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, 19 manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 20 Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko? 21 Ary hoy Jesoa taminy: Raha tany tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22 Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo, satria be ny fananany. 23 Ary dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.
24 Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. 25 Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: Koa iza ihany ary no mety ho voavonjy? 26 Nijery azy ireo Jesoa, ka nanao hoe: Tsy hain'olombelona izany, fa vitan'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 27 Namaly Piera ka nanao taminy hoe: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka anao, ka inona ary no ho azonay?
